24/05/2026
🕊️ Ny Kaominina Ambohimangakely eo Ambany fitarihan'i Atoa Ben'ny tanàna Dr NAINA sy ny Mpanolotsaina Ary mpiara miasa rehetra, dia mirary fety sambatra sy feno fitahian’ny Fanahy Masina ho an’ny Vahoaka rehetra amin’izao fankalazana ny Pentecôte izao. ✨
Enga anie izao andro masina izao hitondra: 🙏 Fandriampahalemana
❤️ Firaisankina
🤝 Fifankatiavana
🌟 ary fanantenana vaovao ho an’ny rehetra.
Mirary fety milamina sy mahafinaritra ho an’ny isan-tokantrano rehetra . 🕊️
“Ho ao anie ny fahasoavana sy ny fitahian’Andriamanitra amin’ny fiainantsika rehetra.” ✨
Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy
20/05/2026
📢🚧 Kaominina Ambohimangakely miasa ho anao 🚧📢
Ampahafantarinay antsika rehetra fa manomboka ny Alakamisy 21 Mai 2026 dia ho tapaka ny lalana eo Alatsinainy FKT Betsizaraina, mampitohy ny FKT Antanetibe Ikianja. 👷♂️🛣️
🕢 Ora fanakatonana :
➡️ Manomboka amin’ny 7 ora sy sasany maraina
➡️ Hatramin’ny 5 ora hariva
🚗🏍️ Rehefa amin’ny 5 ora hariva dia afaka mandalo indray ny fiara sy moto , hatramin'ny 07ora sasany maraina .
🚫 Tsy afaka mandalo sy mandeha ny sarety.
📅 mitoetra isanandro izany ny fanapahana ny lalana, mandra-pahavitan’ny asa, ary tsy miova ireo ora voalaza etsy ambony.
🔁 Lalana déviation :
➡️ Antanetibe Ikianja
➡️ mihazo an’i Ambohitrombihavana
➡️ tonga any Ambodivoara
🛣️ Lalana mbola azo andehanana tsara.
🙏 Manao fialantsiny amin’ny fanelingelenana aterak’izao asa fanamboaran-dalana izao ny Kaominina Ambohimangakely.
🤝 Mankasitraka antsika rehetra manaraka ny fandaminana.
Commune Ambohimangakely Ofisialy
20/05/2026
🔥🎉 **FETY BE AO MADAGASCAR ESPACE – AMBOHIMANGAKELY** 🎉🔥
Vonona ve ianareo hanao Pentekôty tsy hay hadinoina? 😍
Tonga eto indray ny hetsika goavana sy fety manetriketrika izay hampiaina ambiance tsy manam-paharoa mandritra ny andro maromaro! ✨
📅 **23 – 24 – 25 – 26 – 27 Mai 2026**
📍 **MADAGASCAR ESPACE – Route By-pass Ambohimangakely**
🌟 Hanafana ny sehatra :
🎤 **OMAR “ZIPETY” sy ny mpandihiny**
🎶 DJ – Orchestre – Karaoké – Discothèque
💃 Zumba sy animation isan-karazany
🏊 Piscine – Tobbogan – Basket Espace – Foot à 7
🎡 Jeux divers ho an’ny ankizy sy ny lehibe
🔥 Andro fialamboly, fifaliana ary fiarahana amin’ny fianakaviana sy namana no miandry antsika rehetra!
17/05/2026
👉Tonga naka an'i SANDRO ny fianakaviany rehefa nahita n'y filazana teto .
Misaotra antsika rehetra nizara 🙏 Mankasitraka e !
Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy
17/05/2026
🚨 ZAZA VERY 🚨
Nisy zaza very hita teny Ambodivoara, nifanary tamin’ny zokiny, ary nisy olona tsara sitrapo nanatitra azy eto amin’ny Birao Kaominina Ambohimangakely. 🙏
👦 SANDRO no anarany
📌 Manodidina ny 4 na 5 taona eo izy
👨 Ndalana Ono no anarany rainy
👩 Raneny no anarany reniny
👦 Stéphane no anarany zokiny
🏠 Nilaza izy fa any amin’ny toerana atao hoe Mahatsinjo Ono no mipetraka. Saingy maro ny toerana mitondra ny anarana hoe “Mahatsinjo”, ka tsy fantatra mazava hoe aiza marina izy no tokony haterina.
📢 Koa miangavy izay mahafantatra ny fianakaviany mba hampandre azy ireo haingana.
📍 Eto amin’ny Birao Kaominina Ambohimangakely no hakana azy.
