Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa
Page officielle du Ministรจre de l'Enseignement Supรฉrieur et de la Recherche Scientifique.
Pejy ofisialin'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa
31/05/2026
๐"๐๐จ๐ฆ๐ฆ๐ข๐ฌ๐ฌ๐ข๐จ๐ง ๐๐๐ญ๐ข๐จ๐ง๐๐ฅ๐ ๐'๐๐๐๐ข๐ฅ๐ข๐ญ๐๐ญ๐ข๐จ๐ง" (๐๐๐) ๐ฌ๐ฒ ๐ง๐ฒ "๐๐จ๐ฆ๐ฆ๐ข๐ฌ๐ฌ๐ข๐จ๐ง ๐๐๐ญ๐ข๐จ๐ง๐๐ฅ๐ ๐'๐๐๐๐ซ๐ฬ๐๐ข๐ญ๐๐ญ๐ข๐จ๐ง" (๐๐๐)
๐ซด Hanantanteraka fivoriana ny "Commission Nationale d'Habilitation (CNH)" sy ny "Commission Nationale d'Accrรฉditation" (CNA) ny faran'ny volana Jona 2026 ho avy izao. Ao anatin'ny fanomanana tanteraka ny eto anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa amin'izao. Entanina arak'izany ireo toeram-pampianarana ambony manana fangatahana (nouvelle demande) na fanavaozana (renouvellement) ny fahazahoan-dalana hisotraka (habilitation) na fankatoavana ny kalitaon'ny tolotra fanofanana (accrรฉditation) hametraka ny atontan-taratasy mahakasika izany raha mbola tsy voapetraka eny amin'ny tompon'andraikitra. Entanina ireo tompon'andraikitra tsy hiandry fotoana farany fa voafetra ihany ny isan'ireo fangatahana azo dinihina mandritra ny fotoam-pivoriana.
๐ซด Mampahatsiahy an'ireo mpianatra sy ny Ray aman-dReny ihany koa hanamarina fa antoka lehibe ho an'ny kalitaon'ny fanofanana sy ny lanjan'ny diplaoma ny fananan'ny toeram-pampianarana ny fahazoan-dalana hisokatra (Habilitation) sy ny fankatoavana ny kalitao (Accrรฉditation).
www.mesupres.gov.mg
29/05/2026
๐๐๐ก๐จ๐ญ๐จ๐ฆ๐ฬ๐ญ๐ซ๐ ๐ฌ๐จ๐ฅ๐๐ข๐ซ๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐ฏ๐จ๐๐ฅ๐จ๐ก๐๐ง๐ฒ ๐๐ญ๐จ ๐๐๐๐๐ ๐๐ฌ๐ข๐ค๐๐ซ๐ : ๐๐ข๐ญ๐๐จ๐ฏ๐๐ง๐ ๐ก๐๐ง๐จ๐ก๐๐ง๐๐ง๐ ๐ง๐ฒ ๐๐๐ฆ๐ฉ๐ข๐๐ง๐๐ซ๐๐ง๐ ๐ฌ๐ฒ ๐๐ข๐ค๐๐ซ๐จ๐ก๐๐ง๐ ๐ฆ๐จ๐ฆ๐๐ ๐ง๐ฒ ๐ญ๐จ๐๐ญ๐ซ๐๐ง๐๐ซ๐จ
๐ Notanterahina teny aminโny ESPA Vontovorona, ny 29 Mey 2026, ny fanokanana ny โPhotomรจtre solaire CIMEL CE318 voalohany eto Madagasikaraโ. Fitaovana ampiasaina ao aminโny lalam-piofanana Mรฉtรฉorologie sy Hydrologie , manampy aminโny fikarohana momba ny atmosfera, ny faminavinana ny toetrandro, ny fitaterana anโhabakabaka ary ny fanaraha-maso ny tontolo iainana.
๐ Nanotrona izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.
๐ Vokatry ny fiaraha-miasa taminโny Oniversitenโi Lille any Frantsa no nahazoana ny fitaovana, izay tafiditra ao anatinโny tambajotra iraisam-pirenena PHOTONS/AERONET. Nisy ny fampisehoana nataonโireo mpianatra momba ireo angon-drakitra voalohany azo teto Madagasikara taminโity fitaovana ity. Nanentana ny mpianatra kosa ny Minisitra hikajy sy hitandro tsara izany ho anโny taranaka manaraka.
www.mesupres.gov.mg
29/05/2026
๐ฅ๐ฅ FANDAHARANA MANOKANA ๐ฅ๐ฅ
Fandaharana manokana iarahana amin'ny Kรดlรดnely ๐ฅ๐๐ก๐๐ฅ๐๐๐ก๐๐ฅ๐๐ก๐ ๐ ๐ถ๐ฐ๐ต๐ฎ๐ฒ๐น, filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara ny Alahady 31 Mey 2026 izao manomboka amin'ny 8 ora Alina.
Harahinao eto amin'ny TVM ๐บ sy RNM ๐ป ary ireo haino aman-jery tsy miankina hafa.
29/05/2026
๐๐
๐ข๐ญ๐ฌ๐ข๐๐ข๐ก๐๐ง๐ ๐๐ซ๐-๐ฉ๐จ๐ฆ๐๐-๐ฉ๐๐ง๐๐ฃ๐๐ง๐ ๐ฌ๐ฒ ๐๐๐ฆ๐๐ฅ๐๐๐๐ฅ๐๐ซ๐๐ง-๐ค๐๐ฏ๐ข๐ญ๐ซ๐ ๐ง๐๐ญ๐๐จ๐งโ๐ข ๐๐ซ ๐๐๐ญ๐ซ๐ข๐๐ข๐ ๐๐ซ๐ข๐ ๐ก๐ญ ๐ญ๐๐ญ๐จ ๐๐ฆ๐ข๐งโ๐ง๐ฒ ๐๐๐๐๐๐๐๐
๐ซด Nitsidika ara-pomba-panajana ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ny 28 Mey 2026, Pr Patricia Wright manam-pahaizana manokana amin'ny sehatry ny primatologie sy anthropologie.
