Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena Ofisialy

Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena Ofisialy

Share

Page Officielle du Ministère de l'Education Nationale de Madagascar

Photos from Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena Ofisialy's post 26/03/2026

✳️✳️Nizotra am-pilaminana ny lanonana famindram-pitantanana teo amin'ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha Dr HANITRINIAINA Elys Karena, sy ny Minisitra vaovao, Ramatoa RAJAONARISON Sendra Nirina, ny alakamisy 26 martsa 2026.

▶️Nandritra izany, naneho ny fahavononany amin'ny fanoloran-tena hampandroso ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara Ramatoa Minisitra vaovao.

▶️Nanamafy ihany koa izy amin'ny fanohizana ny "protocole d'accord", ary naneho fankasitrahana ny zava-bitan'ny Minisitra teo aloha.

▶️Nanatitra fisaorana ihany koa ny Minisitra teo aloha, ary nirary soa amin'ny adidy sy andraikitra hanatsarana ny hoavin'ny Zaza Malagasy.

UCOM MEN/ Martsa 2026

26/03/2026

Famindram-pitantanana teo amin'ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha Dr HANITRINIAINA Elys Karena, sy ny Minisitra vaovao Ramatoa RAJAONARISON Sendra Nirina.

26/03/2026

📢 📢 📢 Hotanterahina anio, Alakamisy 26 martsa 2026 amin'ny 11 ora sy sasany atoandro, ao amin'ny "salle VIP" (MEN/Anosy), ny lanonana famindram-pahefana eo amin'ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha, Dr HANITRINIAINA Elis Karena, sy ny Minisitra vaovao, Ramatoa RAJAONARISON Sendra Nirina.

UCOM MEN/ Martsa 2026

25/03/2026

Ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena dia miarahaba an-dRamatoa RAJAONARISON Sendra Nirina, voatendry ho mpikambana vaovao mandrafitra ny Governemanta.

Photos from Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena Ofisialy's post 25/03/2026

Le Ministère de l'Education Nationale (MEN) organise le deuxième recrutement de 211 postes vacants sur les 1.000 prévus pour les enseignants issus des Écoles Normales Supérieures (ENS) de l'enseignement général

Photos from Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena Ofisialy's post 23/03/2026

✳️✳️Anisan'ny tanjona lehibe ny fanomanana ny ankizy hiatrika ny fanamby hateraky ny fandrosoana lovainjafy sy ny fiovan'ny tontolo iainana.

▶️Nisy arak'izany ny atrikasa iraisan'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena (MEN) sy ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), mikendry ny hamolavola paikady momba ny fanabeazana ho amin'ny fandrosoana lovainjafy, izay notanterahina teto Antananarivo ny alatsinainy 23 martsa 2026.

▶️Fanatsarana fomba fiasa ahazoana vokatra miantefa mivantana eny ifotony no tanjona amin'izany.

▶️Nanokatra ny atrikasa tamin'ny fomba ofisialy ny Tale misahana ny fampianarana ambaratonga faharoa (DES/MEN), Andriamatoa RANDRIANAIVO Aimé Nicolas Emilson.

UCOM MEN/ Martsa 2026

Photos from Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena Ofisialy's post 19/03/2026

✳️✳️Nanome haja sy voninahitra ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy tao amin’ny Lisea Rabearivelo Antananarivo, ny alakamisy 19 martsa 2026, ny ekipan'ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena izay nosoloin'ireo Tale vitsivitsy eto amin'ny Minisitera foibe sy ny talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Analamanga ary ireo tompon'andraikitra hafa.

▶️Ny fanabeazana dia tsy any an-tsekoly ihany fa beazina ihany koa ny mpianatra ho tia ny maha-Malagasy.

▶️ Nisy ny dihy mampiseho ireo faritra rehetra eto Madagasikara nataon'ireo mpianatra sy mpanabe tao amin'ity sekoly ity, nentina indrindra nanamarihana ny fankalazana ankoatra ny fiaraha-misakafo.
ANALAMANGA
UCOM MEN/Martsa 2026

Photos from Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena Ofisialy's post 18/03/2026

✳️✳️Nanao fanambarana miaraka mahakasika ny fanomanana ny fanadinam-panjakana Bakalorea 2026 teny Tsimbazaza ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa; ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena ary ny Minisiteran'ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak'Asa ny alarobia 18 martsa 2026.

▶️Nampatsiahivina tamin'izany fa ny daty faran'ny fisoratana anarana amin'ny fanadinana Bakalorea 2026 dia tapitra ny zoma 27 martsa 2026 ary tsy misy fanemorana.

▶️Koa manentana ny sekoly rehetra mbola tsy nahafeno mba hanao izany mialohan'ny daty voatondro.

▶️Manentana ireo tompon'andraikitry ny DREN sy ny CISCO ary ny tompon'andraikitra rehetra voakasika eny ifotony mba hanara-maso ny fisoratana anaran'ireo mpianatra mba tena mpianatra voasoratra anarana eny anivon'ny sekoly nanomboka ny fiandohan'ny taom-pianarana no hiatrika izany fanadinana izany.

▶️Entanina ireo mpianatra sy ny ray aman-dreny mba ho mailo amin'izay mety ho fisolokiana indrindra fa ireo sekoly sasany mampanao "cours"

▶️Ny hosoka rehetra amin'ny fikarakarana fanadinana dia mahavoasazy koa manentana ny rehetra mba tsy ho voasarika amin'ny fandikan-dalàna, sy hahasahy hitorika ho an'izay mahita an'izany.

UCOM MEN Martsa 2026

18/03/2026

Valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety, mikasika ny fanadinam-panjakana bakalorea taona 2026.

18/03/2026

Fanamarihana ny fahatsiarovana ny
𝐓𝐨𝐥𝐨𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐟𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝟐𝟗 𝐦𝐚𝐫𝐭𝐬𝐚 𝟏𝟗𝟒𝟕

Photos from Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena Ofisialy's post 17/03/2026
Want your business to be the top-listed Government Service in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Address

ANOSY Trano Boribory
Antananarivo
101