DREDD Atsinanana

Call Contact the organization

DREDD Atsinanana Direction Régionale de l'Environnement et du Développement Durable dans la Région Atsinanana de Madagascar

26/10/2026
🌿 VOHIBOLA : FIZOHIANA NY FAMINDRAM-PITANTANANA NY ALA📍 Vohibola | 20 Oktobra 2026Enim-bolana izay no nandraisan’ny VOI ...
23/10/2026

🌿 VOHIBOLA : FIZOHIANA NY FAMINDRAM-PITANTANANA NY ALA

📍 Vohibola | 20 Oktobra 2026

Enim-bolana izay no nandraisan’ny VOI Vohibola Avotra ny fitantanana ny ala ao Vohibola, tao anatin’ny ezaka fanamafisana ny fandraisan’anjaran’ny vondrom-piarahamonina amin’ny fiarovana ny harena voajanahary.

Ny 20 oktobra 2026, dia nanatanteraka fizohiana ny fizotry ny famindram-pitantanana ny ala ao Vohibola ny Talem-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (DREDD) Atsinanana, niaraka tamin’ny Ben’ny Tanànan’Ambinaninony.

Nifantoka tamin’ny fihainoana ny hetahetan’ny mponina eny ifotony, ny fahafantarana ny zava-misy sy ny olana sedrain’izy ireo, ary ny fampahatsiahivana ny tanjona sy ny andraikitra mifandraika amin’ny famindram-pitantanana ny ala ny fihaonana. Nohamafisina tamin’izany ny maha-zava-dehibe ny fifampiresahana sy ny fiaraha-miasa amin’ny vondrom-piarahamonina mba hitadiavana vahaolana mifanaraka amin’ny filàna eny an-toerana.

🌱 Ny fiarovana ny ala dia andraikitra iombonana!

Ny famindram-pitantanana ny ala dia fomba iray entina hanamafisana ny andraikitry ny vondron’olona ifotony amin’ny fiarovana sy ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary.

Ny fihainoana, ny fifampiresahana ary ny fiaraha-mientana no antoka hanamafisana izany fitantanana izany, ho fiarovana ny alan’i Vohibola sy ny fitahirizana azy ho lova sarobidy ho an’ny taranaka ankehitriny sy ny taranaka ho avy. 🌳


🔥🌿 MITOHY NY FANENTANANA HIADIANA AMIN’NY DORO TANETY SY DORO ALA📍 Ampasimena – Kaominina Antanambao Manampontsy📅 16 sy ...
22/10/2026

🔥🌿 MITOHY NY FANENTANANA HIADIANA AMIN’NY DORO TANETY SY DORO ALA

📍 Ampasimena – Kaominina Antanambao Manampontsy
📅 16 sy 17 Oktobra 2026

Nandritra ny Festival KAFE, izay notanterahina tao amin’ny Fokontany Ampasimena ny 16 sy 17 Oktobra 2026, dia nanentana ireo mpandray anjara ny Ben’ny Ala mba hanamafy ny ezaka amin’ny fisorohana sy ny ady amin’ny doro tanety sy doro ala.

Nohamafisina ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fampiroboroboana ny fambolena voly maharitra, izay sady loharanom-bola ho an’ny mponina no mandray anjara amin’ny fitazonana sy fanitarana ny rakotra zava-maitso.

Nasongadina manokana ny fambolena kafe, izay manana anjara toerana lehibe amin’ny fiveloman’ny tantsaha sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Noho ny faharefoan’ny voly kafe manoloana ny afo anefa, dia ilaina ny fitandremana sy ny fandraisana andraikitra avy amin’ny tsirairay mba hisorohana ny afo tsy hiteraka fahavoazana.

🌱 Arovy ny ala, kolokoloy ny voly kafe, ary sorohy ny doro tanety sy doro ala!

🤝 Ny fiarovana ny tontolo iainana dia andraikitry ny rehetra.

🌿📢 MAHITA FANIMBANA NY TONTOLO IAINANA VE? MAMETRAHA FITARAINANA! TOROHY AMIN’NY MANAM-PAHEFANA MIANDRAIKITRA IZANY!📍 ME...
18/10/2026

🌿📢 MAHITA FANIMBANA NY TONTOLO IAINANA VE? MAMETRAHA FITARAINANA! TOROHY AMIN’NY MANAM-PAHEFANA MIANDRAIKITRA IZANY!

