03/09/2026
🇲🇬SIAP : "DINIKA ARA-POLITIKA SY FIOMANANA AMIN'NY FIFIDIANANA".
Nandray anjara tamin’ny dinika fakan-kevitra momba ny fanomanana ny fifidianana, izay notarihin’ny Kolonely Michaël RANDRIANIRINA (Filohan'ny Fanavaozana) teny Iavoloha, ireo Antoko politika mpikambana ao amin’ny SIAP.
Ireto avy ireo teboka lehibe nivoitra nandritra ity fihaonana ity:
🔹 Ny Fahatokisana no fototra : Nivohitra nandritra ny fihaonana fa ny fahombiazan’ny fifidianana dia miankina indrindra amin’ny fahatokisan'ny vahoaka mpifidy sy ny mpanao politika mirotsaka ho fidiana amin’ireo rafi-panjakana mikarakara izany.
🔹 Sosokevitra sy ahiahy nivoitra :
• Ny ahiahy manoloana ny lisitry ny mpifidy sy ny fanendrena ireo sefom-pokontany.
• Ny fanafainganana ny fisoratana anarana biometrika ho amin’ny fifidianana elektronika.
• Ny fampifanarahana ny datim-pifidianana (jumelage de certaines élections).
• Ny fampandraisana anjara an'ireo am-pielezana (diaspora malagasy monina any ivelany).
🔹 Ireo hevitra nivoitra: Ny mety ho fanemorana ny fifidianana filoham-pirenena noho ireo dingana maro mbola tsy maintsy lalovana, toy ny fitsapakevibahoaka (référendum) na ny fifidianana ny lalàm-panorenana (élection constitutionnelle) miaraka amin'ny fanavaozana ireo rafitra sy lalàna momba ny fifidianana.
🔹 Fahavononan'ny SIAP : Vonona hatrany ny SIAP hanohy sy handray anjara amin'ny dinika tahaka izao. Nanolotra ihany koa izy ireo ny fehin-kevitra (mémorandum d'accord et d'engagement politique) ho vahaolana amin'ny krizy sy hisorohana ny fiverimberenan'izany eto amin'ny firenena.
------------------------------------
🇨🇵SIAP : "DIALOGUE POLITIQUE ET PRÉPARATION DES ÉLECTIONS".
Les partis politiques membres du SIAP ont participé aux consultations relatives à la préparation des élections, dirigées par le Colonel Michaël RANDRIANIRINA (Président de la Refondation) à Iavoloha.
Les principaux points qui se sont dégagés de cette rencontre sont les suivants :
🔹 La confiance comme socle : Il a été souligné durant la réunion que la réussite des électorats repose essentiellement sur la confiance des électeurs et des acteurs politiques candidats envers les institutions étatiques chargées de leur organisation.
🔹 Propositions et préoccupations soulevées :
• L'inquiétude face à la liste électorale et à la nomination des chefs Fokontany.
• L'accélération de l'inscription biométrique en vue d'un vote électronique.
• Le couplage de certaines élections (ajustement des dates de scrutin).
• L'implication de la diaspora malgache résidant à l'étranger.
🔹 Les élections: Le sujet qui a alimenté les discussions est l'éventualité d'un report de l'élection présidentielle, en raison des nombreuses étapes incontournables restant à franchir, telles qu'un référendum ou une élection constitutionnelle, combinées à la réforme des structures et des lois électorales.
🔹 Détermination du SIAP : Le SIAP demeure résolu à poursuivre et à participer activement à ce type de dialogue. Il a également soumis un mémorandum d'accord et d'engagement politique, présenté comme une solution de sortie de crise et un moyen de prévenir la récurrence de telles situations dans le pays.
Photos: Présidence