20/06/2023
Faritra ANDROY
Fianakaviana marefo sy sahirana miisa 800 no nisitraka fanampiana ara-tsakafo (vary, menaka, voamaina, siramamy, ronono mandry mamy,...) omaly tao amin'ny kaominina Ambanisarika sy tao amin'ny fokontany Ekonka.
đTafiditra amin'ny fijerena ny sosialim-bahoaka izao hetsika izao ho entina hanatsarana hatrany ny ambaindain'ny fiahiana ara-tsosialy eto anivon'ny faritra ANDROY.
đ€Tanteraka izao hetsika izao dia nohon'ny fiaraha-miasa matotra ao amin'ny mpiaramiombon'antoka sy ny fanjakana malagasy amin'ny alalan'ny fiadidian'ny faritra ANDROY sy ny Minisiteran'ny mponina. Isaorana manokana ary tolorana fankasitrahana ny ONG DIRECT'AID izay mpiaramiombon'antoka mahafatra-po ary teo akaiky ny vahoakan'Androy foana nanombok'izay ka hatramin'izao
17/06/2023
â
Maro ireo TOHANA izay sitrahanâny mpandraharaha eo aminâny sehatry ny fambolena sy fiompiana.
Fototry ny fahavita-tena ara-tsakafo ary miteraka asa ireo sehatra ireo. Ny fahatsapana izany no nametrahana ny fandaharanasa :
⥠đđđđđ (Programme de Promotion de lâEntrepreneuriat pour les Jeunes dans lâAgriculture et lâAgro-industrie) : fampiofanana sy famoronana asa mendrika ho anâny tanora ahafahanâizy ireo mahaleo-tena
⥠đ
đđđđđđđđ (Programme de Formation Professionnelle et d'AmĂ©lioration de la ProductivitĂ© Agricole) : fanamafisana ny traikefanâny mpandraharaha ary fizarana fitaovana entina hampiroboroboana ny asa fiharian-karena. 640.000 no isanâny mpisitraka ankehitriny
⥠đđđđđđđđđ : fampitomboana ny vola miditra aminâireo mponina izay marefo eny aminâny tontolo ambanivohitra aminâny alalanâny fiofanana araka asa sy fampitaovana izy ireo
⥠đ
đđđđđđđđ : fampindramam-bola aminâny taha-jana-bola tsy mihoatra ny 9% ahafahanâireo mpandraharaha misandratra.
15/06/2023
TANINKETSA INDOSTRIALY AO BETAFO
Efa misokatra ho anâireo mpandraharaha liana aminâny fitantanana ny milina fanodinana ovy ho lasa âchipsâ ao Betafo ny famaliana ny Antso ho anâny tetikasa (Appel Ă projet). Manana hatraminâny 03 Jolay 2023 aminâny 4 ora hariva izy ireo aminâizany.
Ny fanehoana ny fahalianana dia alefa aminâny adiresy mailaka [email protected] sy [email protected] ary aterina an-tanana ao aminâny Biraonâny Fitalevam-paritra (DRICC) Vakinankaratra Ex-hypodrome Vatofotsy Antsirabe
14/06/2023
Velirano faha7 sy Velirano faha 9
FANDRAHARAHANA MIFOTOTRA AMINâNY SEHATRY NY FAMBOLENA
Nisokatra ny Forum B2B etsy aminâny Carlton Anosy
Anisanâny andraikitra sahaninâny MICC ny fanohanana sy fanaovana tantsoroka ny fanodinana ireo vokatra samihafa, araka ny lahateninâny Tale jeneralinâny Fampiroboroboana ny Indostria nandritra ny fanokafana ny hetsika Forum B2B tetsy aminâny Carlton Anosy omaly Talata 13 Jona 2023. Aminâny alalanâny Tetikasa toy ny Taninketsa Indostrialy sy ny PTASO no anampiany ny tantsaha ahafahana manodina ny vokany.
Nahompana aminâny fanatsarana ny tontolonâny fandraharahana, ny fampiroboroboana ny fandraharahana mifototra aminâny sehatry ny fambolena sy ny indostria mifandraika aminâizany ity andiany faharoa aminâny Forum B2B ity. Ilaina mantsy ny fametrahana paikady sahaza sy mirindra ahafahana manatanteraka ny 7 sy 9 dia ny fampiroboroboana ny indostria eny ifotony sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Distrika 16 hatreto no efa nahazo ny anjara ozinina fanodinam-bokatra anatinâny Tetikasa fametrahana ny Taninketsa Indostrialy. Hapetraka eo aminâny velaran-tany 120 ha koa ny Saha indostrialy any aminâny faritra Atsimo Andrefana. Tetikasa vatsianâny BAD vola
12/06/2023
đŽVAROTRA ANATINY
â
Hahatratra 63 000 taonina ny vokatra siramamy Ambilobe aminâity taona 2023 ity
Nanomboka ny 02 Jona lasa teo ny fisokafan'ny taom-pamokarana siramamy teo anivon'ny orinasa SUCOMA Ambilobe ka ny 05 Jona no nanomboka ny fivarotana izany amin'ireo mpamongady manerana ny Nosy.
