03/06/2026
𝗡𝗬 𝗠𝗘𝗧𝗬 𝗛𝗢 𝗙𝗜𝗭𝗢𝗧𝗥𝗬 𝗡𝗬 𝗧𝗢𝗡𝗢𝗡𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗡𝗬 𝗩𝗔𝗡𝗜𝗠-𝗣𝗢𝗧𝗢𝗔𝗡𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗔𝗧𝗜-𝗥𝗜𝗥𝗜𝗡𝗜𝗡𝗔, 𝗻𝘆 𝘃𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗝𝗼𝗻𝗮 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗔𝗼𝗴𝗼𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟲
----------------------------
⚙️AZA ADINO HATRANY NY MIZARA
Miditra tsikelikely anaty ny vanim-potoanan'ny ririnina isika, manomboka tsapa ny fidinan'ny maripàna ny alina sy ny divaraina ka manomboka mivoaka ny akanjo mafana sy ny bodofotsy.
Raha ny fironan'ny toetrandro ho an'ny telo volana ho avy izao ato anatin'ny Faritra Alaotra-Mangoro dia tombanana fa halefaka kokoa ny vanim-potoanan'ny ririnina. Vinavinaina fa hafana noho ny tokony ho izy ny tahan'ny maripàna saika manerana ny faritra rehetra, ny volana Jona hatramin'ny Aogositra 2026.
Ny tahan'ny rotsakorana kosa dia tombanana fa somary hihena kely noho ny tokony ho izy zany saika manerana ny faritra rehetra ankoatra ny distrika Anosibe an'ala izay ho latsaka noho ny tokony ho izy. .
Raha fintinina izany dia hitovitovy na ho kely kokoa noho ny mahazatra ny rotsakorana ary halefaka kokoa ny hatsiaka ho an'ny vanim-potoan'ny ririnina ato anatin'ny Faritra Alaotra-Mangoro. Na izany aza anefa dia ho tsapa foana ny fidinan'ny maripàna rehefa vanim-potoanan'ny ririnina koa entanina ny rehetra mba samy hihomana ho fiarovana ny fahasalamana amin'ny andavanandro, indrindra ho an'ireo marefo manoloana ny hatsiaka.
⚙️ Ho antsika manao voly avotra miankina betsaka amin'ny erikerik'andro madinidinika dia tsara kokoa raha mihomana amin'ny fanampiana tosika ny fanondrahana ny voly bebe kokoa mandritra izao ati-ririnina izao, indrindra ato Alaotra ny Jona sy Jolay.
⚙️ Aza adino ihany koa ny manaraka tsy tapaka ny fivoaran'ny toetry ny andro mandritra herinandro izay mivoaka isaky ny Alahady sy Alakamisy mba hijerena akaiky kokoa ny fiovaovan'ny maripàna isanandro amin'izao vanim-potoanan'ny ririnina izao.
Aza adino ny mizara ho fanampiana ny namana🙏.
--------------------------
Météo Alaotra-Mangoro
DRTM/SRM ALMAN 2026
27/05/2026
𝗛𝗮𝗻𝗱𝗲𝗵𝗮 𝗮𝗻𝗶𝗲 𝗵𝗼 𝗳𝗮𝗻𝘁𝗮𝗿𝗶𝗻𝗮 𝗲!
𝗝𝗘𝗥𝗬 𝗧𝗢𝗗𝗜𝗞𝗬 𝗡𝗬 𝗧𝗢𝗘𝗧𝗢𝗘𝗧𝗥𝗬 𝗡𝗬 𝗥𝗢𝗧𝗦𝗔𝗞𝗢𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 NY 𝟱 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 𝗙𝗔𝗥𝗔𝗡𝗬 𝗛𝗢 𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗟𝗔𝗢𝗧𝗥𝗔
-----------------------
Ny kisary etsy ambany dia maneho ny fivoaran'ny rotsakorana isan'andro mandritra ny taona iray manomboka ny volana Jolay hatramin'ny volana Jona.