๐ซด Taorian'izany dia nisy ny famelabelaran-kevitra sy fifampizarana traikefa nataony, niaraka taminโireo solontena avy aminโny ivotoeram-pikarohana, notarihinโny Tale Jeneralinโny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RATSIMBASOA Claude Arsรจne. Nifantoka taminโny fikarohana ara-tsiansa, ny fiarovana ny lรฉmuriens ary ny biodiversitรฉ ny lohahevitra noresahina.
๐ซด Zava-dehibe ho anโny MESUPRES izao fihaonana izao noho izy manamafy ny fiaraha-miasa sy ny fampiroboroboana ny fikarohana ara-tsiansa eto Madagasikara. Marihina fa isanโireo nanangana ny Centre ValBio sy ny Valan-javaboarinโi Ranomafana ny Pr Patricia Wright, efa nanofana mpikaroka Malagasy maro taminโny alalanโny Stony Brook University ary vonona hiara-hiasa hatrany amin'ny fampandrosoana ny ivotoeram-pikarohana sy valan-javaboahary eo ambany fiahianโny Minisitera.
www.mesupres.gov.mg
28/05/2026
๐ ๐๐ง๐ข๐๐จ๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐ฌ๐๐๐ซ : ๐๐๐ก๐๐ญ๐ซ๐ ๐ก๐๐ง๐จ๐ฏ๐๐ง๐ ๐ง๐ฒ ๐๐ข๐ค๐๐ซ๐จ๐ก๐๐ง๐ ๐ก๐จ ๐ฏ๐๐ก๐๐จ๐ฅ๐๐ง๐ ๐ฌ๐ฒ ๐๐ฌ๐ ๐ก๐จ ๐๐งโ๐ง๐ฒ ๐ญ๐๐ง๐จ๐ซ๐
๐๐๐ก๐๐๐๐๐๐๐ ๐ก๐๐๐๐โ๐๐ฆ ๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐๐ฆ ๐๐ฆ ๐๐๐๐ฃ๐๐๐ ๐๐ก๐ฆ ๐ผ๐๐๐๐ฃ๐๐ก๐๐๐ ๐๐๐ (๐๐๐๐๐๐) ๐ฃ๐๐๐๐โ๐๐๐ฆ ๐๐ก๐ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐.
โ
Notokananโny Filohanโny Fanavaozana ny Repoblikanโi Madagasikara, Kรดlรดnely RANDRIANIRINA Michaรซl, teny Tsimbazaza ny 28 mey 2026, ny UniPod Madagascar, sehatra iray hanohanana ny tanora sy ny fandraharahana ary hanovana ny fikarohana ho vokatra azo ampiasaina aminโny fiainana andavanandro.
๐ซด Nambaranโny Filoha taminโizany fa fototra iorenanโny fanavaozana sy laharam-pahamehanโny Fitondram-panjakana ny tetikasa fampandrosoana ny fampianarana ambaratonga ambony. Nomarihiny ihany koa fa efa eo am-pitadiavana fomba hanitarana izao tetikasa izao manerana anโi Madagasikara ny Fitondrana.
๐ซด Tetsy ankilany, nanamafy ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, fa tsy tokony hijanona aminโny diplaoma sy teoria intsony ny fampianarana ambaratonga ambony fa hitondra vahaolana mivaingana ho anโny firenena. โSahia mamorona, sahia manavao, sahia miroso aminโny fandraharahanaโ, hoy hatrany ny Minisitra raha nanao antso ho anโireo tanora.
๐๐ Ahitana laboratoara momba ny robotika, ny faharanitan-tsaina artifisialy, ny Agrifood, ny GreenTech ary ny famindrana teknolojia ao aminโny UniPod. Ity ivon-toerana ity dia eo ambany fiahianโny Fitaleavana misahana ny Fikarohana sy ny Haivao (DRI) eto aminโny MESUPRES ary tohananโny PNUD aminโny alalanโny tetikasa panafrikanina โTimbuktooโ, miaraka aminโny Minisiteranโny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampandrosoana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP). Misy fifantenana ny tanora afaka miditra ao aminโny UniPod.
๐ซด Tanjonโny PNUD ny hanome hery ny tanora mba hahafahan'ny tanora mandray andraikitra aminโny alalanโny fampivelarana ny fahaizany sy ny tetikasany, hitondra vahaolana mifanaraka aminโny zava-misy eny ifotony ary handray anjara aminโny fananganana toekarena misokatra kokoa, matanjaka ary miomana aminโny ho avy, araka ny nambaranโi Dr Edward A. Christow, Solontena Maharitry ny PNUD eto Madagasikara.
โ
Nanatrika ny lanonana ireo Mpanolotsaina Avonโny Fanavaozana, mpikambana ao aminโny Governemanta, olo-manankaja maro, solontenanโny Oniversite, mpikaroka, mpianatra ary ireo mpandraharaha eto an-toerana sy avy any ivelany.
www.mesupres.gov.mg
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Category
Contact the business
Website
Address
Rue Andriamanantena Georges Fiadanana
Antananarivo
101
Opening Hours
| Monday | 08:00 - 17:00 |
| Tuesday | 08:00 - 17:00 |
| Wednesday | 08:00 - 17:00 |
| Thursday | 08:00 - 17:00 |
| Friday | 08:00 - 17:00 |
