AN TA FA - Antenimieran'ny Tanora hoan'ny Fanorenana sy ny Fahaleovantena

AN TA FA - Antenimieran'ny Tanora hoan'ny Fanorenana sy ny Fahaleovantena

Share

Fikambanana hivondronan'ireo Tanora mpitolona rehetra ( Gen Z , Gen Y , Fikambanany Tanora rehetra manerana an'i MADAGASCAR) ✊✊💪💪🤝🤝

25/03/2026
Photos from Onitiana Realy Officiel's post 25/03/2026

👏👏👏🤝🤝🤝

Photos from AN TA FA - Antenimieran'ny Tanora hoan'ny Fanorenana sy ny Fahaleovantena 's post 25/03/2026

TSIAHY HOAN'NY AN TA FA - Antenimieran'ny Tanora hoan'ny Fanorenana sy ny Fahaleovantena

25/03/2026

🚨🚨 Nivoaka androany ny didin’ny Fitsarana Avo momban'ny Lalam-panorenana, mahakasika ny fanalàna an'ireo Solombavambahoaka miisa 5 tsy ho Solombavambahoaka intsony :

-Lalao Rahantanirina, avy ao Mahajanga I.
-Jocelyne Rahelihanta, avy ao Antsiranana I
-Roberto Tinoka, avy any Toliary I.
-Princia Soafilira, any Analalava.
-Ahmad Ahmad, avy any Mitsinjo.

Ny tsy fanatrehana fivoriana tsy nisy fampilazana no antony nanalana azy ireo tsy ho Solombavambahoaka intsony raha ny voalazan'ny didy ka raisiny ho toy nanala tena izy ireo.

Photos from AN TA FA - Antenimieran'ny Tanora hoan'ny Fanorenana sy ny Fahaleovantena 's post 25/03/2026

🚨🚨 FANAMBARANA OFISIALY – 💥💥

Izahay AN TA FA - Antenimieran'ny Tanora hoan'ny Fanorenana sy ny Fahaleovantena sehatra itambaran'ny Tanora mpitolona (GEN Z, GEN Y, GEN X ary ireo fikambanana Tanora manerana an’i Madagasikara), dia manao izao fanambarana izao:

🎯 Voalohany, tsy miditra amin’ireo ady politika sy “scandales” miseho ankehitriny izahay. Mazava ny iraka sy vina entinay (araka ny efa hitantsika sy dradrainay atrizay na teny ankianja na teto amin’ny pejy ).

➡️ Ny ady politika dia anjaran’ny mpanao politika,
➡️ Ny kolikoly kosa misy rafitra sy andrim-panjakana miandraikitra izany.

🎯 Faharoa, mbola mifantoka tanteraka amin’ny fanatanterahana ny iraka sy ny fanorenana ny hoavy izahay.

Amin’izao ankatoky ny fanendrena Governemanta vaovao izao dia:
✔️ Ilaina ny fitoniana ho an’ny firenena,
✔️ Tokony hisy ny fanohanana ny Praiminisitra amin’ny safidy olona mendrika hapetraka amin’ny toerana,
✔️ Ary koa ny fanampiana an’i Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM hisafidy ireo minisitra tena mahay sy mendrika.

👉 Zava-dehibe aminay ny fisian’ny andraikitry ny Tanora ao anatin’izany rafitra izany, satria efa nandray anjara mavitrika tamin’ny tolona sy fanavaozana izahay.
Vondrona Antoky ny Tolona ho an'ny Olom-pirenena - VATO
GEN Y Madagascar
Gen Z Madagasikara Ofisialy
GEN Y Madagascar Ofisialy
Assedu -Mada

🎯 Fahatelo, ny tombontsoam-pirenena no laharam-pahamehanay, fa tsy ny firotsahana amin’ny ady politika na fanarahana resaka tsy mitondra vahaolana ( ireto scandale gauche à droite ireto , Ary ireo kalikajy politique, sy karazana ireto ampamoka izay samy manao ny azy izao )

🎯 Farany, manamafy ny firaisankina amin’ireo Tanora any Toamasina ( ANTAFA-Province Toamasina Gen Z Atsinanana Génération Y Sihanaka ) izahay, izay mbola iharan’ny voka-dratsin’ny rivodoza GEZANI:
➡️ Mbola maro no traboina, very fananana, ary simba ny fivelomana.

📢 🚨 Miantso ny Fanjakana izahay mba hijery akaiky sy hanohana manokana:
👉 ireo Tanora, indrindra fa ireo Tanora mpandraharaha izay mbola tsy nahazo fanampiana hatramin’izao.

🤝 Mitohy ny tolona, mitohy ny fanorenana.
Ho an’i Madagasikara, ho an’ny hoavy.
ANTAFA-Province Antananarivo
ANTAFA-Province Mahajanga
ANTAFA-Province Fianarantsoa
Antafa Province Diégo
Antafa Faritra Vatovavy
ANTAFA-Ambilobe Officiel
ANTAFA-Région Ambatosoa
ANTAFA-Toamasina II
ANTAFA-Région Betsiboka

25/03/2026

🔥❗️ Tsy azo ekena ny fiarahamitantana amin’ny olona mpamotika sy efa namotika ny firenena hoy ny Jeneraly Ramakavelo❗️🔥

📌 Tsy azo ekena ny fangatahana nataon’ny SADC sy ny Fondrona Afrikanina mahakasika ny fiarahamitantana hoy ny jeneraly Ramakavelo Désiré androany.

📌 Fotoana izao tokony hanovana sy hanadiovana raha ny nambarany.

_________________________

📌 Misy ny samy firaisankiana eo amin’ny tafika manaloana ireo fanambarana na tamin’ny cosofam izay milaza ny raharaha tsy mety eto amin’ny Firenena hoy hatrany ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

25/03/2026

Nahazon fanasa avy amin’ny vondron'ny afrikana handray anjara amin’ny fivorina antapony atao an'i Guinee ny filoham-panjakana i colonel Michael Randrianiriana izay hitarika ny delegasiona Malagasy

Want your business to be the top-listed Government Service in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address

Antananarivo
101