16/05/2026
JEUNE DYNAMIQUE DE MAHAJANGA
Rassemblement des Agriculteurs Libres et Indépendants (RALI) dia mitondra vina ho fampiroboroboana ny fambolena eto Madagasikara.
Manolo-tena amin’ny famokarana madio, maharitra ary manaja ny tontolo iainana, ho fampandrosoana ireo tantsaha. 💚🇲🇬
16/05/2026
JEUNE DYNAMIQUE DE MAHAJANGA
12/05/2026
Gazety anio talata 12 Mey 2026 ahitana lahateny mikasika ny vovonana
☘️VOVONANA RALI – VAKINANKARATRA☘️
Faritra niavian’ny filoha mpanorina Andriamatoa RALAIMAHARY Linot
➡️ Fametrahana ofisialy ny Alakamisy 14 Mey 2026 @09 ora maraina 📍 Le Rêve Antsirabe
🌱 Antso ho an’ny tantsaha rehetra eto Vakinankaratra! Hiray hina, Hifampitsinjo, Hampandroso ny famokarana
👉 Tongava maro, hiara-hanorina ny hoavin’ny fambolena !
06/05/2026
🌾 Amin’izao fotoam-piotazana izao…
Tsy tokony ho very maina ny vokatry ny hatsembohan’ny tantsaha.🌾
Ny Vovonana RALI dia manolotra paik’ady, hiarovana ny tantsaha amin’ny fivarotana maimaika sy ny fahalaniana vetivety ny volam-bokatra.
Tanjona:
Hampahaleo tena ara-toekarena ny tantsaha, ary hanome lanja ny vokatra Malagasy.
Ho vahinintsika manokana, Andriamatoa RALAIMAHARY Linot, Filoha mpanorina, ny Filoha Lefitra, ary ny Tale Mpanatanteraka.
Izy ireo no hanazava ny vina politika sy ny paik’ady ho fampandrosoana maharitra ny tontolon’ny fambolena.
25/04/2026
Hafa avao Manakara 🥰🇲🇬🇲🇬🇲🇬
🌾 Inona marina ny Vovonana RALI? Inona ny andraikiny ary inona no tanjona entiny?🌾
Ao anatin’ity horonantsary ity, ny Filoha mpanorina, Andriamatoa RALAIMAHARY Linot K. dia manome fanazavana mikasika :
✅️ ny vina entin’ny RALI amin’ny fananganana fahaleovantena ara-tsakafo
✅️ ny andraikiny amin’ny fanamafisana ny feon’ny tantsaha eo amin’ny sehatra fanapahan-kevitra
✅️ ny paikady eo amin'ny sehatry ny fambolena