04/06/2026
04 juin 2026 | Master Pétanque 2026.
Namiratra ny "Étoiles du Sud".
Ny Ekipa misy an'i Yves sy Zigle no nandresy tamin'ny dingana voalohany ho an'ny fifaninanana Master Pétanque natao tao Romans sur Isère.
Endrika fiaraha-miasa mahomby eo amin'ny samy Afrikanina ity.
Samy mitondra ny talentany fa Tanjona tokana mandrombaka ny amboara.
04/06/2026
03 jona 2026 | Varsovie, tompondaka eran-tany Basket 3x3.
✊ Mitohy ny dian'ny Ankoay lehilahy ary tafiakatra amin'ny "play-in".
Valin'ny ezaka maro sosona sy dingana efa nolalovan'ny Ankoay izao vokatra izao ary inoantsika fa hiakatra hatrany ny lentan'ny zava-bitan'izy ireo.
.
03/06/2026
03 jona 2026 | Beroroha.
Mifanolo-tanana amin'ny Fitondrana miaraka amin'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny ny Filoha lefitry ny Soja Fulgence hijerena manokana ny olana mianjady amin'ireo zaza manana toetena Varira.
Misy ny fihainona ireo mponina eny an-toerana ary ny Fitondrana dia efa manao ezaka ny hametrahana vahaolana maika hiarovana azy ireo.
03/06/2026
✊Ankasitrahana ny fahasahiana asehon'ny fitondrana amin'ny fanafohanana ireo fifanarahana tsy mahomby sy mamono antoka ny JIRAMA, ka miteraka olana miantraika mafy aty amin'ny Malagasy mpanjifa.
✅Mety ny fandraisana andraikatra ataon'ny Fitondrana mividy mivantana "Groupes" ho entina mamaha ny olan'ny Jiro any Antsiranana.
✅ Tohizo ny ezaka fa mbola maro izy ao no mila ialàna fa mamono antsika. Ny dia manohana tanteraka ny ezaka Fanavaozana rehetra hitondra tombotsoa ho an'ny vahoaka maro an'isa.
02/06/2026
👉 Vahinin’i Mendrika RAZAFINDRATSIMA anatin’ny Fandaharana L'INVITÉ DU JOUR anio Talata 2 Jona 2026 amin’ny 9 ora alina,
- SOJA RAMIANDRISOA Fulgence
Filoha Nasionalin'ny Fikambanana Albinos Madagascar / Filoha lefitra Faritany Mahajanga
📺 sur REAL TV MADAGASIKARA - REAL 94 FM - CANAL + REAL TV MADAGASIKARA (canal 8 / 211) - PEJY YOUTUBE REAL TV MADAGASIKARA OFISIALY - PEJY FACEBOOK REAL TV MADAGASIKARA🗞️🆕
01/06/2026
✊ Ho vahinin'ny fandaharana Zara Hevitra ny Alatsinainy 01 Jona 2026: Andriamatoa Soja Fulgence - Filohan'ny fikambanana Albinos Madagascar/ Filoha lefitry ny Faritany Mahajanga.
📻 Hivantana eto amin'ny pejy👉 Info Culture Media 2.0 - FM 104.8 sy ny Onjam-peo 104.8 Fm amin'ny 12h15 atoandro
01/06/2026
Ampy izay!
Basy Eky zalahy e!
Ry tompon'andraikitra mpiaro ny zon'olombelona.
Ry tompon'andraikitry ny minisiteran'ny mponina.
Ry tompon'andraikitry ny fitandrona ny filaminana.
Ry tompon'andraikitry ny Fitsarana.
Raiso ny andraikitra fa efa loza mihatra amin'ny maha olona izao miseho izao.
Tsy ampy ny kabary sy fitserana fa fandraisana andraikitra feno no andrasan'ny vahoaka aminareo, indrindra fa ny ray aman-drenin'ireo zaza ireo.
Ny dia miray fo sy mijoro eo anilan'ireo olona manana toetena Varira, ary maneho ny fahavononany fa hanolo-tanana amin'ny fomba rehetra hamahana io olana io.