â
Araka ny vinavina dia hahatratra 63.000 taonina ny vokatra siramamy Ambilobe amin'ity taona 2023 ity ankoatra ny siramamy Namakia izay anisan'ny mamaha ny antsasa-manilanâny filan'ny mponina amin'ny ankapobeny ary jifain'ireo mpamongady amin'ny vidiny 172.000 Ar/kitapo.
â
Nidina ifotony nanara-maso izany ny Ministera misahana ny varotra izay nahitana ny Talen'ny varotra anatiny (DCI) sy ny Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana (DRICC) any aminâny faritra DIANA. Hisy araka izany ny fanaraha-maso akaiky ny fitsinjarana izany mba ialĂ na amin'ny mety ho fanararaotana. Ampanarahana tsara ihany koa ny lalan'ny fitsinjarana na ny "circuit de distribution" izany mba iarovana ny mpanjifa.
11/06/2023
|11.06.2023|
HAZAKAZAKY NY FIRAISANKINA
đČđŹ . . . Notanterahana androany 11 jona 2023 ny hazakazaky ny firaisankina izay tafiditra ao anatin'ny fanamarihana ny fankalazana ny fetim-pirenena.
âĄïž Tonga nanome voninahitra izany ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena tamin'ny alalan'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny izay nisolotena an'Andriamatoa Minisitra AndrĂ© Haja RESAMPA, notarihan'ny Talen'ny Kabinetra eto anivon'ny Minisitera ny Colonel RALAIKOTO Hajatiana.
« MALAGASY MIRAY HINA, MADAGASIKARA MANDROSO »
© MJS, Jona 2023
10/06/2023
Nizara taratasy fifanarahana arakâasa miisa 520 ho anâireo mpampianatra eto Analamanga ho fandraisana azy ireo mpiasam-panjakana.
Nizara smartphones ho anâny talen-tsekoly ary solosaina.
Andry Rajoelina
Andry Rajoelina
10/06/2023
Hafaliana lehibe ho ahy ny nihaona indray tamin'ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron teto amin'ny Lapam-panjakan'ny ĂlysĂ©e.
Fihaonana izay natao hanamafisana bebe kokoa ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa misy eo amin'ny Madagasikara sy La Frantsa, fa indrindra niresahana tam-pirahalahiana ireo tanjona iraisana sy ireo fanamby goavana amin'ny lafiny maro, toy ny fanamafisana ny fari-dranomasin'i Madagasikara, ny fanavaozana ny paikady ankapobeny mikasika ny sidina an'habakabaka, ny ady amin'ny fiovaovan'ny toetrandro sy ny ady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimon'ny Nosy.
Deraiko manokana ny fahavononan'ny Fitondram-panjakana Frantsay hanohana sy hiombon'ezaka amin'ny fanatanterahana ny "Plan Ămergence Madagascar" sy ny fanomanana fifidianana madio sy mangarahara ary eken'ny rehetra afaka volana vitsy.
Ity ihany koa ny fotoana nahafahako naneho fiombonam-pihetseham-po amin'ny vahoaka Frantsay iray manotolo, indrindra ireo izy niharan-doza sy ny fianakavian'izy ireo, taorian'ny asa fampihorohoroana nitranga tao Annecy .
10/06/2023
ANTSO HO ANTSIKA TANORA MANIRY HANDRAHARAHA EO AMIN'NY SEHATRY NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA, ATO AMIN'NY FARITRA SOFIA
09/06/2023
FARITRA VAKINANKARATRA
Distrika faharoa nahazo Taninketsa Indostrialy i Faratsiho raha ny vaninandron'ny omaly Alakamisy 8 Jona 2023
âTsy aritro mihitsy, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy, ny tsy handeha ho aty Faratsiho ka tsy maintsy tonga ahoâ. Ny vahoaka tany an-toerana ihany koa efa niandry ny fahatongavany hanolotra ny milina hampiroboroboana ny indostria isaky ny Distrika izany. Rehefa tsy tanteraka ny fifanatrehan'ny mpikambana ao amin'ny Governemanta sy ny Solombavambahoaka teny Tsimbazaza dia nihazakazaka namonjy an'i Faratsiho ny Minisitra misahana ny fampiroboroboana ny Indostria.
