OMNIS

Call Website Contact the organization

OMNIS Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from OMNIS, Government Organization, Ambohijatovo/Andraharo/Mangasoavina, Antananarivo.

Office des Mines Nationales et des Industries Stratégiques
Organisme d’État travaillant au service du développement économique de Madagascar, notamment à travers les secteurs pétrolier amont et minier.

𝗜𝗻𝗼𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗿𝗶𝗻𝗮 𝗻𝗼 𝗲𝗻𝘁𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗳𝗮𝗻𝗮𝗼𝘃𝗮𝗻-𝘁𝘀𝗼𝗻𝗶𝗮 𝗙𝗶𝗳𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗙𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮-𝗺𝗶𝘁𝗼𝗲𝘁𝗿𝗮 𝘁𝗲𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗘𝗗𝗗 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗠𝗜𝗠 ?▪ Raha tsorina, ity...
11/07/2026

𝗜𝗻𝗼𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗿𝗶𝗻𝗮 𝗻𝗼 𝗲𝗻𝘁𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗳𝗮𝗻𝗮𝗼𝘃𝗮𝗻-𝘁𝘀𝗼𝗻𝗶𝗮 𝗙𝗶𝗳𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗙𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮-𝗺𝗶𝘁𝗼𝗲𝘁𝗿𝗮 𝘁𝗲𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗘𝗗𝗗 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗠𝗜𝗠 ?
▪ Raha tsorina, ity fifanarahana ity dia mametraka ny fitsipika ahafahan'ny fiarovana ny faritra an-dranomasina sy ny asa fikarohana ary fitrandrahana solika miara-misy ao anatin'ny rafitra mazava sy voafehy. Tafiditra ao anatin'izany ny fanatanterahana fanadihadiana ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy ary ny fiarovana ireo faritra marefo sy manan-danja ara-tontolo iainana.
▪ Amin'ny maha andrim-panjakana tompon'andraikitra voalohany amin'ny fikarohana sy ny fitrandrahana solika eto Madagasikara azy, ny OMNIS dia manome toky fa ny asa rehetra hatao amin'ireo « blocs pétroliers » an-dranomasina ao amin'ny faritra Melaky dia hanaraka tanteraka ny fepetra ara-tontolo iainana sy ireo fanekena voarakitra ao anatin'ity fifanarahana ity.
▪ Ny OMNIS dia hampiditra ireo fepetra ireo ao anatin'ny dingana fanomezana ireo « blocs pétroliers » sy ao anatin'ireo adidy takiana amin'ireo orinasa mpandraharaha amin'ny ho avy. Maneho ny finiavan'ireo andrim-panjakana voakasika izany mba hampifandanja ny fampiroboroboana ny harena stratejika sy ny fiarovana ny harena voajanahary ho tombontsoan'ny firenena sy ny taranaka.
▪ Ankoatra ny Nosy Barren, ity fifanarahana ity dia mametraka ihany koa fomba fiaraha-miasa sy fifampidinihana eo amin'ireo tompon'andraikitra voakasika ka raha misy indray amin'ny ho avy ny fifanindrian'ny Faritra Arovana an-dranomasina sy ny Blocs pétrolier, dia hisy hatrany ny fifanarahana iarahan'ny roa tonta mametraka ny fepetra hahafahana manatanteraka ny asa.

26/06/2026
Ao anatin'ny fankalazana ny faha 50 taonan’ny OMNIS, sy ho fanehoana ny firaisankina ary ny fifampitsinjovana amin’izao ...
24/06/2026

Ao anatin'ny fankalazana ny faha 50 taonan’ny OMNIS, sy ho fanehoana ny firaisankina ary ny fifampitsinjovana amin’izao vanim-potoanan’ny hatsiaka izao, dia nanolotra bodofotsy maro ho an’ireo mponina, indrindra ireo zokiolona, ao amin’ny fokontany Besarety sy Ampandrana Antsinanana ny OMNIS androany faha 24 jona 2026. Izany dia tanteraka noho ny fiaraha-mientana tamin'ny "Association MANAMPY".
Ao anatin'ny andraikitry ny orinasa amin'ny fitsinjovana ny lafiny sosialy (RSE) mba ho fanohanana ireo mpiara-monina moa ity hetsika ity. Maneho ihany koa ny finiavan’ny OMNIS hanakaiky hatrany ny mpiara-monina aminy sy hampiroborobo ny soatoavin’ny fifanampiana sy ny firaisankina, indrindra amin’izao fankalazana ny Fetim-pirenena izao.
Mbola maro moa ny hetsika hatao ao anatin'izao fiaraha-miasan’ny OMNIS sy ny "Association MANAMPY" izao, toy ny fanofanana ny vehivavy mpiasa, ny fijerena maso maimaimpoana ny mpiasa sy ny mpiara-monina manodidina, izay hikendrena hatrany ny tombontsoan’ny mpiara-belona.