Hatraiza no mety hahitantsika ilay hoe miovaova tokoa ve ny toetrandro na ny tonontaona sa mitovy foana ny isan-taona?
✅ 𝗙𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗮𝗻𝗼𝗺𝗯𝗼𝗵𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗼𝗺-𝗽𝗮havaratra "𝗱é𝗯𝘂𝘁 𝗱𝗲 𝘀𝗮𝗶𝘀𝗼𝗻"
Noezahina nojerena ireo taona dimy farany ka nisongadina indrindra tamin'izany dia ny taona 2025 no lasa aloha indrindra ny fiandohan'ny tam-pahavaratra izay voamarika ny 4 Novambra 2025 izany. Ny taona efatra ambiny kosa dia saika taorian'ny 20 Desambra avokoa ary ny tara indrindra amin'izany dia ny taona 2024 izay voamarika ny 1febroary 2025.
✅ 𝗡𝘆 𝗳𝗶𝘃𝗼𝗮𝗿𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗵𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗿𝗼𝘁𝘀𝗮𝗸𝗼𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗶𝘀𝗮𝗻'𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮
Ilay tsipika mainty mitohy dia maneho ny rotsakorana tokony ho izy izay salan'isa nokajiana nandritra ny taona lava (1991-2020). Izay rehetra any ambonin'ny tsipika mainty dia nihoatra noho ny tokony ho izy na nihoatra kely ny tahan'ny rotsakorana voarefy. Izay rehetra any ambany kosa dia latsaka noho ny tokony ho izy na latsaka kely
Hita eto fa ny taona miisa 3 anatin'ny 5 taona farany dia latsaka noho ny tokony ho izy avokoa ny tahan'ny rotsakorana(2020, 2022, 2024). Ny taona 2023 sy 2025 kosa dia saika ambony na ambony kely noho ny tokony ho izy ny tahan'ny rotsakorana.
✅ 𝗙𝗲𝗵𝗶𝗻𝘆
Miovaova be isan-taona tsy araka ny mahazatra intsony ny toetrandro ankehitriny. Voamarika manokana fa ny fiandohan'ny taom-pahavaratra izay antoky ny fahombiazan'ny fambolena tokoa raha lasa aloha kokoa ny orana dia tena miova isaky ny taom-pahavaratra. Eo ihany ihany koa ny fitsinjaran'ny rotsakorana isaky ny volana izay miantoka ny kalitaon'ny vokatra miakatra.
Ny Foibe Famantarana ny Toetrandro miaraka amin'ny ratsa maingaikany aty amin'ny faritra dia miezaka isaky ny fiandohan'ny taom-pahavaratra manome ny fironana ankapobeny isam-bolana ho an'ny rotsakorana sy ny maripàna mandritra ny taom-pahavaratra ho avy, ny Oktobra hatramin'ny Aprily.
Izany dia mba hahafahana manamora kokoa ny paikady entina miady sy manalefaka ny fihatraikan'ny fiovaovan'ny toetrandro amin'ireo sehatr'asa fampandrosoana ety ifotony, toy ny fambolena, fiompiana, fitantanana ny rano sns.....Azo antoka fa raha fantatra mialoha kokoa ny mety ho zava-hiseho dia ho afaka mihomana ara-potoana isika amin'izay tokony atao rehetra.
Ny tanjona dia tsy ny hisakanana ny tranga ara-toetrandro iray tsy hiseho fa ny mba hampihenana faran'izay kely ny vokadratsy aterany amin'ny alalan'ny hetsika mialoha. Tsy voatery ho ratsy foana koa anefa fa ao ihany koa ny fampahalalana mialoha ny SOA entiny, arakaraka ny toerana tsirairay.
--------------------------------
𝗠étéo 𝗔𝗹𝗮𝗼𝘁𝗿𝗮-𝗠𝗮𝗻𝗴𝗼𝗿𝗼
𝗗𝗥𝗧𝗠/𝗦𝗥𝗠 𝗔𝗟𝗠𝗔𝗡