01/06/2026
๐ยซNy teny malagasy any anaty tambajotraยป
ยซ Ny voambolana malagasy fady sy azo teneninaยป , manodidina ireo lohahevitra ireo no takalo am-pamoloana hiarahantsika amin'ny Famoloana telozoro ny alarobia 3 jona 2026 amin'ny 2 ora sy sasany eto amin'ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara - BNM.
Hetsika ao anatin'ny fankalazana ny iray volan'ny teny malagasy.
Tongava maro hanandratra avo ny teny malagasy.
29/05/2026
ยซ Masoandro amam-bolanaยป, boky amboaran-tononkalo nolalaovina an-tsehatra tamin'ny endrika teatra poetika niarahana tamin'ny tropy randrana , ny alarobia 27 mey 2027 teto amin'ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara - BNM . Ny fifandraisan'ny Ray aman-dreny sy ny zanaka moa no lohahevitra lehibe ampitain'i Ny Tsiaro ao anatin'ity asa sorany ity.
Miavaka ity boky tononkalo ity satria tsotra dia tsotra ny voambolana ampiasain'ny mpanoratra dia mazava sy mipaka tsara ny hafatra tiana ampitaina ka na andro tsy fiasana aza ny 27 mey dia tsy nahasakana ny mpankafy fa tonga maro izy ireo nanatrika ny hetsika.
Afaka fotoana fohy dia azo vakiana eto amin'ny Tranombokim-pirenena ny boky ยซMasoandro amam-bolanaยป.
28/05/2026
Notanterahina ny 21 sy 22 mey teo teto aminโny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara - BNM ny fiofanana mahakasika " ny fomba fanentanana mahomby any anaty tranomboky" nataonโireo mpitantana tranomboky avy ao aminโny vondrona BMA na Boky Manantona ny Ankizy sy avy ao aminโny CGM (Centre Germano-Malagasy). Mpiofana 8 mianadahy no nisitraka izany fiofanana izany.
Taminโny famaranana ny fotoana dia notolorana ny Taratasy fanamarinana ny fandraisana anjara taminโny fiofanana izy ireo ka ny Tale jeneralinโny Tranombokim-pirenena, Andriamatoa RAVONIARISON Liva Noรซl no nanolotra izany sy naneho ny teny fisaorana ary nanamafy mahakasika ny fahavononanโny Minisitera, aminโny alalanโny Tranobomkim-pirenena, aminโny fiaraha-miasa rehetra mahasika ny tontolon'ny boky sy ny vaky boky.
Ampatsiahivina fa araky ny didim-panjakana laharana faha-2020-164 taminโny 19 febroary 2020 izay mametraka ny rafitra sy fandaharanโasanโny Tranombokim-pirenena, ao aminโny andininy faha 27, dia anjaranโity departemanta ity no miandraikitra ny fandrindrana, ny fanarahamaso, ny fanaovana tombanโezaka ireo sehatrasa mifandray aminโny fampandrosoana ny vakimbokim-bahoaka sy ny hetsika ara-kolontsaina eto Madagasikara. Anisanโ izany ny fampiroboroboana sy fandaminana ireo lahatrasam-panofanana ho anโireo mpiasanโny tranomboky momba ny vakimbokim-bahoaka sy ny fanentanana ara-kolontsaina.
21/05/2026
๐ญ Hianoka teatra poetika sy fampahafantarana boky indray isika ny alarobia 27 mey 2026 amin'ny 2 ora sy 30 minitra folakandro eto amin'ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara - BNM Anosy- efitrano DOX.
Tongava maro tompoko fa maimaim-poana ny hetsika.
19/05/2026
https://www.facebook.com/share/p/1FJiXoTSrF/
๐ข ๐ฅ๐๐ก๐๐ข๐ก๐ง๐ฅ๐-๐ฬ๐๐๐๐ก๐๐๐ฆ ๐๐๐ฆ ยซ ๐ง๐ข๐๐ข ๐ง๐๐๐ข ยป ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ถ๐ฎ๐ป๐ ๐ณ๐ฎ๐ต๐ฎ-4, izay karakarain'ny CIDST, miaraka amin'ny CNRIT sy ny Alliance AIKA.
