29/05/2026
๐ฅ๐ฅ FANDAHARANA MANOKANA ๐ฅ๐ฅ
Fandaharana manokana iarahana amin'ny Kรดlรดnely ๐ฅ๐๐ก๐๐ฅ๐๐๐ก๐๐ฅ๐๐ก๐ ๐ ๐ถ๐ฐ๐ต๐ฎ๐ฒ๐น, filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara ny Alahady 31 Mey 2026 izao manomboka amin'ny 8 ora Alina.
Harahinao eto amin'ny TVM ๐บ sy RNM ๐ป ary ireo haino aman-jery tsy miankina hafa.
28/05/2026
๐ฆ ๐๐๐ฅ๐๐ง๐ฅ๐ ๐๐๐๐ก๐: ๐ ๐๐ฅ๐ข๐ฆ๐ข ๐๐๐ง๐ฅ๐๐ก๐ฌ ๐๐ ๐๐กโ๐ก๐ฌ ๐๐๐ฌ ๐๐ ๐๐ก'๐ก๐ฌ ๐๐ข๐ก๐ข ๐ง๐ฆ๐ฌ ๐๐ฅ๐-๐๐๐๐ฬ๐ก๐
๐๐๐ฎ๐ฃ๐ข๐ฏ๐ซ๐ข | 28 ๐๐ฆ๐บ 2026 |
๐ Anisanโny faritra manana fari-dranomasina midadasika ny Faritra DIANA satria dia mirefy hatrany aminโny 550 Km eo eo ny halavanโny morontsiraka . Tombony lehibe ho anโny sehatry ny jono izany satria dia ahitana harena an-dranomasina maro samihafa ny ao anatiny . Tandindomin-doza nefa izany ankehitriny nohonโny firongatry ny jono izay atao aminโny andro alina na โGavanaโ sy ny fampiasana fitaovana voararanโny lalร na toy ny โBamoloko sy Kaokobeโ izay mahatonga ny fanjonoana miompampana ka mitarika any aminโ ny faharitrahanโireo harena voajanahary an-dranomasina aingana , tsy vitanโizay ihany anefa fa hita sy voatsikaritra fa anisan'ny mahatonga ireo disadisa eo aminโireo samy mpanjono sy ireo mpiantsehatra eny an-dranomasina izany tranga izany.
โถ๏ธ Raha tsiahivina dia efa manana ny lalร na mahakasika ny fanjonoana toy ny didim-pitondrana laharana faha 0156/2011 sy ny Fehezan-dalร na mifehy ny jono taona 2015 isika eto Madagasikara saingy mbola maro ireo lesoka ny aminโny tsy fampiharana azy, eo ihany koa ny tsy fahampian'ny fanaraha-maso, ary ny tsy fahafantaran'ny mpisehatra sasany ny lalร na.
โถ๏ธ Mba hamahana izany olana rehetra izany dia misy ny atrikasa tanterahina mandritra ny roa andro ao amin'ny hotel ยซ La Piscine ยป Ambanja ny faha 28 โ 29 Mey 2026 izao .Tonga mifanakalo hevitra sy mandray anjara eto daholo na ny tomponโandraikim-panjakana isan-tsokajiny izay ahitana ny Ministeran'ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny mpitsara, ny mpitandro filaminana ary eo ihany koa ireo solontenanโny mpanjono rehetra avy aminโny faritra. Mandray anjara ihany koa ny fikambanana mpiaro ny tontolo iainana an-dranomasina sy ireo mpiara miombonโantoka aminโny sehatry ny jono.
โ
Raha ny vokatra andrasana aminโity atrikasa ity, dia ny hivoahanโny vaha olana azo ampiharina sy azo tsapain-tanana toy ny tondro-zotra izay hahitana asa sy fe-potoana ary andraikitra voafaritra mazava tsara ho anโny tsirairay ary ho mpanjono manaja ny lalana mifehy ny jono mba tsy hijanona ho resaka ambony latabatra fotsiny ihany izao fihaonana izao fa hisy fiantraikany mivantana tsara ho an'ireo vahoaka miaina sy mivelona amin'ny asa fanjonoana.
27/05/2026
๐ฆ๐๐๐ ๐ฃ๐๐ฅ๐ข๐๐ข๐ฅ๐ข๐๐ข๐๐ก๐ ๐ก๐ฌ ๐๐๐ข๐ ๐ฃ๐๐๐ก๐ ๐ง๐ฅ๐ข๐ก๐๐ฅ๐ข : ๐๐๐ก๐๐ ๐๐๐ฌ ๐ก๐ฌ ๐๐๐๐ฅ๐๐๐-๐ ๐๐๐ฆ๐ ๐ก๐ฌ ๐ ๐ฃ๐๐ ๐ฆ๐ฌ ๐ก๐ฌ ๐๐๐ญ.