📍 MEKANISMAN’NY FITANTANANA NY FITARAINANA MOMBA NY TONTOLO IAINANA – ATSINANANA

Ny fiarovana ny tontolo iainana dia andraikitry ny tsirairay. Rehefa misy fandotoana, fanimbana ny ala, fanariana fako tsy ara-dalàna, fandotoana ny rano na tranga hafa manimba ny tontolo iainana, dia manan-jo sy andraikitra hitatitra izany ianao! 🌱

✅ NAHOANA NO TOKONY HAMETRAKA FITARAINANA?

🌳 Hiaro ny ala sy ny harena voajanahary.

💧 Hisoroka ny fandotoana ny rano sy ny tany.

🏘️ Hiaro ny fahasalamana sy ny tontolo iainan’ny mponina.

⚖️ Hanampy amin’ny fandraisana andraikitra sy ny fitadiavana vahaolana amin’ireo olana ara-tontolo iainana.

📣 AIZA NO AZO AMETRAHANA FITARAINANA?

Raha mahita na mahatsikaritra tranga manimba ny tontolo iainana ianao, dia aza misalasala mitatitra izany amin’ireto toerana sy laharana ireto:

📞 1. FITARAINANA MOMBA NY TONTOLO IAINANA

☎️ +261 34 20 782 78

🌳 2. FANDRAVANA NA FITRANDRAHANA TSY ARA-DALÀNA NY ALA

☎️ +261 34 11 043 47
☎️ +261 34 15 661 77

👨‍💼 3. MIANTSO MIVANTANA NY TALE

☎️ +261 34 52 467 47

🟢 4. LAHARANA MAITSO (NUMÉRO VERT)

☎️ 955

🏢 5. MANATONA MIVANTANA NY BIRAO

📍 Biraon’ny DREDD Atsinanana, tandrifin’ny Gastro Pizza, Bazary Kely, Toamasina.

📍 Biraon’ny Cantonnement des Eaux et Forêts ao amin’ny Distrika tsirairay.

📌 Raha azo atao, dia omeo ny toerana nitrangan’ny tranga, ny daty, ny karazana fahasimbana ary ireo porofo azo antoka raha misy.

🤝 NY FITARAINANA ATAONAO DIA METY HO DINGANA VOALOHANY HITONDRANA VAHAOLANA!

Aza mangina, aza odian-tsy hita ny fahasimbana. Ny tatitra ataonao dia manampy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny hoavin’ny taranaka.

🌍 TONTOLO IAINANA VOARO, FIAINANA VOARO!

💚 MIARA-MIENTANA, MIARA-MIARO NY TONTOLO IAINANA!




ANDRO TSY MISY FANDOTOANA , TSY MISY ARONA PLASTIKA🌿 VATOMANDRY | HETSIKA HO AN’NY TONTOLO IAINANA Madio: MAMPITOMBO NY ...
17/10/2026

ANDRO TSY MISY FANDOTOANA , TSY MISY ARONA PLASTIKA

🌿 VATOMANDRY | HETSIKA HO AN’NY TONTOLO IAINANA Madio: MAMPITOMBO NY FAMPIASANA HARONA MAHARITRA, MAMPITSAHATRA NY PLASTIKA

📍 Vatomandry | 14–15 Oktobra 2026

Ho fanamafisana ny ady amin’ny fandotoana ny tontolo iainana sy ho fampiroboroboana ny fomba fiaina maharitra, dia nanatanteraka hetsika fanentanana, fanabeazana ary fanofanana momba ny fampihenana ny fampiasana harona plastika ny tompon’andraikitra tao Vatomandry, ny 14 sy 15 Oktobra 2026.

Nifantoka tamin’ny voka-dratsin’ny harona plastika eo amin’ny tontolo iainana sy ny fahasalamana ny hetsika, ary nampiroborobo ny fampiasana harona azo ampiasaina imbetsaka, toy ny harona lamba sy ireo vita amin’ny akora voajanahary. Nohamafisina ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fahadiovana sy ny andraikitry ny tsirairay amin’ny fitandroana ny fahadiovan’ny toeram-ponenana sy ny toeram-pianarana.

📊 VOKATRA AZO

🔹 Fanentanana tao amin’ny Bazary Ampandranenty

Olona manodidina ny 4 900 no nisitraka fanentanana momba ny voka-dratsin’ny harona plastika sy ny fomba azo ampiharina hampihenana ny fampiasana azy eny anivon’ny fiarahamonina.