๐ก Fantatrao ve fa ny fako plastika dia azo avadika ho biriky na pavรฉ?
Fantatrao ve fa ny fako organika dia azo atao compost na biogaz?
๐๐ ๐ต๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐
๐๐๐๐๐, ๐๐๐๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ฐ๐ฐ
๐ Manasa anao ary ho tonga hanatrika ny famelabelaran-kevitra sy fifanakalozana momba ny fitantanana sy ny fanodinana ny fako organika sy plastika eto Madagascar!
๐
Ny alarobia 20 May 2026 amin'ny 08h30
๐ ๐๐จ ๐๐ฆ๐ข๐ง'๐ง๐ฒ ๐๐ซ๐๐ง๐จ๐ฆ๐๐จ๐ค๐ข๐ฆ-๐ฉ๐ข๐ซ๐๐ง๐๐ง๐ ๐๐ง๐จ๐ฌ๐ฒ, ๐๐ง๐ญ๐๐ง๐๐ง๐๐ซ๐ข๐ฏ๐จ
๐๏ธ ๐ณ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐
๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐'๐๐๐๐๐:
โ
Lohahevitra 1 โ Ny fako plastika: azo avadika ho pavรฉ autobloquant!
โ
Lohahevitra 2 โ Traikefa sy fahaizan'ny CNRIT amin'ny fitantanana ny fako organika fermentescible
โ
Lohahevitra 3 โ Fiantraikan'ny fanodinana ny plastika amin'ny tontolo iainana
โ
Lohahevitra 4 โ Ny fananana ara-tsaina (propriรฉtรฉ intellectuelle) ho fampandrosoana an'i Madagasikara
โผ๏ธโค๐๐๐โค ๐๐๐๐ โค๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐๐โค
๐ 038 17 409 52 / 034 25 224 56
18/05/2026
ยซ I MIANGALINDRANOยป : angano ho lalaovina an-tsehatra.
๐ Ny alarobia 20 Mey 2026 eto amin'ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara - BNM, Efitrano DOX amin'ny 20ra sy sasany tolakandro.
Hetsika ao anatin'ny fankalazana ny faha 100 taona nahaterahan'i Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana:
15/05/2026
Velakevitra miavaka amin'ny mahazatra no niarahana tamin'ireo mpanoratra roa andrarezin'ny literatiora sy ny soratra, ny alarobia 13 mey 2026 teto amin'ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara - BNM Anosy.
Hetsika izay teo ambany fitarihan'ny Tale jeneraliny RAVOARISON Liva Noรซl ary notronin'ireo tale sy mpikambana eto amin'ny kabinetran'ny Minisitera, ireo mpanoratra maro, sy akedemisianina.
Tena feno sady nahaliana no namelabelaran'ireo mpanao velakevitra mirahalahy ireo lohahevitra roa samihafa.
Tao anatin'ny tapany voalohany no nitondran-dRANJATOHERY Harilala ny lohahevitra "Tantara lafiky ny tantara".
Tamin'ny tapany faharoa kosa no namelabelaran'i RANรE ny atao hoe " Poezia...?"
Marihana fa izy roalahy nitondra ny velakevitra dia samy akademisianina avokoa.
Ity hetsika ity moa dia anisan'ireo hetsika hiarahan'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina amin'ny alalan'ny Tranombokim-pirenena sy ny fikambanana Faribolana Sandratra isaky ny alarobia faharoa amin'ny Volana.
12/05/2026
TSIAHY NY HETSIKA 13 MEY 1972
Fampirantiana an-tsary
ao @ TRANO SARY Ambohidahy
Tsy misy vidim-pidirana