08/03/2026
Fankalazana ny 8 Mars: anisan'ny nandray tamin'ny fankalazana izany ny Andriambavilanitra teo anivon'ny ORN Amoron' i Mania. Nosantarina tam diabe na carnaval manodidina ny tanàna moa izany. Indro sary vitsivitsy. Anisan'ny nandray anjara ihany koa ny Andriambavilanitra miara-miasa amin'ny ORN ao anatin'ny sehatry ny fanjariantsakafo izay iarahana am JICA sy ROSO, izay mpiantsehatra izany tetikasa izany eny ifotony.
11/02/2026
Fahavoazana nahazo ny biraon'ny ORN Atsinanana vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza GEZANI.
11/02/2026
HAY NAHANDRO.
Ho an'ny zaza 6 ka hatramin'ny 8 volana. Io sokajin-taona io dia tsy mihinana afatsy sakafo malemy sy marihitra. Saingy tokony sakafo nohatsaraina hatrany, izany hoe sakafo miovaova sy maroloko, misy ireo otrikaina ilain'ny vatany. Ny fampinonoan-dreny kosa dia tsy azo ajanona raha tsy efa feno 2 taona ny zaza.
Indro ary hay nahandro aroso ho antsika.
10/02/2026
Talata 10 Febroary 2026 - 16h
⚠️ Eo andalam-pidirana anatin'ny mafy indrindra ⚡️ ny any amin'ny morontsiraka Atsinanana
Niova ho toy izao ny filazana loza:
🔴 Loza mitatao miloko MENA : Faritra Atsinanana, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, Analamanga ary Betsiboka.
🟡 Loza manambana miloko MAVO : Faritra Ambatosoa, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra, Melaky, Menabe sy ny Distrikan'i Mandritsara sy Befandriana Avaratra.
✖️ Foana ny filazana loza : ho an'ny Distrikan'i Antalaha sy Andapa
▶ Toerana misy ny foiben'ilay rivodoza GEZANI 🌀: 89 km Atsinanan'i Toamasina
▶ Heriny: Cyclone Tropical Intense ‼️
▶ 185 km/h ny rivotra miaraka aminy arahina tafiotra 260 km/h
▶ Fikisahany: Niakandrefana mahafaka 18 km/h
▶ Toerana hidirany an-tanety: Ao amin'ny Distrikan'i Toamasina II
▶▶ Rehefa tafiditra an-tanety tanteraka ao amin'ny distrikan'i Toamasina II izy dia vinavinaina hamakivaky ny Faritra Alaotra Mangoro, Analamanga, Bongolava, mialohan'ny hivoahany an-dranomasina any amin'ny lakandranon'i Mozambika ny Alarobia Alina eo anelanelan'ny Faritra Melaky sy Menabe.
Mankahery ireo efa tena ao anatiny ✊
Cyclones à Madagasca
10/02/2026
𝗔𝗗𝗬 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗡𝗘𝗡𝗗𝗥𝗔𝗡-𝗗𝗥𝗔𝗝𝗔𝗞𝗢 (𝗠𝗣𝗢𝗫) 🔴 Mbola tsy vita fa aza variana🤪
👶🤱 𝙽𝚢 𝚏𝚊𝚑𝚊𝚜𝚊𝚕𝚊𝚖𝚊𝚗’𝚗𝚢 𝚣𝚊𝚣𝚊 𝚗𝚘 𝚕𝚊𝚑𝚊𝚛𝚊𝚖-𝚙𝚊𝚑𝚊𝚖𝚎𝚑𝚊𝚗𝚊 !
𝙽𝚢 𝚣𝚊𝚣𝚊 𝚟𝚊𝚘 𝚝𝚎𝚛𝚊𝚔𝚊 𝚜𝚢 𝚗𝚢 𝚣𝚊𝚣𝚊 𝚖𝚊𝚍𝚒𝚗𝚒𝚔𝚊 𝚍𝚒𝚊 𝚒𝚜𝚊𝚗’𝚒𝚛𝚎𝚘 𝚖𝚊𝚛𝚎𝚏𝚘 𝚒𝚗𝚍𝚛𝚒𝚗𝚍𝚛𝚊 𝚊𝚖𝚒𝚗’𝚒𝚣𝚊𝚘 𝚏𝚘𝚝𝚘𝚊𝚗-𝚝𝚜𝚊𝚛𝚘𝚝𝚛𝚊 𝚒𝚣𝚊𝚘. 𝙰𝚗𝚍𝚛𝚊𝚒𝚔𝚒𝚝𝚜𝚒𝚔𝚊 𝚛𝚊𝚢 𝚊𝚖𝚊𝚗-𝚍𝚛𝚎𝚗𝚢 𝚜𝚢 𝚖𝚙𝚒𝚔𝚊𝚛𝚊𝚔𝚊𝚛𝚊 𝚗𝚢 𝚖𝚒𝚊𝚛𝚘 𝚊𝚣𝚢 𝚒𝚛𝚎𝚘 𝚒𝚜𝚊𝚗’𝚊𝚗𝚍𝚛𝚘: 🛡️
✅ Fiarovana amin’ny fifampikasohana
✅ Fampinonoana matetika sy tsy tapaka
✅ Fanarahana fepetra ara-pahasalamana (arovava, fanasana tanana)
✅ Sakafo ara-pahasalamana, manamafy hery fiarovana 🥕🐟🥚
⚠️ 𝖱𝖺𝗁𝖺 𝗆𝗂𝗌𝗒 𝗌𝗈𝗋𝗂𝗍𝗋’𝖺𝗋𝖾𝗍𝗂𝗇𝖺 𝗆𝖺𝗆𝗉𝗂𝖺𝗁𝗂𝖺𝗁𝗒, 𝗆𝖺𝗇𝖺𝗍𝗈𝗇𝖺 𝖳𝗈𝖻𝗂𝗆-𝗉𝖺𝗁𝖺𝗌𝖺𝗅𝖺𝗆𝖺𝗇𝖺 𝖺𝗏𝗒 𝗁𝖺𝗍𝗋𝖺𝗇𝗒.
🤝 Miara-mientana isika hiaro ny fahasalaman’ny fianakaviana sy ny taranaka ho avy.
📢 Zarao ity hafatra ity – mety hamonjy aina.
09/02/2026
ADY amin'ny NENDRAN-DRAJAKO -MPOX
Reny Mampinono aho:
✅Fadiako ny fifampikasohana amin’ny olona marary na ahiahiana ho mitondra ny aretina.
✅Mampiasa arovava orona ho fiarovako ny tenako sy ny zanako
✅Manasà tanana amin’ny rano madio sy savony na gel désinfectant alohan’ny handraisako ny zanako.
✅Mihinana sakafo be otrikaina toy ny Vitamina A,C,Zinc,... izay mitondra hery fiarovana.
⚠😎Raha misy mampiahiahy, manatona Tobimpahasalamana avy hatrany
“Miara mientana isika ho fitandroana ny fahasalaman’ny fianakaviana.”
02/02/2026
Fahavaratra ny andro. Mitombo ny faharatsian'ny lalana mihazo ny Kaominina Kianjandrakefina.
23/01/2026
Appel à Manifestation d'Intérêt.