Manondroala

Manondroala

Share

Manondroala is a non-profit organization for environmental conservation registered in Madagascar.

Manondroala is a non-governmental organization for environmental conservation in Madagascar. Manondroala is the vernacular name of Rhopalocarpus thouarsianus which is a critically endangered plant species. The plant occurs in littoral and evergreen forest in the eastern of Madagascar. Manondroala means showing or pointing out the forest in Malagasy language. Manondroala was responsible for the imp

24/02/2026

Mankahery ireo rehetra niharamboina nohon'ny fandalovan'ny rivodoza Gezani.

🌍Manentana antsika mpikirakira taosarintany mba samy handray izay tandrify azy amin'ny fanampiana ny mpiarabelona amin'ny fiatrehana mialoha sy ny fanombanana ny loza sy ny tandindondoza.

📡Sary fanehoana (animation): Sary azo avy amin'ny zana-bolana Sentinel 1 tao Toamasina (False Color)
🌤️alohan'ny fandalovan'ny rivodoza Gezani (2025-07-05 , 2026-01-13, 2026-02-06) sy
💦afaran'ny fandalovan'ny rivodoza Gezani (2026-02-18)

05/01/2026

Faly miarahaba antsika nahatratra ny taona vaovao. Mirary soa hatrany!

Photos from Dodo's post 27/11/2025

🌍 Telo taona izao ny fiarahamiasan’ny Manondroala Madagascar sy Dodo eo amin’ny lafiny fanamafisana fahaizamanao momba ny fampiasana ny teknokojia geospatial hoan’ireo tomponandraikimpanjakana momba ny fiarovana ny atiala any Gambia, Senegaly ary Ginea-Bisao.

💚 Mankasitraka ny ekipan’ny Dodo sy ireo mpiaramiombonantoka aminy tamin’ny fahatokisana.

🌱 Manondroala dia miezaka ny manome ny Tsara indrindra hatrany mba hanatrarana ny tanjona iombonana dia ny fiarovana ny tontolo iainana 🌍

Photos from Dodo's post 16/09/2025

🌳Fanaraha-maso ny ala mampiasa teknolojia

Mitohy hatrany ny fanamafisana fahaiza-manao momba ny fanaraha-maso ny ala izay ataon'ny Manondroala miaraka amin'ny Dodo hoan'ireo mpiasan'ny minisiteran'ny tontolo iainana any amin'ny firenena andrefan'ny Afrika 🌍

INTERNATIONAL PRIMATOLOGICAL SOCIETY 2025 MADAGASCAR 19/07/2025

Ho tanterahina eto Antananarivo Madagasikara ny kongresy iraisampirenena

📍 Toerana : Hôtel Novotel Convention & Spa, Antananarivo

📅 Daty : ny 20 hatramin'ny 25 jolay 2025

Tongava maro

INTERNATIONAL PRIMATOLOGICAL SOCIETY 2025 MADAGASCAR La Société Internationale de Primatologie (IPS), fondée pour promouvoir la recherche scientifique sur les primates non humains, joue un rôle essentiel dans la coopération internationale entre chercheurs et dans la préservation des espèces de primates à travers le monde. À but scientifique, ...

11/07/2025

🔍 Mitady fomba tsotra hahazahoana ny rindrambaiko QGIS ve ianao?
Vao haingana teo izahay dia naharay antso avy amin'ny mpandray anjara teo aloha tamin'ny fiofanana Manondroala. Izy dia nangataka ny fomba hahazahoana ny rindrambaiko QGIS fa voafafa daholo ny rakitra tao anatin'ny solosainany, anisa'izany ilay QGIS nozarain'ny Manondroala taminy nandritry ny fiofanana.

💡Faly izahay mizara ny vahaolana!
Ny QGIS dia fitaovana geospatial matanjaka sy misokatra, ary ny tsara indrindra? Maimaim-poana tanteraka izy io.

✨ Na mpianatra, na mpikaroka, na mpiasa amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ianao, dia afaka manova ny fomba fiasanao amin'ny alalan'ny fampiasana ny teknolojia vaovao toy ity fitaovana QGIS ity.
Ireto misy torolalana haingana sy tsotra hanampy anao haka sy hanomboka ny fampiasana ny QGIS am-pahazotoana.