𝗚𝗿𝗲̀𝘀 𝗯𝗶𝘁𝘂𝗺𝗶𝗻𝗲𝘂𝘅 𝗮𝗼 𝗕𝗲𝗺𝗼𝗹𝗮𝗻𝗴𝗮 : 𝗵𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀𝗮𝗶𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗸𝗼𝗷𝗮𝗸𝗼𝗷𝗮𝗻𝗮 𝗹𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗼 𝗠𝗼𝗿𝗮𝗳𝗲𝗻𝗼𝗯𝗲.Nankatoavin’ny Filankevitry ny Min...
09/06/2026

𝗚𝗿𝗲̀𝘀 𝗯𝗶𝘁𝘂𝗺𝗶𝗻𝗲𝘂𝘅 𝗮𝗼 𝗕𝗲𝗺𝗼𝗹𝗮𝗻𝗴𝗮 : 𝗵𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀𝗮𝗶𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗸𝗼𝗷𝗮𝗸𝗼𝗷𝗮𝗻𝗮 𝗹𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗼 𝗠𝗼𝗿𝗮𝗳𝗲𝗻𝗼𝗯𝗲.
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra tamin’ny 02 Jona 2026 ny fanatanterahana tetikasa fampirantiana momba ny fampiasana ny grès bitumineux any Bemolanga amin’ny asa fikojakojana lalana ao Morafenobe, izay vatsian’ny Fonds Routier.

Hiarahan’ny OMNIS, ny Laboratoire National des Travaux Publics et du Bâtiment (LNTPB) ary ny Ministeran’ny Asa Vaventy (MTP) manatanteraka ity tetikasa ity, izay mikendry ny hampiseho ny fahombiazan’ny fampiasana ity harena ity eto an-toerana eo amin’ny lafiny ara-teknika sy ara-toekarena.

Amin’ny maha « Maître d’Ouvrage Délégué » azy, ny OMNIS no hiandraikitra ny fakana, fanomanana ary fanomezana grès bitumineux 𝟯𝟬𝟬 𝘁𝗮𝗼𝗻𝗶𝗻𝗮 hoenti-manatanteraka ity tetikasa ity.

Tombanana ho 𝟮,𝟴𝟱 𝗺𝗶𝗹𝗶𝗮𝗿𝗮 𝗯𝗮𝗿𝗶𝗹𝗮 ny tahirin’ny grès bitumineux ao Bemolanga, izay manamarina ny maha-harena stratejika azy ho an’i Madagasikara.

𝗙𝗔𝗠𝗣𝗜𝗧𝗔𝗡𝗗𝗥𝗘𝗠𝗔𝗡𝗔 : misy antontan-taratasy sandoka miparitaka amin’izao fotoana izao mitondra ny anaran’ny OMNIS, anisan’i...
13/05/2026

