12/08/2021
Notanterahina ny 11 sy 12 Aogositra 2021 ny "Journées Agroécologiques" ho an'ny Faritra ALAOTRA MANGORO.
Nohamarihina tamin'ny fitsidihana ireo tany novolena sy nampiasaina ireo teknika maharitra sy mahomby izay vohizina ao anatin'ny "Agroécologie".
Nisy iany koa ny atrikasa izay nanehoana ny asa nataon'ireo mpisehatra rehetra izay natao tao amin'ny VAHINÉ AMBATONDRAZAKA.
Tonga nanatrika izany taty an toerana i Andriamatoa Tale Jeneralin'ny Fambolena (DGA) sy ny mpiara-miasa aminy.
04/03/2021
Fanagiazana ny trondro majinika izay milanja 700 kg voararan'ny lalana ny fivarotana azy izay nataon'ny ekipan'ny DRAEP Alaotra Mangoro androany 04 martsa 2021.
Mamerina ny fanentanana ho antsika mpisehatra amin'ny jono rehetra fa tsy azo atao ny :
-maka ny trondro madinika amin'ny alalan'ny fanaovana tosika,hamatra,rihi-drano,...
-fampiasana harato mihoatra ny 200 metatra.
-fampiasana ramangoaka sy ny harato kely maso rehetra.
Ny tanjona dia mba hampitomboana ny vokatra izay mampalaza ny faritra
02/02/2021
Notanterahina androany 02 febroary 2021 ny fanokafana ofisialy ny taom-pambolen-kazo sy ny fankalazana ny "journée mondiale des zones humides" taty am Faritra Alaotra Mangoro izay notanterahiny tao am kaominina Ambohitsilaozana sy Ambatosoratra.
Nandray anjara tamin'izany ny ekipan'ny DRAEP Alaotra Mangoro.
22/12/2020
22 decembre 2020: Réunion annuelle des vétérinaires mandataires-sanitaires de la Région ALAOTRA MANGORO qui se déroule dans la Salle de rénion du SRE Madiotsifafana AMBATONDRAZAKA.
28/11/2020
Notanterahina ny 27 novambra 2020 ny famindram-pahefana teo amin' Andriamatoa RABEARISOA Rado Lalao,tompon'andraikitra voalohany CIRAEP MORAMANGA teo aloha sy Ramatoa RABESOARAY Lova Fleurette izay voatondro hisolo toerana azy.
Mirary soa azy ireo hahavita ny andraikitra izay nomena azy ireo.
24/11/2020
Ny mpamboly avy aty amin' ny Faritra ALAOTRA MANGORO no nahazo ny laharana voalohany nasionaly tamin' ny fifaninanana VOLY VARY taom- pambolena 2019-2020 izay nokarakarain' ny Minisiteran' ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono.
Mpifaninana 3 voalohany avy aty amin' ny Faritra no nisitraka ny fanomezana teo amin' ny famokarana vary tsotra ary mpifaninana 3 iany koa teo amin' ny famokarana masomboly vary an-drano.
Notanterahina tany Anjozorobe ny lanonana ny 20 novambra 2020 lasa teo.
12/11/2020
Notanterahina androany 12 novambra 2020 teto amin' ny kaominina Morarano Chrome ny fizarana masomboly ho an'ireo mpamboly manaraka ny teknika PAPRIZ.
Natao izao ho fanampiana ny mpamboly noho ny fandalovan' ny valanaretina Coronavirus ary koa ho fanentanana azy ireo hampiasa ny masomboly voamarina sy ny teknika PAPRIZ
06/11/2020
6-11-2020: Mba ahafahan'ny mpamboly misitraka ny toro- hevitra sy fanafody manaraka teknika eo amin' ny fiarovana ny voly, dia notontosaina androany ny fampiofanana ireo mpivarotra tranainy sy vaovao eto amin' ny bassin Alaotra. Omena fiofanana manokana izy ireo satria na fanafody aza ny fiantso ireny pesticide ireny ,poizina izy ireny ka ilana fitandremana sy fahaizana manokana ny fikirakirahana sy fampiasa azy.
Mahazo ny marim- pahaizana hivarotra ireo fanafody amin'ny fambolena ireo olona ireo rehefa vita ny fampiofanana.
Isaorana ny DPV nanohana ny DRAEP Alaotra Mangoro tamin' ny fanatontosana izao fampiofanana izao.
06/11/2020
Noho ny maha seham- pihariana vaovao ny vanille aty amin' ny Faritra Alaotra Mangoro dia notontosaina tao amin' ny kaominina ambanivohitra Vohimena sy Andrebakely Avaratra ny fampiofanana mikasika ny famakiana felana vanille mba ho tojo vokatra hatrany ny fikirakirahana ataon' ny mpamboly tsirairay avy.
Hamafisina hatrany fa amin' ny 8 ora maraina raha tara indrindra ny famakiana ny felana vanille.
06/11/2020
Fandraisana anjara ny mpiasan' ny Fambolena,Fiompiana ary ny Jono tamin' ny fanomanana ny zana-kazo ho ambolena amin'ity taona 2020-2021 ity,ny androany 6 novambra 2020 teto am CAFPA Ambohitsilaozana.
Madagasikara rakotra ala no tanjona