Omen-danja sy manana ny anjara asany tanteraka ny kaoperativa sy ny tantsaha ao anatinâity tetikâasa ODOF ity. Vao maika manome lanja azy ireo ary mitondra fanatsarana eo aminâny asanâizy ireo ny fanavaozana ny LalĂ na misahana ny orinasa kaoperativa. Nankatoavina teo anivonâny Antenimieram-pirenena izany lalĂ na mifehy ny orinasa kaoperativa izany taminâny Talata 06 Jona lasa teo. Mamela ny kaoperativa hanondrana entana malalaka fa tsy miandry mpanelanelana intsony io LalĂ na io rehefa lany tanteraka eo anivon'ny Parlemanta.
Indostria manakaiky vahoaka no hapetraka aminâny alalanâny tetikasa ODOF ary tena indostria mipaka any aminâny mponina ifotony. Ny DistrikanâI Faratsiho dia fantatra fa mamokatra ovy manodidina ny 99 000 taonina. Ity milina natolotra ho anâny DistrikanâI Faratsiho ity dia manodina ovy hatraminâny 100 kilao isanâora ho lasa âchipsâ.
Ho mariky ny fampandrosoana maharitra sy iombonana hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria dia samy mahazo ny tombontsoany avokoa na ny tantsaha mpamboly, na ny mpandraharaha hanodina ny vokatra na ny Fanjakana
08/06/2023
08.06.2023
FITSIDIHANA NY ASA FANARENANA NY LALAM-PIRENENA FAHAENINA « RN6 »
Nanatanteraka fitsidihana faharoa ny lalam-pirenena fahaenina « RN6 » ny Minisitry ny Asa Vaventy, Kolonely ANDRIANATREHINA Ndriamihaja Livah, sy ny mpiara-dia aminy, ny fiandohanâity herinandro ity. Fotoana nahafahana nijery ifotony ny fizotry ny asa fanarenana ireo fotodrafitrasa simba taorianâny fandalovanâny rivodoza nisesisesy taminâny RN6, indrindra eo anelanelanâAmbondromamy sy Ambanja. Teboka mainty miisa 45 no amboarina aminâizany, ankoatranâny fanamboarana « dalots » miisa 20, izay vatsianâny Banky iraisam-pirenena vola, aminâny alalanâny tetikasa CERC/ PACT.
Mizotra araka ny tokony ho izy ny asa fanarenana, na misy aza ireo fanamarihana vitsivitsy nolazainâny Minisitra, na aminâny lafiny ara-teknika na aminâny resaka fanajana ny kalitao. 12 volana ny fetrandro hanatanterahana ny asa, hiandraiketanâny orinasa « ISO Cosntruction ». Vinavinaina ho vita aminâny faranâny volana novambra 2023 ny asa.
---x---x---x---x---x---x---x---x---x---x---x---x---x---x---x---x---x---x
VISITE DE CHANTIER SUR LA RN6
Une dĂ©lĂ©gation conduite par le ministre des Travaux Publics, Colonel Ndriamihaja Livah ANDRIANATREHINA, a effectuĂ© une deuxiĂšme visite de chantier sur la RN6, en dĂ©but de cette semaine. Une occasion de constater de visu lâavancement des travaux de rĂ©habilitation aprĂšs le passage des cyclones dans cette partie. Le traitement de 45 points noirs et la construction de 20 dalots entre lâaxe Ambondromamy et Ambanja constituent les principaux travaux entrepris, sur un financement de la Banque mondiale Ă travers le projet CERC/PACT.
Les travaux avancent comme il se doit, malgrĂ© quelques remarques techniques Ă©mises par le Ministre de tutelle afin dâassurer la qualitĂ© des infrastructures. La rĂ©habilitation devrait se faire en 12 mois, assurĂ©e par lâentreprise « ISO Construction ». Les travaux y affĂ©rents devraient sâachever Ă la fin novembre de cette annĂ©e, selon les prĂ©visions.
08/06/2023
[đđđđđĄ-đđđ©đđ§đ„đŹ đĄđŹ đ đđĄđđŠđđ§đ„đ]
Alarobia 7 jona 2023
Anisan'ny fampitana am-bava nankatoavina nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra notanterahina ny 7 jona 2023:
â ny hanatanterahana ireo fangatahana nataon'ny vahoakanâny distrikan'i Maroantsetra sy Mananara izay nataon'izy ireo nandritra ny dian'ny Filoham-pirenena tany an-toerana ny 3 sy 4 jona lasa teo
â ny tsy hirosoana aminâny fanaovana ny LalĂ na mifehy ny tetibolam-panjakana asiam-panitsiana ho anâny taona 2023.
â Noraisin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny volavolan-drijatenin-dalĂ na hirosoana amin'ny fananganana ny Faritra faha 24 antsoina oe "Ambotosoa" ahitana ny distrikan'i Maroantsetra sy Mananara Avaratra
Afaka tsidihina amin'ity rohy manaraka ity, ny andinindinin'izany tatitry ny Filan-kevitry ny Minisitra ny datinâny 7 jona 2023 izany:
đ https://www.presidence.gov.mg/actualites/conseil-des-ministres.html