𝗙𝗔𝗠𝗣𝗜𝗧𝗔𝗡𝗗𝗥𝗘𝗠𝗔𝗡𝗔 : misy antontan-taratasy sandoka miparitaka amin’izao fotoana izao mitondra ny anaran’ny OMNIS, anisan’izany ireo tatitra sandoka momba ny fitiliana laboratoara misy sonia sy fitomboka hosoka.
Lavina tanteraka fa ny OMNIS na sampan-draharahan’ny OMNIS no nivoahan'ireo antontan-taratasy ireo.
Heloka bevava sazian’ny lalàna manan-kery ny fanaovana hosoka, fampiasana hosoka, fakàna anarana na fisandohana antontan-taratasy sy tombokase ofisialy.
Marihina etoana ihany koa fa tsy misy idiran’ny OMNIS, na mivantana na ankolaka, amin’ny fivarotana vato indostrialy sy vato sarobidy.
Manentana ny rehetra mba ho mailo sy hanamarina ny fiavian'ireo antontan-taratasy rehetra ampiasaina amin’ny anaran’ny OMNIS amin’ireo sampan-draharaha mahefa.
--------------------------------------------------------------------------
𝗔𝗩𝗜𝗦 𝗔𝗨 𝗣𝗨𝗕𝗟𝗜𝗖 : de faux documents circulent actuellement au nom de l’OMNIS, incluant de faux rapports d’analyses de laboratoire avec imitations de signatures et cachets officiels.
L’OMNIS dément formellement l’authenticité de ces documents et rappelle qu’ils ne proviennent en aucun cas de ses services.
L’Office informe que toute reproduction frauduleuse, usurpation d’identité, falsification de documents administratifs, faux et usage de faux constituent des infractions passibles de poursuites conformément aux dispositions légales en vigueur.
L’Office précise également qu’il n’est en aucun cas impliqué, de près ou de loin, dans des activités de vente de pierres industrielles ou de pierres précieuses.
L’OMNIS invite le public, ses partenaires et toute entité concernée à faire preuve de vigilance et à vérifier l’authenticité de tout document présenté au nom de l’Office auprès des services compétents.

𝗙𝗔𝗡𝗔𝗭𝗔𝗩𝗔𝗡𝗔 𝗢𝗙𝗜𝗦𝗜𝗔𝗟𝗬 – 𝗧𝗦𝗜𝗠𝗜𝗥𝗢𝗥𝗢Ampahatsiahivin’ny OMNIS fa izy no solontenan’ny Fanjakana mitantana ny sehatry ny fitran...
29/04/2026

𝗙𝗔𝗡𝗔𝗭𝗔𝗩𝗔𝗡𝗔 𝗢𝗙𝗜𝗦𝗜𝗔𝗟𝗬 – 𝗧𝗦𝗜𝗠𝗜𝗥𝗢𝗥𝗢
Ampahatsiahivin’ny OMNIS fa izy no solontenan’ny Fanjakana mitantana ny sehatry ny fitrandrahana akoran'afo (hydrocarbures) eto Madagasikara araka ny lalàna manan-kery.

➡️ Mikasika ny menaka mavesatra ao Tsimiroro:
✔️ Tsy misy fanapahan-kevitra raisin’ny mpitrandraka irery
✔️ Tsy maintsy ankatoavin’ny rafitra ofisialy (OMNIS sy ny Ministeran'ny Harena An-kibon'ny Tany) ny asa rehetra
✔️ Voafehin’ny lalàna sy ny fifanarahana (CPP) ny famokarana
✔️ Laharam-pahamehana ny famatsiana ny tsena anatiny

⚠️ Ny vaovao sy vinavina rehetra tsy mbola nankatoavina dia tsy tokony haparitaka ho toy ny vahaolana ofisialy.

🇲🇬 Ny harena an-kibon’ny tany dia an’ny Firenena Malagasy.

𝗡𝘆 𝗢𝗠𝗡𝗜𝗦 𝗻𝗼 𝗺𝗶𝗮𝗿𝗼 𝘀𝘆 𝗺𝗶𝗮𝗻𝘁𝗼𝗸𝗮 𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆.

𝗙𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗚𝗮𝘇 𝗮𝗼 𝗠𝗮𝗵𝗮𝗯𝗼𝗯𝗼𝗸𝗮 Tonga nitsidika ny toby fitrandrahana Gaz tantanan'ny OMNIS ao Mahaboboka Sakaraha ireo ...
23/04/2026

𝗙𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗚𝗮𝘇 𝗮𝗼 𝗠𝗮𝗵𝗮𝗯𝗼𝗯𝗼𝗸𝗮
Tonga nitsidika ny toby fitrandrahana Gaz tantanan'ny OMNIS ao Mahaboboka Sakaraha ireo mpitondra fanjakana ambony eto Madagasikara tamin'ny sabotsy 18 aprily lasa teo izay notarihin'Andriamatoa Kolonely RANDRIANIRINA Michael, Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara (PRRM), niaraka tamin' Andriamatoa Filohan'ny Antenimieram-pirenena, ary ny Minisitry ny Harena an-kibon'ny tany.