1️⃣ Tsidiho ny Tranokala ofisialin'ny QGIS
Midira amin'ny https://qgis.org

2️⃣ Safidio ato 👉 https://download.qgis.org/downloads/ ny version QGIS izay mifanaraka amin'ny solosaina-nao 🔍

3️⃣ Ampidiro amin'ny solosainao ny rindrambaiko (Telecharger et Installer)

4️⃣ Ampiasao avy hatrany ny QGIS

📷 Sary fanehoana : Santionan'ireo versions QGIS afaka safidiana arakarak'izay mety amin'ny solosainanao.

Mirary soa,

Manondroala

Photos from Manondroala's post 14/01/2025

🔥 TEBOKAFO SY IREO FARITRA AROVANA ETO AMINTSIKA
Indro zaraina amintsika ireo tebokafo tato anatin'ny 7 andro (8 ka hatramin'ny 14 Janoary 2025 maraina) sy ireo tebokafo tato anatin'ny 24 ora.

Mankahery antsika rehetra izay miara-misalahy amin'ny famonoana afo amin'izao fotoana sarotra izao.
📸 Source: NASA FIRMS

02/01/2025

Arahabaina isika nahatratra ny Taona 2025.
Hery sy Tanjaka ary Fahasalamana hoantsika rehetra mba ahafahantsika manatanteraka ny faniriantsika.

Happy New Year 2025
More strength, power and health to everyone to fulfill our best wishes!

31/12/2024

Thank you for your contribution to . Your contribution really made a difference & we appreciate it. The team

31/12/2024

Mankasitraka anao nandray anjara tamin'ny hetsika MiaraManondroala2024. Tena nanova zavatra ny fandraisanao anjara.
Ny ekipa

20/12/2024

🏆ARCGIS FOR PERSONAL USE

Ny ArcGIS for Personal Use izay natolotra ireo mpandray anjara 4 voalohany dia tolotra avy any amin'ny ESRI izay mitentina $100 ary mirakitra ireto manaraka ireto:

👉PROFESSIONAL PLUS user type :
✅ArcGIS Pro Advanced,
✅extensions,
✅ArcGIS Online, and dozens of ready-to-use apps

👉Additional PREMIUM APPS:
✅ArcGIS Business Analyst Web App Standard
✅ArcGIS Urban Suite (includes ArcGIS CityEngine)

👉100 credits for data storage, premium data access, and geocoding and analysis

👉ArcGIS Living Atlas of the World with maps and data on thousands of topics,

👉Software updates

👉Unlimited access to self-paced e-learning through the Esri Training website

🎯ArcMap is no longer included with ArcGIS for Personal Use

19/12/2024

📣MASONTSIVANA MAP CHALLENGE MIARAMANONDROALA

🏆2024: PUBLIC VOTE 100%
Masontsivana tokana ihany no napetraka tamin'ny map challenge MiaraManondroala2024, dia izay mahazo reactions maro indrindra no misitraka ny License ArcGIS.
Niankina manontolo tamin'ny mpakafy teto amin'ny tambazotra sosialy ny safidy (Public Vote)

🏆FUTUR: PUBLIC VOTE 50% + 🏆JURY VOTE 50%
Voaray ny domberina (feed-back) avy amin'ny mpandray anjara ny amin'ny tokony hanampiana ny masontsivana momba ny kalitaon'ny sarintany.

Noho izany dia noraisina izao fanapahan-kevitra izao, AMIN'NY HOAVY dia ezahina ny hanisy masontsivana momba ny kalitaon'ny sarintany ka hisy Jury hitsara izany (Jury Vote)
Izany dia natao ho fanampin'ny masontsivana safidin'ny mpampiasa tambazotra sosialy ka lasa toy izao :
🏆Public vote : 50%
🏆Jury vote : 50%

⚠️Miankina amin'ny fandaminana eto anivon'ny Manondroala ny fahafahana manatontosa izany.

🙏Mankasitraka ny mpandray anjara rehetra nanaiky nizara amintsika ny SANGANASA TSARA INDRINDRA avy any aminy 🥰
Ny ekipa Manondroala

Want your business to be the top-listed Government Service in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Address

Antananarivo
101