🔹 Fanabeazana ara-tontolo iainana tao amin’ny CEG sy EPP Ambilakely

Mpianatra 750, mpampianatra 30 ary ray aman-drenin’ny mpianatra 49 no nandray anjara tamin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana, izay nanasongadina ny fampihenana ny fako plastika sy ny fitandroana ny fahadiovan’ny toeram-pianarana.

🔹 Fanofanana ireo fikambanana tao amin’ny Fokontany Ampasimazava

Mpikambana 51 avy amin’ny fikambanana MIRAY sy MIARA-MIRINDRA no nahazo fanofanana momba ny fampiasana harona manaja ny tontolo iainana sy ny fampiroboroboana ireo fomba fanao maharitra eo anivon’ny fiarahamonina.

🌱 HAFATRA HO AN’NY REHETRA

Tsy ampy ny manadio rehefa efa maloto. Mila misoroka ny fandotoana isika, manomboka amin’ny safidy ataontsika isan’andro.

✅ Ahenao ny fampiasana harona plastika.
✅ Misafidiana harona azo ampiasaina imbetsaka.
✅ Aza manary fako eny rehetra eny.
✅ Ampianaro ny ankizy sy ny manodidina anao hitandro ny fahadiovana.

Ny fiarovana ny tontolo iainana dia andraikitry ny tsirairay. Ny fiovana kely ataontsika anio no fototry ny tontolo madio sy salama rahampitso. 🌍

🔥🌡️ EL NIÑO : MAHANORO MIOMANA, HAMAFISINA NY ADY AMIN’NY DORO TANETY SY DORO ALA! 🌿🚨📍 MAHANORO | 13 OKTOBRA 2026⚠️ Mety...
16/10/2026

🔥🌡️ EL NIÑO : MAHANORO MIOMANA, HAMAFISINA NY ADY AMIN’NY DORO TANETY SY DORO ALA! 🌿🚨

📍 MAHANORO | 13 OKTOBRA 2026

⚠️ Mety hitombo ny loza ateraky ny afo! Mila mailo sy mandray andraikitra ny tsirairay.

Manoloana ny mety ho fiantraikan’ny El Niño, manomboka amin’ny Oktobra 2026 ka hatramin’ny Martsa 2027, dia manamafy ny hetsika fisorohana ny doro tanety sy doro ala ny Ben’ny Ala ao Mahanoro.

📢 ANTSO AMIN’NY ONJAM-PEO : FANENTANANA MBA HISOROHANA NY LOZA!

Antso lehibe sy fandaharana fanentanana amin’ny radio no entina hampahafantarana ny mponina ny loza mety hitranga sy ny fepetra tokony horaisina hiarovana ny ala sy ny tontolo iainana.

🌳 IREO HAFATRA FOTOTRA ARAHINA : 🔸 Tandremo ny fampiasana afo rehefa manadio tanimboly! 🔸 Araho maso akaiky ny toerana ampiasana afo! 🔸 Aza avela hiparitaka ny afo, fa mety hiteraka fahavoazana lehibe! 🔸 Mampandre avy hatrany ny tompon’andraikitra raha misy doro tanety na doro ala!

🚨 AFON’NY OLONA IRAY, METY HO LOZA HO AN’NY REHETRA!

Ny fisorohana dia andraikitry ny tsirairay. Aoka tsy hiandry ny fahavoazana vao handray andraikitra. Arovy ny ala anio, hiarovana ny tontolo iainana sy ny hoavin’ny taranaka!

🤝🌿 MAHANORO MAILO, ALA VOARO, TONTOLO IAINANA LOVAIN-JAFY!

🌳 FIAROVANA NY ALA SY FANARAHA-MASO NY FAMBOLEN-KAZO: 80% NY ZANA-KAZO NO MANIRY! 🌱🌿 1. FISAFOANA ALA: TSY NAHITANA TRAN...
16/10/2026

🌳 FIAROVANA NY ALA SY FANARAHA-MASO NY FAMBOLEN-KAZO: 80% NY ZANA-KAZO NO MANIRY! 🌱

🌿 1. FISAFOANA ALA: TSY NAHITANA TRANGA FANDRIPAHANA ALA

Nanatanteraka fisafoana tao amin’ny Ala Fady ao Vohinala, manodidina ny tanànan’i Ambinanindrano sy Fanatsarana, ny Ben’ny Ala ao Antanambao Manampontsy.

✅ Vokatra tsara no azo, satria tsy nahitana tranga fandripahana ala nandritra ny fisafoana. Manaporofo izany ny maha-zava-dehibe ny fanaraha-maso tsy tapaka amin’ny fiarovana ny ala.