Tonga nitsena azy ireo tao amin'ity toby ity ny Jeneraly ANDRIANTAOLO Tsilavonjato Honoré, Tale Jeneralin'ny OMNIS, niaraka tamin'ireo teknisianina sy manam-pahaizana maro avy ao amin'ity Birao mpitantana ny harena stratejika sy fitrandrahana akoran'afo (hydrocarbures) eto Madagasikara ity.

Niara-nahita mivantana ny fitrandrahana tokoa ireto Ray aman-dreny eto amin'ny firenena ireto izay tsy anganoangano akory fa tena misy. Vokatsoa maro no azo amin'ity fitrandrahana ity toy ny: famatsiana herinaratra ny faritra manodidina ny toby, fampiasana azy ho "gaz domestique", fanodinana azy ho lasa solika ho an'ny fiara, ... Mbola ilaina hatrany anefa ny fanohizana ny asa fikarohana (exploration) mba hanamafisana ny haben’ny tahiry raha tiana ho tanteraka ireo.

Marihina fa tao aorian'ny taona 2011 nahitàna ny Gaz dia tsy nitsahatra niasa ireo manam-pahaizana ato amin'ny OMNIS amin'ny maha tompon'andraikitra voalohany araka ny lalàna velona azy.

Masa-bary maito kitoza noho izany isika malagasy rehetra amin'izao fanavaozana izao noho ny fahavononan' ny Fanjakana hampandroso ity sehatra ity ho tombontsoan'ny mpiray tanindrazana.

www.omnis.mg

Sary : Ministeran'ny Harena An-kibon'ny Tany, Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM

Ny OMNIS dia faly miarahaba an' Andriamatoa Carl ANDRIAMPARANY, Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-kar...
26/03/2026

Ny OMNIS dia faly miarahaba an' Andriamatoa Carl ANDRIAMPARANY, Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika noho ny fanendrena azy indray hitarika ny Minisitera.

𝐕𝐨𝐢𝐧-𝐤𝐚𝐯𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚.📌Manoloana ny voina nahazo ny faritra atsinanana noho ny fandalovan’ny rivo-doza Fytia sy Gezani di...
18/02/2026

𝐕𝐨𝐢𝐧-𝐤𝐚𝐯𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚.
📌Manoloana ny voina nahazo ny faritra atsinanana noho ny fandalovan’ny rivo-doza Fytia sy Gezani dia nitondra ny anjara birikiny entina manampy ireo mpiray tanindrazana tra-doza ny OMNIS androany 18 febroary teny amin’ny foiben’ny BNGRC.

📌 Ahitàna lelavola 1 tapitrisa ariary, sakafo, kojakoja ilaina amin’ny andavanandro sy entina manarina ireo simba ary fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra ity tolo-tanana ity.

📌Izao no tanteraka dia noho ny fiaraha-mientan’ny fianakaviamben’ny OMNIS: ny mpiara-miasa rehetra sy ny Fikambanan’ny Vehivavin’ny OMNIS (AFO).

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISTRA - 05 Febroary 2026MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY▪ Noraisina ny didim-panjak...
06/02/2026

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISTRA - 05 Febroary 2026
MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY
▪ Noraisina ny didim-panjakana manambara ny fanafoanana ny Fifanarahana momba ny Fizaràna Vokatra (Contrat de Partage de Production) nosoniavina ny 27 aogositra 2015 ho Fitsirihana sy Fitrandrahana Akoran'afo amin'ny faritra Belo Profond Nord (Blocs 1841_5 – 1841_6 – 1941_1 – 1941_2 – 1941_3 – 1941_4).
▪ Noraisina ireo didim-panjakana miisa efatra manambara ny fanafoanana ireo "titres miniers d'hydrocarbures" nomena ny OMNIS.
▪ Noraisina ireo didim-panjakana miisa 17 manambara fa tsy manan-kery ny "titres miniers" momba ny akoran'afo nomena ny OMNIS.
▪ Noraisina ireo didim-panjakana miisa roapolo manambara ny fiafaran'ny fifanarahana fizaràna vokatra (CPP) natao teo amin'ny "Office National des Industries Stratégiques" (OMNIS) sy ireo kaompaniam-tsolika iraisampirenena.

Address

Ambohijatovo/Andraharo/Mangasoavina
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00

Telephone

+261202224283

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when OMNIS posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to OMNIS:

Shortcuts

Share