Misaotra Ra TIM a ! đđœđŸ
Max Andonirina Fontaine
Citoyen lambda
Misaotra taminâny ilay experience sy ny asa vitanao sy ny ekipanao ! đđœđ„ Sady fomba fanentanana ara-tontolo iainana iany koa.
Izaho koa mba hanao dimy andro raha Aaron en parle an đđ
17/04/2026
Une blessure en finale, une opĂ©ration, deux ans de patience. đ€
Aujourdâhui, mĂȘme finale, mĂȘme terrain, mĂȘme frĂšre et enfin, la fermeture du chapitre de cette blessure. đ
Misaotra zandry a đđŸ
AM-PITIAVANA â€ïž
Mankasitraka indrindra aminâny rehetra ! đđŸ
Mahaleova mahalasana Atoa Ministra đČđŹđ€
30/09/2025
Version française en dessous
đž Sary anisanâny tena nahafinaritra ahy indrindra taminâny naha-ministra ahy (septembre 2025)
Ry mpiray tanindrazana, đČđŹ
Mankasitraka indrindra taminâny fitondrana am-bavaka sy teny fankaherezana rehetra voaraiko. đđŸ
Amin'ny maha-tanora ahy, dia raisiko ho voninahitra tokoa no niantsoana ahy hanompo ny firenena, tamin'ny alalan'ny asako teo amin'ny sehatra tsy miankina sy iraisam-pirenena, ary nataoko tamim-panetren-tena izany. Misaotra anâAndriamatoa Filoha ny tenako taminâny fahatokisana ahy.
Rariny ny fanapahan-kevitra noraisin'ny Andriamatoa Filoham-pirenena, satria tsy nahavaly ny filan'ny vahoaka ny vokatra avy amin'ny Governemanta.
Tao anatinâny roapolo volana, niezaka nanao izay rehetra azoko natao aho: nampandroso ny Ministera izay tena zava-dehibe ho anâny nosintsika đż, nitondra ny feonâi Madagasikara teo aminâny sehatra iraisampirenena đ, ary indrindra indrindra, niezaka nanatona akaiky ny vahoaka: tany an-tsekoly, tany ambanivohitra, ary tany aminâny faritra maro. đČđŹ Nampianatra ahy zavatra maro izany. Mankasitraka ny ekipa rehetra sy ny mpiara-miombonâantoka izay niara-niasa tamiko. Tena nahafinaritra ahy ny nahita ireo mpiasa-mpanjakana manana traikefa sy kalitao ary vonona hatrany hiezaka ho anâny firenena. đđœ
Tsy miova amin'ireo soatoavina izay nitondra ahy hatrizay.
Ny hetsika ataonâny tanora, izay maneho fahasahiana sy milamina, dia heveriko fa ara-drariny. Mampatsiahy antsika izy ireo fa zava-dehibe ho anâny vahoaka ny jiro sy ny rano, ary koa ny fahafahana maneho hevitra.
Hanoratra pejy vaovao amin'ny fiainako aho, ary mety ho lavitry ny sehatra politika izany.
Tena mbola betsaka ireo asa miandry, izay azo atao ho an'i Madagasikara sy ho an'izao tontolo izao. Maro ireo ady miandry sy mila ahy, azo tsapain-tanana, sy tena laharam-pahamehana. đ±
Matoky ny herinâny vahoaka Malagasy sy ny fahendreny aho, ary mino mafy fa hanova zavatra tsara eto aminâny tantaranâi Madagasikara ny herinâny tanora.âđŸ
Alefa Madagasikara!đČđŹ
Ho anâny tanin-janaka â€ïž
Max Andonirina Fontaine
------------
Chers Malagasy,
Vos messages, vos encouragements, vos priĂšres et vos mots dâespoir mâont beaucoup touchĂ©. Je vous remercie du fond du cĆur.
Si jâai Ă©tĂ© appelĂ© Ă servir, câest pour mes rĂ©sultats dans le secteur privĂ© et Ă lâinternational, malgrĂ© mon jeune Ăąge. Je remercie SEM. Le PrĂ©sident de la RĂ©publique Andry Rajoelina pour la confiance quâil mâa accordĂ©.
