Drcc Vatovavy

Drcc Vatovavy Pejy ofisialin'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolotsaina eto Vatovavy, fampitam-baovao sy serivisy ho an'ny olom-pirenena.

10/11/2026
09/11/2026
𝐍𝐈𝐓𝐒𝐈𝐃𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐂𝐄𝐍𝐓𝐑𝐄 𝐃’𝐈𝐍𝐓𝐄𝐑𝐕𝐄𝐍𝐓𝐈𝐎𝐍 𝐒𝐏É𝐂𝐈𝐀𝐋𝐈𝐒É𝐄 (𝐶𝐼𝑁𝑇𝑆) 𝐄𝐓𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐉𝐀𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 Anisany fitsidihana natao...
08/11/2026

𝐍𝐈𝐓𝐒𝐈𝐃𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐂𝐄𝐍𝐓𝐑𝐄 𝐃’𝐈𝐍𝐓𝐄𝐑𝐕𝐄𝐍𝐓𝐈𝐎𝐍 𝐒𝐏É𝐂𝐈𝐀𝐋𝐈𝐒É𝐄 (𝐶𝐼𝑁𝑇𝑆) 𝐄𝐓𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐉𝐀𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀

Anisany fitsidihana nataon’ny Filohan’ny Fanavaozana, 𝐧𝐲 𝐊ô𝐥𝐨𝐧𝐞𝐥𝐲 𝐑𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐈𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐌𝐢𝐜𝐡𝐚ë𝐥, teto Mananjary, ny 07 novambra 2026, ny fitsidihana ny 𝐶𝑒𝑛𝑡𝑟𝑒 d’𝐼𝑛𝑡𝑒𝑟𝑣𝑒𝑛𝑡𝑖𝑜𝑛 𝑆𝑝é𝑐𝑖𝑎𝑙𝑖𝑠é𝑒 (𝐶𝐼𝑁𝑇𝑆).

Manana tantara manokana amin’ny Filohan’ny Fanavaozana ity toby miaramila ity, satria toerana niasany voalohany tao aorian'ny nahavitany ny fiofanana tao amin'ny Akademia Miaramila.

Marihina fa ny 4è𝑚𝑒 𝐶𝑜𝑚𝑝𝑎𝑔𝑛𝑖𝑒 𝑑𝑢 𝐺é𝑛𝑖𝑒 no anaran'ity toby Miaramila ity teo aloha, izay novana ho 𝐶𝑒𝑛𝑡𝑟𝑒 𝑑’𝐼𝑛𝑡𝑒𝑟𝑣𝑒𝑛𝑡𝑖𝑜𝑛 𝑆𝑝é𝑐𝑖𝑎𝑙𝑖𝑠é𝑒 ankehitriny.

Nandritra ny fitsidihana dia nandray sy nampahafantatra ny Filohan’ny Fanavaozana ireo hetaheta sy filàna maika sedrain’ny toby ireo tompon’andraikitra. Anisan’izany ny fanatsarana ny famatsiana herinaratra sy rano, ny fanarenana ireo trano sy fotodrafitrasa simba vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai, ary ny fitaovam-pitanterana noho halaviran'ny toerana misy ity toby ity.

Nihaino sy nandray an-tsoratra ireo fangatahana sy fanazavana natolotra azy ny Filohan’ny Fanavaozana, ary nanambara fa hojerena ireo vahaolana azo raisina hamaliana izany.

« 𝙀𝙛𝙖 𝙝𝙞𝙩𝙖 𝙞𝙯𝙖𝙣𝙮 𝙖𝙧𝙮 𝙝𝙤𝙟𝙚𝙧𝙚𝙣𝙖 𝙞𝙯𝙖𝙮 𝙖𝙯𝙤 𝙖𝙩𝙖𝙤 », hoy ny Filohan’ny Fanavaozana ho valin’ny fangatahana sy ny hetahetan’ireo tompon’andraikitra.

𝐅𝐈𝐓𝐒𝐈𝐃𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐒𝐓𝐀𝐃𝐄 𝐑𝐀𝐁𝐄 𝐌𝐀𝐑𝐂𝐄𝐋 : 𝐍𝐎𝐃𝐈𝐍𝐈𝐇𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐃𝐄𝐋𝐄𝐆𝐀𝐒𝐈𝐎𝐍𝐀 𝐍𝐈𝐀𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐓𝐀𝐌𝐈𝐍𝐘 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐄-𝐓𝐎𝐄𝐑𝐀𝐍’𝐍𝐘...
07/11/2026