🌱 2. FANARAHA-MASO NY FAMBOLEN-KAZO: 80% NY ZANA-KAZO NO MANIRY

Nohararaotina ihany koa ny fotoana nanaovana fanaraha-maso ireo zana-kazo novolena tao Fanatsarana, Fokontany Ambodivoangy, Kaominina Antanambao Manampontsy.

📊 Vokatra azo: manodidina ny 80% amin’ireo zana-kazo no maniry. Vokatra mampahery izany ary manasongadina ny maha-zava-dehibe ny fikojakojana sy ny fanaraha-maso aorian’ny fambolen-kazo.

🔥 3. MISOROKA NY AFO, MIARO NY ALA!

Nohamafisina ny fampitandremana ireo olona manadio tanimboly manamorona ny ala, mba hisorohana ny fiparitahan’ny afo izay mety hanimba ny toeram-pambolen-kazo sy ny ala voajanahary mbola tavela.

⚠️ Aza avela handrava ny ezaka vita ny afo! Adidin’ny tsirairay ny mandray andraikitra amin’ny fiarovana ny ala sy ny tontolo iainana.

🤝 DREDD ATSINANANA SY NY FOKONOLONA: MIARA-MIENTANA HO AN’NY ALA MAHAVELONA!

Ny fiarovana ny ala sy ny fikolokoloana ny zana-kazo dia ezaka mitohy, mitaky ny fandraisan’anjaran’ny rehetra mba hiantohana ny faharetan’ny harena voajanahary sy ny lova ho an’ny taranaka.

🌳 Arovy ny ala anio, mba hanana tontolo maitso sy maharitra ny taranaka rahampitso!


🌳
🌱
🔥

🌳 FANTARO NY SOKAJIN-KAZO ETO MADAGASIKARA SY NY LALÀNA MIFEHY NY FITRANDRAHANA AZY!🌿 Tsy mitovy ny karazan-kazo, samy m...
15/10/2026

🌳 FANTARO NY SOKAJIN-KAZO ETO MADAGASIKARA SY NY LALÀNA MIFEHY NY FITRANDRAHANA AZY!

🌿 Tsy mitovy ny karazan-kazo, samy manana ny lanjany sy ny fampiasana azy. Eto Madagasikara, ny hazo dia sokajiana araka ny lanjany ara-barotra, ka misy sokajy dimy: Sokajy I, II, III, IV ary V.

🌳 Inona avy ireo sokajy ireo?

🔹 Sokajy I sy II: Hazo sarobidy, manana lanja ara-barotra ambony.

🔹 Sokajy III: Hazo manana lanja ara-barotra antonony ka hatramin’ny avo.

🔹 Sokajy IV: Hazo fampiasa amin’ny asa hazo andavanandro.

🔹 Sokajy V: Hazo fampiasa indrindra amin’ny kitay sy ny angovo, arakaraka ny karazany.

⚠️ FANTARO NY LALÀNA!

🚫 Misy karazan-kazo voararan’ny lalàna ny fitrandrahana na ny varotra azy, indrindra ireo hazo sarobidy sy arovana manokana.

📋 Tsy azo tapahina na trandrahana an-kalalahana ny hazo! Na inona na inona karazany, dia tsy maintsy arahina ny fepetra sy ny fomba fiasa takian’ny lalàna, ary alaina ny fahazoan-dalana ilaina eo anivon’ny Fitantanan-draharahan’ny Ala alohan’ny hanapahana na hitrandrahana azy, araka ny lalàna manan-kery.

⚖️ Mety hiharan’ny sazy ara-dalàna, anisan’izany ny fandoavana lamandy na ny sazy an-tranomaizina, ny olona mandika izany, arakaraka ny fandikan-dalàna natao sy ny fepetra voalazan’ny lalàna.

🌱 Arovy ny ala, hajao ny lalàna, ary ampiasao am-pahendrena ny harena voajanahary! Ny fiarovana ny ala dia andraikitsika rehetra, ho lova ho an’ny taranaka fara aman-dimby.

DREDD ATSINANANA — Miaro ny ala, miaro ny ho avy! 🌳💚

Address

Tanambao II Plle 31/11-Batiment DREDD En Face GASTRO PIZZA Bazary Kely
Toamasina
416

Opening Hours

Saturday 00:00 - 00:00
Sunday 00:00 - 00:00

Telephone

+261345071622

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DREDD Atsinanana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to DREDD Atsinanana:

Shortcuts

Share