01/11/2026
🇲🇬🤝🇷🇺 MADAGASIKARA – ROSIA : FIRAISAM-PO SY FIARAHA-MIASA MIVAINGANA HO FANOHANANA NY SEHATRY NY FAHASALAMANA
Tao anatin’ny firaisankina sy ny finiavana hanamafy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara 🇲🇬 sy Rosia 🇷🇺 no nanatanterahana ny fanolorana * KITS SANITAIRES * ho an’ireo toeram-pitsaboana miisa telo:
🏥 CHU Anosiala
🏥 Hôpital Psychiatrique Anjanamasina
🏥 CSB II Anosiala
✨ Ity hetsika ara-tsosialy sy maha-olona ity dia vokatry ny fiaraha-mientan’ny Maison Russe, izay nisoloan’Atoa Ilya Kontanistov tena, sy ny Réveil Patriotique de Madagascar Uni (RPMU), izay nisoloan’ny Filohany, Atoa RAKOTONIRINA Richard, tena, niaraka tamin’ireo mpikambana sasantsasany.
🤝 Nanome voninahitra ity lanonana ity ihany koa ny solontenan'ny Masoivoho Rosiana sy ny Ben’ny Tanànan’Anosiala, Andriamatoa Vonjy RAKOTOARINOELINA.
🩺 Ireo Profesora Mpitantana ny CHU Anosiala sy ny Hôpital Psychiatrique Anjanamasina kosa no nandray ny * KITS SANITAIRES *, ho fanohanana ireo toeram-pitsaboana tantaniny.
🎯 Ny tanjona dia ny hitondra fanohanana mivaingana ho an’ireo toeram-pitsaboana ireo, hanampy amin’ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ary indrindra hanamafy ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta.
❤️ Tsy fanolorana fitaovana fotsiny izao hetsika izao, fa mariky ny firaisam-po, ny fifanohanana ary ny finiavana hiara-hiasa ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.
⚒️ Ny fiaraha-miasa tena izy dia tsy mijanona amin’ny teny sy fampanantenana, fa miseho amin’ny asa mivaingana sy ny vokatra azo tsapain-tanana ho an’ny mpiara-belona.
🇲🇬🤝🇷🇺 Ny firaisankina no mampifandray ny firenena, ary ny fiaraha-miasa mivaingana no manorina ny hoavy.
👏 Ho ela velona anie ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Rosia!
🌍 MADAGASIKARA – ROSIA : MIARA-MIENTANA, MIARA-MIASA, HO TOMBONTSOAN’NY VAHOAKA! 🇲🇬🇷🇺
——————————————————————————-
🇲🇬🤝🇷🇺 MADAGASCAR – RUSSIE : SOLIDARITÉ ET COOPÉRATION CONCRÈTE AU SERVICE DU SECTEUR DE LA SANTÉ
C’est dans un esprit de solidarité et avec la volonté de renforcer davantage les coopérations entre Madagascar 🇲🇬 et la Russie 🇷🇺 qu’une cérémonie de remise de KITS SANITAIRES a été organisée au profit de trois établissements de santé :
🏥 CHU Anosiala
🏥 Hôpital Psychiatrique d’Anjanamasina
🏥 CSB II Anosiala
✨ Cette initiative à caractère social et humanitaire est le fruit d’un engagement commun entre la Maison Russe, représentée par Monsieur Ilya Kontanistov, et le Réveil Patriotique de Madagascar Uni (RPMU), représenté par son Président, Monsieur Richard RAKOTONIRINA, accompagné de quelques membres du mouvement.
🤝 La cérémonie a également été honorée par la présence d'un représentant de l’Ambassade de la Russie ainsi que du Maire de la Commune d’Anosiala, Monsieur Vonjy RAKOTOARINOELINA.
🩺 Les Professeurs responsables du CHU Anosiala et de l’Hôpital Psychiatrique d’Anjanamasina ont, quant à eux, réceptionné les KITS SANITAIRES, destinés à soutenir les établissements de santé dont ils assurent la responsabilité.
🎯 L’objectif de cette action est d’apporter un soutien concret à ces structures sanitaires, de contribuer à l’amélioration des services de santé et, surtout, de consolider les liens d’amitié et de coopération entre Madagascar 🇲🇬 et la Russie 🇷🇺.
❤️ Bien plus qu’une simple remise de matériel, cette initiative représente un véritable symbole de solidarité, de partage et de volonté commune d’agir pour le bien-être de la population malgache.
⚒️ La véritable coopération ne se limite pas aux paroles et aux promesses : elle se traduit par des actions concrètes et des résultats tangibles au bénéfice des citoyens.
🇲🇬🤝🇷🇺 L’unité rapproche les nations, et la coopération concrète contribue à bâtir l’avenir.
👏 Vive l’amitié et la coopération entre Madagascar et la Russie !
🌍 MADAGASCAR – RUSSIE : UNIS DANS LA SOLIDARITÉ, ENGAGÉS DANS L’ACTION, POUR LE BIEN DE LA POPULATION ! 🇲🇬🇷🇺