02/06/2026
🎤🇲🇬 ANTEHIROKA MANANA TALENTA ? 🇲🇬🎤
Ho fanamarihana ny Fetim-pirenena 2026, ny Kaominina Antehiroka dia manasa ireo rehetra manan-talenta amin’ny hira mba handray anjara amin’ny fanafana ny Podium Goavana mandritra ny fankalazana. Ny 23 sy 26 jona 2026
🎶 Na mpihira solo ianao, na duo, na groupe, tongava haneho ny talentanao ary hiara-hifaly 🎉.
✨ Fotoana izao hampisehoana fa feno talenta sy kanto ny eto Antehiroka.
✨ Sehatra misokatra ho an’ny rehetra. ✨ Andao hiara-hampirehitra ny lanonana sy hampiakatra ny voninahitr’i Antehiroka.
📌 Fisoratana anarana dieny izao : 📞 034 66 260 78 📞 034 87 193 07
🏢 Na manatona mivantana ny biraon’ny Kaominina Antehiroka.
🔥 Aza afenina ny talentanao, tongava ary raiso ny sehatra !
🇲🇬🎶✨
02/06/2026
🇲🇬 FANAVAOZANA HO AN’NY FANDROSOAN’I MADAGASIKARA 🇲🇬
📢 FOTOAM-PIVAVAHANA IRAISAM-PINOANA
Ao anatin’ny fankalazana ny faha-66 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara, dia manasa ny vahoaka rehetra ny Kaominina Antehiroka hanatrika ny Fotoam-pivavahana Iraisam-pinoana ho fitondrana am-bavaka ny firenena.
📅 Sabotsy 13 Jona 2026
🕥 10 ora sy 30 minitra maraina
📍 Loterana Toby Ambohibao
Andao hiray fo sy hiray vavaka ho an’ny firenena, ho an’ny fiadanana ary ho an’ny fampandrosoana. 🇲🇬
Kaominina Antehiroka
❤️"Mivavaha ho an’ny firenena, ho an’ny fiadanana sy fandriam-pahalemana ary ho an’ny fampandrosoana."
01/06/2026
🇲🇬 "Fanavaozana ho an'ny fandrosoan'i Madagasikara" 🇲🇬
👉Izany no lohahevitra entina mankalaza ny faha-66 taona niverenan'ny Fahaleovantenan'i Madagasikara amin'ity taona 2026 ity.
🎇Natomboka tamin'ny fomba ofisialy teto amin'ny Kaominina Antehiroka ny iray volan'ny fankalazana ny Fetim-pirenena, ka ny fananganan-tsaina no nanombohana izany.
🪧 Fotoana iray nanamafisana ny fitiavan-tanindrazana sy ny firaisankina ary ny fahavononana handray anjara amin'ny fampandrosoana ny firenena.
❤️Nifanojo tamin'izany ihany koa ny fiarahabana sy firarian-tsoa natolotry ny mpiara-miasa sy ireo Mpanolotsain'ny Kaominina ho an-dRamatoa Ben'ny Tanàna noho ny Fetin'ny Reny. Etsy ankilany, naneho ny fankasitrahany sy ny fiarahabany ireo reny mpiara-miasa rehetra ao amin'ny Kaominina ihany koa Ramatoa Ben'ny Tanàna, ho fankaherezana sy fanamafisana ny anjara toerana lehibe raisin'izy ireo eo amin'ny fiainam-pianakaviana sy ny fiarahamonina.
🇲🇬Mirary volana feno firaisankina, fifankatiavana ary fandrosoana ho an'ny rehetra ny Kaominina Antehiroka.🎉
🇲🇬Ho an'ny Tanindrazana, ho an'ny Fandrosoana! 🇲🇬
31/05/2026
🌸Miarahaba sy mirary soa ho an'ny Reny rehetra🎉
Miarahaba manokana anao Ramatoa Ben'ny Tanàna, ho tahin'Andriamanitra hatrany anie ianao💐🏵️
30/05/2026
Mbola mitohy ihany koa ny fisoratana anarana amin'ny Fisoratam-panambadiana Faobe karakaraina eto anivon'ny Kaominina ny 18 sy 19 2026 ho avy izao.
Tongava ary maka ny taratasy fenoina eny amin'ny biraon'ny commune dieny izao🎉🎇
29/05/2026
Mbola mitohy hatrany ny fisoratana anarana eny anivon'ny fokontany ho an'ny
Didimpoitra Maimaimpoana izay karakarain'ny Kaominina ny Asabotsy 20 Jiona 2026 ho avy izao🎇🎉
28/05/2026
⛔⛔Ireto indray ary ny fandaharan-dalaon-tsika
▶️Taranja Foot-ball⚽ sy Basket-ball🏀
🗓️ Ny Alahady 31 Mai 2026 ho avy izao🎇
27/05/2026
Mandeha ny asa fanamboarana ny Kaominina ary Efa manomboka mametraka ireo varavarankely ary efa tonga ihany koa ny carreaux ary manome vaovao antsika eto hatrany . Mirary ny soa hatrany
27/05/2026
🥳🎤 AIZA DAHOLO IANAREO MANATALENTA ETO ANTEHIROKA ? 🎤🥳
🔥 Tonga indray ny fotoana hanehoana izany talentanao izany!
🎶 Hira, dihy, rap, slam na fampisehoana mampiavaka anao…
👉 Anjaranao izao no mampirehitra ny sehatra !
▶️ Ndao asehontsika amin’ny 23 Jona 2026 izany eee ! 🇲🇬🎆
📍 Tongava misoratra anarana dieny izao
📞 034 66 260 78
📞 034 87 193 07
🏢 Na manantona mivantana ao amin’ny biraon’ny Kaominina.
🥰 Andao hiaraka hifampizara sy hifampidera talenta ao anatin’ny hafaliana sy firaisankina !
🎇 Ndao ampideraina fa mahay sy tena manan-talenta ny zanak’Antehiroka ! 🎇