Le limogeage du gouvernement est une dĂ©cision lĂ©gitime du PrĂ©sident car nous nâavons pas rĂ©ussi Ă rĂ©pondre Ă tous les besoins de la population. Ces vingt mois, jâai essayĂ© de tout donner : faire avancer un ministĂšre important pour lâavenir de notre pays, porter fiĂšrement la voix de Madagascar Ă lâĂ©tranger, et surtout aller au plus prĂšs de la population, dans les Ă©coles, les villages, les rĂ©gions. Câest lĂ que jâai appris le plus. Je remercie mes collaborateurs et les partenaires. Jâai pu travailler avec des fonctionnaires compĂ©tents et travaillant dâarrache-pied au quotidien pour le pays.
Je reste fidĂšle Ă mes valeurs, simple, ancrĂ© dans ma famille. Mais aussi avec la conviction profonde que les revendications des jeunes, de cette gĂ©nĂ©ration courageuse et pacifique, sont justes et lĂ©gitimes : elles rappellent au pays son devoir dâassurer lâessentiel, lâeau, lâĂ©lectricitĂ© et la dignitĂ©.
Il y a tant Ă faire pour Madagascar et pour le monde. Dâautres combats mâattendent, utiles, concrets, nĂ©cessaires.
Je garde foi en la sagesse du peuple malagasy, et plus encore en sa jeunesse, qui transformera son Ă©nergie en une puissance crĂ©atrice pour bĂątir le Madagascar de ses rĂȘves.
Alefa Madagasikara
Ho anâny taninjanaka â€ïž
Max Andonirina Fontaine
20/09/2025
â»ïž Tena mahafaly ahy ny mahita fa samy manana fikasana sy fahavononana hanova zavatra isika rehetra ! đ€© Satria raha te-hanana tanĂ na madio sy tontolo iainana maharitra isika dia tsy maintsy miara-mientana aminâny fandraisana andraikitrađđȘ
18/09/2025
đđ€
15/09/2025
đČđŹ đ€ đȘđș
13/09/2025
Miverina mianatra ny mpianatra đ€©đđŸ
Misaotra CEG Nanisana đđœ
đ€Mpianatra mavitrika efa hoe 1 200 mahery no nandray ahy sy ny mpiara miasa amiko đ Tsapako fa tena mazoto ianareo đ
đżFanombohana tamin'ny fomba ofisialy ny Green Action School (GAS).Nisy ny fitsidihina ny rindrina maitso maneho fanabeazana voalohany natao ho asa mivaingana ao anatinâizany modely izany. Ny GAS dia hiarahana miasa amin'ny Ministeran'ny fanabeazam-pirenena.
â»ïžNy Green Action School (GAS) dia fomba fianarana vaovao izay mampianatra ireo ankizy mba hiaro ny tontolo iainana aminâny asa hatao andavanandro : ao ny fanodinana plastika, famoronana toerana maitso, na fikarakarana fako.
đČđŹđż Fihetsika kely atao isanâandro dia afaka manampy aminâny fiarovana ny tontolo iainana sy aminâny fanorenana Madagasikara maitso ho anâny taranaka. đ±
12/09/2025
â ïžđTsy ny ala sy ny biby ihany no lasibatra aminâny fandotoana, fa isika olombelona ihany koa dia tena voakasika amin'izany. Rehefa misy setroka be loatra ny fiara dia mivantana aminâny havokavoky ny olombelona izany. Rehefa misy merkiora tafiditra ao anaty rano, dia mihinana sakafo avy aminâio rano io isika, ary aminâizany no mahavoa antsika ihany koa.
đ€Nanolotra fitaovana vaovao ho anâny polisin'ny tontolo iainana Iainana ny Minisiteranâny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy â
â»ïž Fitaovana fandrefesana setroka avoakan'ny fiara, izay mahavita mandrefy avy hatrany ny habetsahanâny entona mivoaka. Misy ihany koa fitaovana fandrefesana ny merkiora aminâny rivotra, ny rano ary ny tany.
đżIreo dia fitaovana tena maoderina, ary ahafahana mamantatra avy hatrany ny ambaratonganâny loto, ka hanamora ny fanapahan-kevitra izay tokony ho raisinađđ
đđ isaorako manokana ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka tonga nanatrika ny fanolorana fitaovana.
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Category
Website
Address
Antananarivo
101
