08/10/2026
🧬🌿 Ahoana no ahafahan’ny "génétique" manampy antsika hiaro bebe kokoa ny zavamananaina?
🔬 Izany indrindra no nifantohan’ny Sekoly lohahevitra voalohany « Génétique ho an’ny fiarovana ny zavamananaina sy ny faharetan’ny tontolo iainana », izay notanterahina ny 28 Septambra ka hatramin’ny 8 Oktobra 2026 tao Amborovy, Mahajanga.
👩🔬👨🔬 Nandritra ny folo andro, niara-nivory ireo mpikaroka, mpianatra ary matihanina amin’ny fiarovana ny zavamananaina, mba hianatra, hanao fampiharana ary hifampizara traikefa, ka tanjona iray no iraisana: ny fahatakarana ny fomba handinihana ny fahasamihafan’ny fototarazo sy ny "génome" an’ireo karazana zavamananaina tandindomin-doza, mba hahafahana miaro bebe kokoa ny zavamananaina.
Raha ny marina, ny kaody génétique, izay fototra iorenan’ny aina, dia ahafahantsika mandalina amin’ny antsipiriany ireo lafin-javatra maro manan-danja amin’ny fiarovana ny zavamananaina, toy ny fifangaroan’ny fototarazo eo amin’ny havana akaiky (consanguinité), ny fiparitahan’ny karazana, ny haben’ny isan’ny mponina ary ny tantaran’ny fiovan’ny isan’ny mponina. 🧬🌱
💻 Anisan’ny lohahevitra nodinihina nandritra ny fiofanana ny "génétique des populations", ny fampiasana fitaovana nomerika, ny fahafahana mamerina sy manamarina ny vokatry ny fanadihadiana, ary koa ny fampiharana an-tsehatra sy ny tetikasa fikarohana niarahan’ny mpandray anjara. 📊🔬
🎯 Fiofanana nifantoka betsaka tamin’ny fampiharana, sady nametraka fanontaniana lehibe iray: ahoana no handikana ny vokatry ny fikarohana ho torohevitra sy fepetra azo ampiharina amin’ny fiarovana ireo karazana zavamananaina sy amin’ny fitantanana maharitra ny tontolo iainana? 🌿🐾
🤝 Ny IRD, ny Laboratoire Mixte International Paysages Madagascar Madagascar, ny Oniversiten’i Mahajanga, Antsiranana ary Antananarivo, ny CRBE (IRD – Université de Toulouse – CNRS) ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-tsiansa iraisam-pirenena maro dia nampitambatra ny fahaiza-manaony mba hanatanterahana ity andiany voalohany ity, ary handray anjara amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao momba ny génétique ho an’ny fiarovana ny zavamananaina eto Madagasikara. 🇲🇬🧬
🌍 Folo andro nanaovana fiofanana, fifanakalozana ary fifampizarana fahaiza-manao, ho fanamafisana ny fahalalana sy ny fahaiza-manao entina miaro ny harena voajanahary sy ny zavamananaina eto amin’ny Nosy. 🌿🐒🦎
**************************************************************************
🧬🌿 Comment la génétique nous aide-t-elle à mieux protéger la biodiversité ?
🔬 C’est l’enjeu de la première École thématique « Génétique de la conservation et durabilité des paysages », qui s’est tenue du 28 septembre au 8 octobre 2026 à Amborovy, Mahajanga.
👩🔬👨🔬 Pendant dix jours, , et professionnels de la conservation se sont retrouvés pour apprendre, expérimenter et partager autour d’un même objectif : comprendre comment étudier la diversité génétique et génomique des espèces menacées pour mieux préserver la biodiversité.
En effet, le code génétique, l’unité de base du vivant, nous permet d’étudier en finesse un grand nombre d’aspects (consanguinité, dispersion, taille de population, histoire démographique) informatifs pour la conservation. 🧬🌱
💻 Au programme : génétique des populations, analyse de données génomiques, outils numériques, reproductibilité des analyses, travaux pratiques et projets de recherche en groupe. 📊🔬
🎯 Une formation résolument tournée vers la pratique, mais aussi vers une question essentielle : comment transformer les résultats de la recherche en recommandations concrètes pour la conservation des espèces et la gestion durable des paysages ? 🌿🐾
🤝 L’IRD, le Laboratoire Mixte International Paysages Madagascar, les universités de Mahajanga, d’Antsiranana et d’Antananarivo, le CRBE (IRD – Université de Toulouse – CNRS) et plusieurs partenaires scientifiques internationaux ont ainsi uni leurs expertises pour proposer cette première édition et contribuer au renforcement des compétences en génétique de la conservation à Madagascar. 🇲🇬🧬
🌍 Dix jours de formation, d’échanges et de partage de compétences pour renforcer les connaissances et les savoir-faire au service de la conservation de la biodiversité dans la Grande Ile. 🌿🐒🦎
Université de Mahajanga Les Infos de l'Université d'Antananarivo