11/06/2026
FANAHY MASINA MPITARIKA AHY
SALAMO 32:8
Inona no tokony tsy hahombiazan'ny olona iray raha ny Fanahy Masina no Mpitarika azy?
Zavatra tsy hisy izany!
Azo antoka ny fitantanany! Mila izany isika rehetra.
Tongava hamantatra sy hiaina bebe kokoa ny fitantanany ary!
08/06/2026
FANDAHARANA "HIVAVAKA HO ANAO AHO"
Manova ny tranga ratsy ho tsara! Azo atao ve?
Eny! Azo atao tsara!
Sady hampianatra aho no hivavaka ho anao!
Entano ny namana rehetra ary!
03/06/2026
WOUAOU!!!! Tsara ity volana ity!
Volana "FITARIHAN' ANDRIAMANITRA"
Hianatra isika, ahoana no fandraisana ny fitarihan' Andriamanitra marina amin'ny fiainantsika ?
Ny ALAHADY IZAO, hiaraka hisaotra Azy isika noho izany FAHASOAVANA LEHIBE omeny antsika izany!
Tongava maro!
01/06/2026
3 andro FANARENANA AVY ANY AMBONY.
Hoy ny tenin' Andriamanitra :
"Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny nahorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin'ny tany." ISAIA 58:12.
Raha hino ianao dia ho hitanao ny voninahitr' Andriamanitra.
Asao ny namanao; ary ianao, tandremo tsy mahatratra raha mila io FANARENANA io ny fiainanao!