𝐅𝐈𝐓𝐒𝐈𝐃𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐒𝐓𝐀𝐃𝐄 𝐑𝐀𝐁𝐄 𝐌𝐀𝐑𝐂𝐄𝐋 : 𝐍𝐎𝐃𝐈𝐍𝐈𝐇𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐃𝐄𝐋𝐄𝐆𝐀𝐒𝐈𝐎𝐍𝐀 𝐍𝐈𝐀𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐓𝐀𝐌𝐈𝐍𝐘 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐄-𝐓𝐎𝐄𝐑𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐈𝐀𝐍𝐉𝐀

Anisan’ny toerana notsidihin’𝐀𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦𝐚𝐭𝐨𝐚 𝐅𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐑𝐞𝐩𝐨𝐛𝐥𝐢𝐤𝐚 𝐊𝐨𝐥𝐨𝐧𝐞𝐥𝐲 𝐌𝐢𝐜𝐡𝐚𝐞𝐥 𝐑𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐈𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐬𝐲 𝐯𝐚𝐝𝐢𝐧𝐲 𝐄𝐥𝐢𝐬𝐚 𝐑𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐈𝐑𝐈𝐍𝐀, niaraka tamin’𝐀𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦𝐚𝐭𝐨𝐚 𝐌𝐩𝐚𝐧𝐨𝐥𝐨-𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐀𝐯𝐨, 𝐊𝐨𝐥𝐨𝐧𝐞𝐥𝐲 𝐆𝐞𝐫𝐯𝐚𝐢𝐬 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌𝐈𝐇𝐀𝐑𝐈𝐓𝐒𝐎𝐀 , sy ireo olom-boafidy ary olom-boatendry, ny Stade Rabe Marcel eto Mananjary.

Manana tantara manokana amin’ity kianja ity ny Filohan’ny Fanavaozana, satria efa mpilalao baolina kitra teto izy nandritra ny fotoana niasany teto Mananjary, Faritra Vatovavy, teo anelanelan’ny taona 1999 sy 2003.

Nandritra ity fitsidihana ity dia nanazava tamin’ny Filoha ny DRJS ny fahasimban’ny fotodrafitrasa, indrindra ny fefy manodidina ny kianja, ary nanolotra ny tombam-bidin’ny asa fanarenana (devis) ho azy.

Fotoana ihany koa nahafahan’ny Filoha nifampiarahaba sy nifampitafatafa tamin’ireo mpiara-milalao taminy fahiny, ka namelombelona indray ireo fahatsiarovana tamin’ny fotoana niarahany nilalao teto Mananjary.

Fisaorana sy fankasitrahana feno no atolotra ny Filohan’ny Fanavaozana sy ny vadiny, Andriamatoa Mpanolo-tsaina Avo, ary ireo delegasiona niaraka taminy, indrindra ny ekipan’ny DRJS sy ireo mpanao baolina kitra eto Mananjary, tamin’izao fotoana izao.

𝐓𝐀𝐅𝐀 𝐌𝐈𝐕𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀: 𝐍𝐈𝐇𝐄𝐍𝐎𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐄𝐓𝐀𝐇𝐄𝐓𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐎𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐓𝐑𝐄𝐇𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐎𝐍𝐈𝐍𝐀Notanterah...
07/11/2026

𝐓𝐀𝐅𝐀 𝐌𝐈𝐕𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀: 𝐍𝐈𝐇𝐄𝐍𝐎𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐄𝐓𝐀𝐇𝐄𝐓𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐎𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐓𝐑𝐄𝐇𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐎𝐍𝐈𝐍𝐀

Notanterahina androany tao amin’ny 𝐴𝐶𝐶𝑈𝑀 Tanambao Mananjary ny fihaonana mivantana teo amin’ny Filohan’ny Fanavaozana mivady, sy ireo delegasiona niaraka taminy ary ny vahoaka tsy ankanavaka.

Nifantoka indrindra tamin’ny fihainoana ny hetaheta, ny fitarainana ary ny olana sedrain’ny olom-pirenena andavanandro ity fihaonana ity, ka nahafahan’ny mponina sy ny tanora nampita mivantana ny ahiahiny sy ny zavatra andrasany amin’ny fitondrana.

Nandritra izany dia nandray anjara tamin’ny fanomezana fanazavana momba ireo olana samihafa ihany koa ireo mpikambana tao anatin’ny delegasiona.

Maro ny olona nitondra ny hetahetany, ny fitarainany ka izany no anisan’ny nihainoana, mitady hevitra mba iainany vahoaka milamina.Tao ny fanantenana ny ady amin’ny kolikoly sy ny fandraisana fepetra manoloana izany, tao koa ny maha-zava-dehibe ny fandoavan-ketra ho an’ny fampandrosoam-pirenena, ary ny olana mahakasika ny fananan-tany amin'izao eto amin’ny Faritra Vatovavy, izay nitondran’ny Minisitry ny Fananan-tany fanazavana sy tatitra amin'ny mahamaro ny mitaraina.

