20/08/2026
🇲🇬 **MITOHY NY DIA — MITOHY NY TOLONA** 🇲🇬
Miarahaba antsika rehetra tompoko. 🙏
Lalana maro no efa nodiavina, tanàna maro no efa nolalovana, ary Malagasy maro no efa nihaonana sy niara-nifanakalo hevitra taminay nandritra ity **Formation Fanovan-drafitra** ity.
🚙🛣️ Taorian’i **Betafo, Ankazomiriotra, Mandoto, Miandrivazo, Mahabo, Morondava, Manja, Morombe, Toliara (Basia sy Maninday), Ankazoabo, Sakaraha, Bezaha ary Benenitra**, dia miroso hatrany ny dia, aty amin'ny faritra atsimo ny Nosy. 🌍🇲🇬
Ny zavatra iray miharihary hatrany amin’ireo fifanakalozan-kevitra ireo dia izao:
💡 **Tsy ampy intsony ny manova olona, raha ilay Rafitra mamokatra ny olana hatrany no avela tsy hiova.**
Afaka manova mpitondra isika. Afaka manova governemanta. Afaka manova tompon’andraikitra imbetsaka. Kanefa raha mbola ilay fomba fitantanana, ilay fomba fandaminana ary ilay Rafitra efa tsy mahavaha ny olan’ny Malagasy no mitoetra, dia hiverimberina hatrany ireo olana efa iainantsika am-polony taona maro. 🔄
Izany indrindra no antony anaovana ity **Formation Fanovan-drafitra** ity. 🧠📚
Natao hanomezana fitaovana hahafahan’ny olom-pirenena **mandinika, mamakafaka, mametra-panontaniana ary mahafantatra ny fototry ny olana**.
Satria ny fanovana maharitra dia tsy miainga amin’ny fanoloana olona fotsiny.
👉 Miainga amin’ny **fahafantarana**.
👉 Miainga amin’ny **fahatsiarovan-tsaina sy fahatsiarovan-tena**.
👉 Miainga amin’ny **fandraisana andraikitra**.
👉 Ary miainga amin’ny **Olom-pirenena tompon’andraikitra**. 🇲🇬🤝
Ny Tolona nataontsika dia **TOLONA Fanovan-drafitra**. Koa tsy tokony hijanona amin’ny teny hoe *fanovana* fotsiny izany, fa tokony ho fantatsika mazava hoe: **inona marina no hovaina, nahoana no hovaina, ary rafitra manao ahoana no tokony hatsangana ho solony?** 🏗️
📍 Ho anareo aty amin’ny Faritra Atsimo, mbola mitohy ny fihaonana sy ny formation:
➡️ Betioky
➡️ Ejeda
➡️ Ampanihy
➡️ Beloha
➡️ Tsihombe
➡️ Ambovombe
➡️ Amboasary
➡️ Taolagnaro
➡️ Antanimora Atsimo
➡️ Bekily
➡️ Betroka
➡️ Ihosy
➡️ Ambalavao
➡️ Vohibato
➡️ Fianarantsoa
🤝 **Tongava hifanakalo hevitra. Tongava hihaino. Tongava hametra-panontaniana. Tongava handinika miaraka.**
Tsy mila mitovy hevitra isika vao afaka mifampiresaka. Fa mila mahay mihaino, mandinika ary miara mitady izay tena vahaolana maharitra ho an’ny firenentsika. 🇲🇬
🤝 **Ny fanovana an’i Madagasikara dia mila ny fandraisana andraikitry ny Malagasy tsirairay.**
Mitohy ny dia. 🚙🇲🇬
Mitohy ny formation. 📚
Mitohy ny fifanakalozan-kevitra. 🤝
**Mitohy ny TOLONA Fanovan-drafitra.**