15/10/2026
"VITRINE DU VAKINANKARATRA ANDIANY FAHA 28."
Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy androany ary haharitra telo andro ny Fitaratr'i Vakinankaratra andiany faha 28 izay atao eto amin'ny tanànan'Antsirabe renivohitry ny Faritra. Sehatra iray karakarain'ny FIOVA na Fivondronan'ny Orinasa eto Vakinankaratra, hanomezana sehatra ireo orinasa na miankina na tsy miankina hampirantian'izy ireo ny vokatra ao aminy izy ity ka tranoheva miisa 387 no nanehoana izany. Olomanankaja maro sivily sy miaramila no nanatrika ity fotoana ity izay notarin'ny Minisitra mirahalahy dia ny Misitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana Andriamatoa RAKOTONANDRASANA Hanitra Velonjara Tiaray sy Ramatoa vadiny sy ny Minisitry ny indostria sy ny sehatra tsy miankina Andriamatoa RAHARIMANJATO Ny Riana