๐ค Nisy ny fihaonana teo amin'Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Pr MAHARAVO Jean sy Atoa Olivier JOFFRE izay lehiben'ny Tetikasa eto Madagasikara. Fihaonana izay notanterahina teny amin'ny biraon'ny Ministera teny Ampandrianomby-Antananarivo ny faha 26 Mey 2026 lasa teo.
โ
Nifantohan'ny diniky ny roa tonta ny fanamafisana ny fiaraha-miasa izay efa nisy hatramin'izay indrindra fa ny eo amin'ny
fampiroboroboana ny fiompiana trondro an-dranomamy. Tsiahivina fa efa maro ireo nanohanan'ny an'i Madagasikara raha ny teo amin'izay sehatry ny fiompiana trondro izay ary isan'izany ny famoahana ireo boky torolalana maro izay nanampy betsaka tamin'ny tahan'ny famokarana trondro teto Madagasikara.
25/05/2026
๐ ๐๐๐ง๐๐ฉ๐ง๐ ๐ฟ๐๐ผ๐๐ผ : ๐๐๐ง๐ค๐จ๐ค ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐ง๐ค๐จ๐ค๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐๐ ๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐๐๐ฃ๐๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ ๐๐๐๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐ฃ๐ฉ๐ค๐ก๐ค ๐ผ๐ฃ๐๐ง๐๐ฃ๐ค๐ข๐๐จ๐๐ฃ๐ ๐๐๐ฑ
โถ๏ธNisongadina tao aminโny Faritra DIANA ny hetsika maro notarihinโny Minisiteranโny Jono sy ny Toekarena Manga tamin'ny alalan'ny Fitsidihana niarahana tamin'A/toa Minisitra nandritra ny 3 Andro izay niompana taminโny fikobabiana ny tontolo andranomasina, ny fampandrosoana ny toekarena manga, ary ny fanohanana ireo mpanjono.
๐น Tontosa tao Diego I ny atrikasa momba ny Tetikasa Prosperer Blue vatsianโny KFW/GIZ, izay hampifandray ny fiarovana ny harena an-dranomasina sy ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy ho anโny mponina. Nohamafisinโny Minisitra MAHARAVO Jean fa manankarena biodiversitรฉ ny Faritra DIANA ka mila tantanana araka ny siansa sy ny innovation mba hitondra fampandrosoana maharitra.๐๐ฑ
๐น Tao Sahankazo Ambany kosa dia nosokafana ny rรฉserve drakatra taorianโny fermeture temporaire naharitra roa volana, hetsika iarahanโny mpanjono sy ny Conservation International/CM7B manatanteraka ho fiarovana ny harena an-dranomasina sy fampitomboana ny vokatra an-dranomasina.๐ฆ๐ฆ
๐น Tao amin'ny Cr Ambolozobe dia nisy fanolorana fitaovam-panjonoana sy fitaovana fanarahamaso ho anโireo vohitra 13 hiasan'ny conservation internationale CM7B, nahitana bateaux motorisรฉs, gilets de sauvetage, GPS ary tablette. Namporisika ny mpanjono ny Minisitra hikojakoja ireo fitaovana sy hanamafy ny fikobabiana ny tontolo iainana andranomasina.
๐น Any Antsisikala, Andranovondronina, dia nampahafantarina taminโny fomba ofisialy ny fametrahana ny Faritra Kobabiana Andranomasina Baie de Diego-Suarez sy Mer dโEmeraude, tantananโny ONG MADA miaraka aminโny famatsiam-bolanโny Tetikasa AROFANO. Notsindriana nandritra izany ny maha-zava-dehibe ny fikarohana ara-tsiantifika, ny fanajana ny kolontsaina ary ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary. ๐๐ฆ๐
โก๏ธ Tanjonโireo hetsika rehetra ireo ny hanamafisana ny fampandrosoana maharitra, ny fiarovana ny biodiversitรฉ, ary ny fanatsarana ny fari-piainanโny mpanjono sy ny mponina eny amorontsiraka ao aminโny Faritra DIANA.
.
24/05/2026
๐ฆ ๐๐ฅ๐๐ข ๐๐ฆ๐ ๐ก๐๐ก๐๐ ๐๐ฅ๐๐๐ ๐๐ฅ๐๐ข ๐๐ญ๐๐๐ ๐ง๐๐ก๐ฌ ๐๐ก๐๐ฉ๐ข๐ก'๐ก๐ฌ ๐๐๐ง๐๐๐๐๐ฉ๐๐ -๐ฃ๐๐ฅ๐๐ง๐ฅ๐ ๐ง๐๐ข ๐๐ก๐๐ง๐๐ก'๐ก๐ฌ ๐๐๐ฅ๐๐ก๐๐ก๐๐ฅ๐ข
๐๏ธ13 - 22 Mey 2026