22/09/2026
๐๐ฑ๐ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ปโ๐ป๐ ๐ธ๐ผ๐น๐ถ๐ธ๐ผ๐น๐
๐ก๐ฎ๐ป๐ฎ๐ผ ๐๐ผ๐ป๐ถ๐ฎ ๐ณ๐ถ๐ณ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ต๐ฎ๐บ-๐ฝ๐ถ๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ต๐ฎ-๐บ๐ถ๐ฎ๐๐ฎ ๐ป๐ ๐๐๐๐ก๐๐ข ๐ ๐ฎ๐ต๐ฎ๐ท๐ฎ๐ป๐ด๐ฎ ๐๐ ๐ป๐ ๐ข๐ป๐ถ๐๐ฒ๐ฟ๐๐ถ๐๐ฒ๐ปโ๐ถ ๐ ๐ฎ๐ต๐ฎ๐ท๐ฎ๐ป๐ด๐ฎ
Notanterahina ny 21 Septambra 2026, tao aminโny biraonโny Filohanโny Oniversitenโi Mahajanga, ny lanonana fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa teo aminโny Fitaleavana Iraisam-Paritry ny Birao Mahaleotena Iadiana aminโny Kolikoly (BIANCO) Mahajanga sy ny Oniversitenโi Mahajanga, izay notarihinโny Profesora RANDRIANAMBININA Blanchard, Filohanโny Oniversitenโi Mahajanga, sy Ramatoa RAZANABAHOAKA Sitraka Harivony Maria Patrick, Tale Iraisam-Paritry ny BIANCO Mahajanga. Izao no natao mba ampiroboroboana ny etika, ny fahitsiana sy ny fahamarinana ary ny mangarahara eo anivonโny Oniversitenโi Mahajanga.
Roa taona no faharetanโny fifanarahana, izay azo havaozina. Anisanโny tanjonโizao fiaraha-maisa izao ny fanamafisana ireo hetsika fisorohana sy fanabeazana momba ny ady aminโny kolikoly ho anโireo mpianatra, ary ny fampiorenana ny kolontsaina mandala ny fahamarinana sy ny fahitsiana eo anivonโny tontolonโny oniversite.
Misy asa maromaro natao laharam-pahamehana ao anatinโizany fifanarahana izany, toy ny fanetsehana ny tanora aminโny ady aminโny kolikoly (LCC), aminโny alalanโny fikarakarana hetsika fanentanana sy ny fifaninanana kabary (concours dโรฉloquence) ; ny fampidirana ny taranja ady aminโny kolikoly ho anisanโny fandaharam-pianarana ho anโireo mpianatra Master 2; ny fanetsiketsehana ny Tambajotranโny Tanora mandala ny Fahamarinana sy ny Fahitsiana (RHI) ao aminโny Oniversitenโi Mahajanga; ary ny fanohanana ny Rafitra anatiny Iadiana aminโny Kolikoly (STAC) eo anivonโny Oniversite.
Nandritra ny lahateniny, ny Filohanโny Oniversitenโi Mahajanga dia nanasongadina ny maha-zava-dehibe ity fiaraha-miasa ity, ยซ tsy fanaovan-tsonia fotsiny izy ity, fa fifanekem-pitokisana aminโny tanora Malagasy. Izao fiaraha-miasa izao dia manamarina fa tsy manofana olona manana fahaiza-manao ara-teknika fotsiny ny oniversite, fa manofana olom-pirenena vanona sy tomponโandraikitra ihany koa. ยป
Etsy ankilany, ny Tale Iraisam-Paritry ny BIANCO Mahajanga dia nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fampiharana ny kolontsaina mandala ny fahitsiana, ยซ io kolontsainโny fahitsiana io no tokony ho tafapetraka ao an-tsainโireo mpianatsika, izay ho mpiasam-panjakana sy mpisehatra mahatoky aminโny hoavinโny Firenena Malagasy. ยป
Taorianโny famolavolana ny taranja ady aminโny kolikoly, dia efa miomana aminโny dingana vaovao ny roa tonta, dia ny fanetsiketsehana tanora mpianatra ao Mahajanga aminโny alalanโny fikarakarana miaraka ny โconcours dโรฉloquenceโ, izay hotanterahina ny 29 septambra ho avy izao, ao anatinโireo hetsika fanentanana sy fanetsiketsehana ho fampiroboroboana ny fahitsiana.