Nisy ihany koa ny fanazavana fanampiny nentin’ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany mahakasika ny sehatra sahaniny.

Fihaonana nifototra tamin’ny fifampihainoana sy ny fifanakalozan-kevitra mivantana, mba hahafantaran’ny mpitondra akaiky kokoa ny zava-misy sy ny hetahetan’ny vahoaka.

𝐊𝐀𝐁𝐀𝐑𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀, 𝐊𝐎𝐋𝐎𝐍𝐄𝐋𝐘 𝐌𝐈𝐂𝐇𝐀𝐄𝐋 𝐑𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐈𝐑𝐈𝐍𝐀 : 𝐍𝐀𝐒𝐎𝐍𝐆𝐀𝐃𝐈𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐌𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐇𝐎𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑...
07/11/2026

𝐊𝐀𝐁𝐀𝐑𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀, 𝐊𝐎𝐋𝐎𝐍𝐄𝐋𝐘 𝐌𝐈𝐂𝐇𝐀𝐄𝐋 𝐑𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐈𝐑𝐈𝐍𝐀 : 𝐍𝐀𝐒𝐎𝐍𝐆𝐀𝐃𝐈𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐌𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐇𝐎𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐇𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐍𝐉𝐀𝐊𝐀𝐍𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐕𝐀𝐓𝐎𝐕𝐀𝐕𝐘

Nifantoka indrindra tamin’ny fampahafantarana ireo asa sy tetikasa laharam-pahamehana hotanterahin’ny Fitondrana Fanavaozana eto amin’ny Faritra Vatovavy ny kabary nataon’ny Filohan’ny Fanavaozana, 𝐧𝐲 𝐊𝐨𝐥𝐨𝐧𝐞𝐥𝐲 𝐌𝐢𝐜𝐡𝐚𝐞𝐥 𝐑𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐈𝐑𝐈𝐍𝐀, nandritra ny fitsidihany.

Anisan’ireo teboka nasongadiny ny fitadiavana famatsiam-bola hanohizana ny asa fangadiana ny lakandranon’i Pangalana, ny fijerena sy fanatsarana ireo biraom-panjakana mbola tsy ampy na mila fanarenana, ary ny fanohanana ny PIC 3 amin’ny famitana tanteraka ny digue de protection miaro ny tanànan’i Mananjary.

Ankoatra ireo, nanolotra vola mitentina 50 tapitrisa Ariary ho an’ny Faritra Vatovavy ihany koa ny Filohan’ny Fanavaozana, ho an'ny vahoaka.

Naneho tamin’izany ny Filohan’ny Fanavaozana fa anisan’ny laharam-pahamehan’ny Fitondrana ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, ny fanamafisana ny fiarovana ny mponina ary ny fampandrosoana ny Faritra Vatovavy.

𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐓𝐀-𝐓𝐒𝐎-𝐃𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐓𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐑𝐀𝐈𝐀𝐌𝐀𝐍-𝐃𝐑𝐄𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐉𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀, 𝐕𝐀𝐎 𝐓𝐎𝐍𝐆𝐀 𝐓𝐄𝐓𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐉𝐀𝐑𝐘Vao nigadona tet...
07/11/2026

𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐓𝐀-𝐓𝐒𝐎-𝐃𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐓𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐑𝐀𝐈𝐀𝐌𝐀𝐍-𝐃𝐑𝐄𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐉𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀, 𝐕𝐀𝐎 𝐓𝐎𝐍𝐆𝐀 𝐓𝐄𝐓𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐉𝐀𝐑𝐘

Vao nigadona teto Mananjary, renivohitry ny Faritra Vatovavy, ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, 𝐧𝐲 𝐊ô𝐥ô𝐧𝐞𝐥𝐲 𝐑𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐈𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐌𝐢𝐜𝐡𝐚ë𝐥, niaraka 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐝𝐢𝐧𝐲 sy ny delegasiona notarihiny, dia nankany amin’ny Tranombakoka avy hatrany.

Tao no nihaonany tamin’ireo 𝑅𝑎𝑖𝑎𝑚𝑎𝑛𝑑𝑟𝑒𝑛𝑦 𝐴𝑚𝑝𝑎𝑛𝑗𝑎𝑘𝑎, izay nanaovany fangatahan-tso-drano sy fanajana ny fomba amam-panao ary ny soatoavina malagasy.

Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny fangatahana nataon'ireo 𝐴𝑚𝑝𝑎𝑛𝑗𝑎𝑘𝑎 mahakasika ny fanadiovana sy fanarenana ny lakandranon’i Pangalana, ary ny fanarenana ny hopitaly sy ny lalana, fa tena ilaina amin’ny fampandrosoana an’i Mananjary sy ny fanatsarana ny fari-piainan’izy ireo.

Address

Antanambazaha
Mananjary

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Drcc Vatovavy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share