Domaine "Isekely Ihany" Itasy

Domaine "Isekely Ihany" Itasy

Share

misy filalaovan'ny ankizy. Toerana tsara kanefa tsotra sy amin'ny sarany mirary.

Ny Domaine "Isekely Ihany" dia toerana malalaka, anaty natiora milamina, fitsangatsanganana, fanaovana pique-nique, hafaka hilasiana (Camping) raha mitondra fitaovana.

12/06/2026

Mahasalama ny miaina anaty natiora sy ny filaminan-tsaina!! Ilaina koa ny mihataka kely ny tanan-dehibe mba ampivelatra ny jery 🌱🏕️

11/06/2026

Mandeha ny fotoana 2022 vs 2026

18/05/2026

Efa akaiky ny fety, andao hiaraka hihira Isekely Ihany

13/05/2026

Ho fanokafana ny fety amin'izao vanim-potoana ny Pentecôtes izao dia tonga ety amin-tsika ety Ampefy ny Mahaleo Taranaka ny 23 Mai 2026 ao Andranomadio (1km @ lalana mankeny amin'ny Îlot de la Vierge) . 50.000 Ar ny vidim-pidirana (chez Jacky / Hotel Voara ). Voafetra ny toerana!! @ 5 Ora hariva no manomboka ny fiarahana!! Tongava maro hiaraka amoron'afon-dasy isika!!

07/05/2026

Mahafinaritra tokoa ny mankafy ny andro maraina miaraka amin'ireo vokatrin'ny tany 🌾🥬🍅🍳!!
Efa manakaiky ny , fotoana tsy misy orana aty Itasy, tsy toy ny P***a 🌞🌻

13/02/2026

Tsara ny andro anio

13/02/2026

🌞🌞Ela ela indray tsy nisy andro mirana fa inty izy fa tamy 🌞🌞

🤾🏊🏽⛺🏞

21/01/2026

Raha ny hevitrao, tokony hihisy orinasa hivohy an'izao ve eto amin'ny tanin-tsika?
Mbola misy fomba hafa fampiasa azy io ao amin'ny commentaires 🌱🌱🌱

Photos from Domaine "Isekely Ihany" Itasy's post 11/01/2026

🌱🌱🌱 Ny hakanton’ny natiora "Isekely Ihany". Eo ambanin’ny aloky ny hazo, ravahin’ny ahitra maitso sy rivotra madio, dia tsapanao fa tsy toerana tsotra fotsiny izy ity, fa toerana misy aina. Toerana ahafahana miaina miadana, miala sasatra amin’ny tabataban’ny fiainana andavanandro, ary mamerina hery indray.
Hoy ny ohabolana malagasy hoe: “Ny tany tsara tsy mba mandà vokatra.” Isekely Ihany dia porofon’izany, satria na tsotra aza ny endriny, dia be harena: fahanginana, hatsaram-panahy ary fiadanam-po. Eto no ahafahana miara-mipetraka amin’ny fianakaviana, miresaka am-pitoniana, mihomehy miaraka, ary mamorona fahatsiarovana tsy ho hadinoina.
Hoy ihany koa ny fiteny hoe: “Izay mahay miandry, mahazo izay iriny.” Tsikelikely no ananganana sy anatsarana an’i Isekely Ihany, fa amin’ny fo sy finiavana. Ny tanjona dia ny hamorona toerana misokatra ho an’ny rehetra, toerana ihaonana amin’ny natiora sy ny tena maha-olona.
Raha mitady toerana ahafahana miala sasatra, miaina fahanginana, ary mahatsapa ho ao an-trano ianao, dia Isekely Ihany no antsoinao. Tongava, zahao, ary avelao hiteny aminao ny natiora 🌱🌱🌱

Want your business to be the top-listed Government Service in Ampefy?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Website

Address

Amboasarikely
Ampefy
118

Opening Hours

Thursday 10:00 - 20:00
Friday 10:00 - 20:00
Saturday 10:00 - 20:00
Sunday 10:00 - 19:00