25/03/2026
FIDINANA IFOTONY SY FITSIDIHANA IREO MPISEHATRA AMIN’NY RONONO AO AMIN’NY DISTRIKA BETAFO NIARAHAN’NY DRAE VAKINANKARATRA SY NY TETIKASA PROFI-LAIT.
Anisany zava-dehibe sy miantoka ny fahatratrarana ny tanjona napetraka amin’ny asa na Tetikasa iray ny fifaneraserana matetika eo amin’ireo rafitra mpandindra sy mpanatanteraka ary ireo mpisitraka na mpanao tantsoroka samihafa. Manoloana izany dia nisy ny fidinana ifotony tao amin’ny Kaominina Betafo, sy Kaominina Ranomafana distrika Betafo, izay niarahan’ny teo anivon’ny Fitalevam-paritra miadidy ny Fambolena sy Fiompiana Vakinankaratra ( DRAE) sy ny avy eo anivon’ny Tetikasa PROFI-LAIT. Ny tanjona dia ny hijerevana ny zava misy mahakasika ny fiaraha miasa, sy handraisana ny hetahetan’ireo mpisehatra tsirairay mahakasika ny fanatsarana ny fiaraha-miasa, fa indrindra ny an’ireo tantsaha mpiompy. Anisany nivoitra tamin’ny fitsidihana ireo olana sedrain’ireo tantsaha mahakasika ny fanagonana ronono, ny mahakasika ny voly vilona sy ny sakana ara-pitaovana, ka ho ezahina ny hamahana izany araka ny andraikitra izay tandrify ny tsirairay.
19/03/2026
FANAOVANA FITSIRIHANA IREO TOERAM-PIVAROTAN-KENA ANTSIRABE RENIVOHITRA
Anisany zava-dehibe sy miantoka ny fahasalaman’ny mpanjifa ny fanarahan’ireo mpivarotra ny fenitra napetraka. Mba hisorohana ny gaboraraka sy ahafahana manao fanentanana ireo mpisehatra amin’ny asa fivarotan-kena dia nisy ny fidinana ifotony nataon’ireo teknisianina tomponandraikitra ao amin’ny DRAE Vakinankaratra sy ny teknisianina eo anivon’ny Birao Monisipaly misahana ny fahadiovana. Mpivarotra maromaro no noezahina notetezina manerana ny kaominina Ambonivohitra Antsirabe : Mahazina, Ambavahadimangatsiaka, Antsenakely, Avaratsena, Ambohimianrdrisoa, Mahazoarivo atsimo sy avaratra ary Tomboarivo. Notsindriana manokana nandritra ny fandalovana ny mahakasika ny fanarahana ny fepetra ara-pahasalamana, ny fahazahoan-dalana (agrément sanitaire) sy ny fisavana ireo trano sy ny hena amidy eny ambony ankalana.
17/03/2026
FAMPIOFANANA MAHAKASIKA NY FAMBOLENA IREO TANORA MIARAMILA MANAO FANOMPOAM-PIRENENA TAO AMIN’NY ENSOA ANTSIRABE
Ao anatin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny ENSOA (Ecole Nationale des Sous-Officiers de l’Armée) Antsirabe sy ny Fitaleavam-paritry ny Fambolena sy Fiompiana (DRAE) Vakinankaratra dia nanatontosa fampiofanana ireo tanora Miaramila manao fanompoam-pirenena (FRRAD 4ème Vague) mahakasika ny fambolena vary, fambolena legioma, fambolena mangahazo ara-teknika (basket compost), ary ny fikarakarana ny voly ireo teknisianina eo anivon’ny DRAE vakinankaratra.
12/03/2026
FIDINANA IFOTONY SY FANJOHIANA NY FAMPIHARANA NY TEKNIKA P-DIPPING TAO AMIN’NY KAOMININA AMBATOLAHY DISTRIKA ANTANIFOTSY/ FARITRA VAKINANKARATRA
Mba ahafahana mijery ifotony sy mandrefy ny tohana nataon’ny Tetikasa FY-VARY, mahakasika ny fampiharana ny teknika P-dipping, dia nanatanteraka fidinana ifotony tao amin’ny kaominina Ambatolahy, Distrika Antanifotsy- Vakinankaratra, ireo teknisianina eo anivon’ny DRAE Vakinankaratra izay notarihin-dRamatoa talem-paritry ny Fambolena sy Fiompiana. Marihina moa fa ny Tetikasa FY-VARY dia Tetikasa iray vatsian’ny JICA vola, ary miara miasa ami’ny Ministeran’ny Fambolena sy Fiompiana amin’ny fanatsarana sy fampitomboana ny voka-bary.