Mba zarao ho hitan'ny fianakaviany 🙏
📞 Fifandraisana : 034 76 356 27 ☎️
Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy
16/05/2026
fans
Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy
🚨 Filazana sy Fampahafantarana Maika 🚨
🕊️Lehilahy iray sahabo ho 38 taona no nisy nahita nianjerazera teny amin’ny Rocade Iarivo tamin’ny alina 🌙. Nentin’ireo olona nahita azy haingana tany amin’ny Hopitaly Manarapenitra Ambohimangakely (CHRD) 🏥.
Rehefa nozahana dia hita fa mamo tafahoatra izy ka tsy nahatsiaro tena intsony 😔. Niezaka nanao izay rehetra azo natao ny mpitsabo 👨⚕️👩⚕️ mba hamonjena ny ainy, saingy indrisy fa tsy tana izy 🙏🕊️
Tsy nahitana taratasy na mombamomba azy teny aminy, ary mbola tsy fantatra ihany koa ny fianakaviany 🆔❌
Koa raha misy mahafantatra ity lehilahy ity na ny fianakaviany dia ampandrenesoina fa ao amin’ny Hopitaly Manarapenitra Ambohimangakely (CHRD) no misy ny razana 🏥🙏
🙏 Mialà tsiny amin’ny sary napetraka fa io ihany no fomba ahafahana manampy amin’ny fitadiavana ny fianakaviany na ireo havany akaiky 📸👨👩👧👦
©️Dokadokan'Ambohimangakely
15/05/2026
📢🔔 **FANAMBARANA HO AN’NY MPONINA REHETRA** 🔔📢
Ny fanaovana **kopia eto anivon’ny Kaominina Ambohimangakely** dia **1.000 Ar ny sarany** 💵📄
Koa raha misy olona mitaky vola mihoatra noho izany aminareo mandritra ny fanavaozana kopia dia manatòna avy hatrany ireto birao ireto :
🚪 Porte 11
🚪 Porte 13
🚪 Porte 14
🚪 Porte 15
🚪 Porte 18
🔒 Voatazona ho tsiambaratelo tanteraka ny momba anao.
✊ Sahia mitoroka mba hiarovana ny zon’ny rehetra.
Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy
13/05/2026
📚✨ FAMOAHANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY BOKY NATAON’IREO MPIANATRA T5 AO AMIN’NY EPP TSARAHASINA ✨📚
Notanterahina tamim-pomba ofisialy ny famoahana ny boky nosoratan’ireo mpianatra kilasy T5 ao amin’ny EPP TSARAHASINA 📖👏.
Navoaka sy nokarakaraina manokana izany noho ny fanohanan’i Mme Sylvia RANDRIANJOHANY, izay tsara sitrapo sy manampy hatrany ny EPP TSARAHASINA 🙏. Rehefa voarindra sy voakaly tsara ilay boky dia natolotra indray ho an’ireo ankizy namorona azy, ka tena nahafinaritra sy nahafaly ny rehetra izany .
Tonga nanome voninahitra ny fotoana ihany koa ny solontenan’Atoa Ben’ny Tanàna Dr NAINA, notarihin’Atoa Lefitra Voalohany sy ireo mpiara-miasa aminy 🤝🇲🇬.
Nanatrika ny lanonana ihany koa ny:
👨💼 Chef CISCO
👨💼 Chef ZAP
👨💼 Solontenan’ny DREN
👨💼 Chef Fokontany
👨👩👧👦 Ray aman-drenin’ny mpianatra
👩🏫 Mpampianatra
🎓 Ary ireo mpianatra
Nanambara ny Chef CISCO fa hanolotra fitaovana entina hanaovana ny fanadinana CEPE ho an’ireo mpianatra EPP TSARAHASINA izy ✍️📚.
Nambaràn’Atoa Lefitra Voalohany tao anatin’ny lahateniny ihany koa fa misy ny vina sy ezaka hampiakarana ny trano fianarana EPP TSARAHASINA 📈🏫. satria efa tery ny toerana ka tsy misy intsony ny hanitarana ity Sekoly ity , nefa efa miha betsaka ny Mponina ary miha maro ireo ankizy mila mianatra sy
Isaorana manokana i Mme Sylvia RANDRIANJOHANY noho ireo asa lehibe efa vitany ho an’ny sekoly sy ny mpianatra 🙏✨ : 🏫 Fanamboarana sy fanatsarana ny trano fianarana
💻 Fanomezana “ordinateur” sy “imprimante” ho ampiasain’ny Tale
📚 Fanohanana amin’ny sehatra maro ho fampandrosoana ny mpianatra
👏 Mankasitraka sy mankasitraka ireo rehetra nandray anjara sy nanohana izao hetsika mendrika izao. Mirary fahombiazana hatrany ho an’ny EPP TSARAHASINA sy ireo mpianatra rehetra 🌟📖
fans
Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy