11/11/2024
Fanompom-pivavahana sy fisaorana an'Andriamanitra noho ny faha 40 taona naha mpitandrina ny Reverend Dr. RANDRIAMANANJARA Philbert mivady (1984-2024).
Tetsy amin'ny METM Tranovato Betela Fitiavana Avaradoha SP 12 no niara- niombom-bavaka ireo mpino ho fisaorana sy fiderana an'Andriamanitra , ny Sabotsy 09 novembra 2024 lasa teo noho izany fotoan-dehibe izany. Tonga nanotrona izany fotoana izany ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ihany koa ny teo anivon'ny Fitaleavana misahana ny Fifandraisana ara-pinoana sy ara-piaraha-monina - Fiadidiana ny Repoblika (DRCC).
Ny teny nofinidy tamin'izany dia ny ao amin'ny II Kor. 1: 19 a,"... fa ny Zanak'Andriamanitra, dia Jesosy Kristy. Izay notorianay teo aminareo... "
Β© DRCC/ Novambra 2024
08/11/2024
Ny Alarobia 06 Novambra 2024 no nanatanterahana ny "π΅πͺππππππ 2024", izay natao tao amin'ny Novotel Ivandry.
Fivoriana isan-taona hataon'ny Fikambanana iraisam-pirenena βπΊππππππππ'π π·ππππβ izay tomponβny tetikasa "π»πππππππ π¨πππππ π²πππππππ" (π»π¨π²).
Raha tsiahivina, dia fikambanana manome sy mizara maimaim-poana fanomezana maro samihafa ho an'ireo ankizy sahirana eto Madagasikara sy amin'ireo tany andalam-pandrosoana maro ny πΊππππππππ'π π·ππππβ.Fanomeza avy amin'ny malala-tΓ nana avy any Eropa sy Etazonia ary tsy latsa-danja amin'izany asany Izany ny fizarana sy fitoriana ny Filazantsara.
Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny soloten'ny Fitaleavana misahana ny Ifandraisany ara-pinoana sy ara-piaraha-monina - Fiadidiana ny Repoblika (DRCC).
Tsara ny manamarika fa efa miroso tsikelikely amin'ny fiaraha-miasa ara-sosialy ny Fikambanana sy ny DRCC.
Β© DRCC/ Novambra 2024
06/11/2024
Akany Famonjena, Alarobia 6 novambra 2024
Tsy manadino anay ny Filohampirenena Andry RAJOELINA, eny na dia aty alavitra aty aza izahay, ary tanterahany aminay ny tenin'Andriamanitra hoe "...Fahano ary ny ondrikeliko"" hoy Ramatoa Hollande - mpitantana ny Akany Famonjena.
Tamin'ny fo feno hafaliana tanteraka, sy feno fankasitrahana no nandraisan'ity Akany ity ireo fitaovam-pianarana sy fidiovana avy amin'ny Fiadidiana ny Repoblika, izay nosoloan'ny Fitaleavana misahana ny Fifandraisana ara-pinoana sy ara-piaraha-monina tena (DRCC).
Zaza kamboty miisa 36, izay manomboka 4 taona no miakatra no beazina eto, Akany izay eo ambany fiahian'ny Fiangonana Anglikana.
Β© DRCC/ Novembre 2024
-monina
28/10/2024
Toamasina: Jobily faha 25 taona naha Eveka an'i Monseigneur SOLO Jean Paul
Nitodika tany amin'ny Faritra Atsinanana indray ny maso sy ny fon'ny mpino Anglikana.
Lamesa lehibe fiderana sy fisaorana an'Andriamanitra no natao ny Sabotsy 25 oktobra 2024 tao amin'ny Katedraly Santa Jakoba - Diosesy Toamasina nohon'ny Jobily faha 25 taona naha Eveka an'i Monseigneur SOLO Jean Paul.
"Alatsao ny haratonareo ahazoana hazandrano" Lioka 5:4 c, io teny nofinidy ho teny filamatra amin'izao taon-jobily izao.
Tonga nanome voninahitra an'Andriamanitra niaraka tamin'izy ireo sy nanotrona izao fotoan-dehibe izao, ary nisolo tena an'Andriamatoa Filohan'ny Repoblika Andry RAJOELINA RAJOELINA moa ny Fitaleavana misahana ny Fifandraisana ara-pinoana sy ara-piaraha-monina - Fiadidiana ny Repoblika (DRCC).
Β© DRCC/ Oktobra 2024
25/10/2024
βͺοΈEkar MD Louis de Gonzague Namontana: Notolorana fitaovam-pianarana ireo mpianatra
β¨οΈZaza miisa 250 indray no nisitraka fitaovam-pianarana avy amin'ny Fiadidiana ny Repoblika, tetsy amin'ny Ekar MD Louis de Gonzague Namontana. Ankizy ao amin'ny kilasy fahafito sy fahasivy, hiatrika ny fanadinam-panjakana.
πTonga nanolotra izany tamin'ny anaran'Andriamatoa Filohampirenena - Andry RAJOELINA - ny Talen'ny Kabinetra Sivily Ramatoa Elysa RAKOTONIRINA, sy ny teo anivon'ny Fitaleavana misahana ny Fifandraisana ara-pinoana sy ara-piaraha-monina,ny Zoma 25 oktobra 2024.
"Ny fijerena akaiky sy fanohanana ny ankizy dia tena ao ampon'ny Filohampirenena tanteraka, hoy Ramatoa Tale Kabinetra Sivily, ary tanterahany amin'ny alalan'ny asa izany, toy izao fanohanana anareo ara-pitaovana izao".
βοΈNitso-drano ireo zanaka ireto moa izy, sy ny Pretra eo anivon'ny sekoly.
βοΈTsara ny manamarika fa voalohany teto Anosybe sy teto anivon'ny sekoly no nisy famatsiana fitaovam-pianarana toy izao.
"Feno fankasitrahana tanteraka Anao izahay Andriamatoa Filohampirenena, hoy ny solontenan'ireo Raiamandreny, ary manome toky fa tena hanohana sy hampianatra ireo zanakay izay hoavintsika".π²π¬
Β© DRCC/ Oktobra 2024
23/10/2024
π«Volana vitsy tao aorian'ny fitsidihana ny Akany Fialofana Tangaina Ampitatafika, dia tonga nitsidika indray ity ivon-toerana ity ny teo anivon'ny Fitaleavana misahana ny Fifandraisana ara-pinoana sy ara-piaraha-monina- Fiadidiana ny Repoblika (DRCC).π²π¬
πMaro ankehitriny ny Zaza sy tanora beazina eto anivon'ny Akany ka kamboty sy zaza avy amin'ny fianakaviana sahirana izy ireo, Akany izay eo Ambany fiainan'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara.βͺοΈ
Ny Alarobia 23 oktobra 2024, no nanolotra, tam-pitiavana ireo fitaovam-pianarana sy kojakoja maro samihafa, ho azy ireo ny teo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika tamin'ny alalan'ny DRCC.
π²π¬ Zava-dehibe tokoa ho an'Andriamatoa Filoha Andry Rajoelina ny mijery sy manampy ireo ankizy madinika sy sahirana ary ao am-pony mandrakariva ireny ka izany indrindra no anton'izao fampitaovana izao.π
20/10/2024
Andro lehibe ho anβny Fiangonana Adventista ny sabotsy 19 oktobra 2024 lasa teo nohonβny fankalazana ny faha-180 taona nidirana tao aminβny Efitra Masina indrindra.
Tonga nanotrona izany tetsy aminβny Fiangonana Advantista Tsararay Ampitatafika ny teo anivon'ny Fitaleavana misahana ny Fifandraisana ara-pinoana sy ara-piaraha-monina- Fiadidiana ny Repoblika
Β© DRCC/ Oktobra 2024
19/10/2024
βFa Kristy no anton'ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony."
β Filipiana 1 : 21
Izany no teny nosafidiana ho fankalazana an'Andriamanitra sy fanomezam-boninahotra Azy noho ny faha efapolo taona naha mpitandrina an'i RΓ©vΓ©rend Docteur Irako ANDRIAMAHAZOSOA Ammi mivady ary ivon'ny Jobily fisotroan-dronono.π«
π«Tetsy amin'ny FJKM Ambohimalaza Firaisana Kanana Vaovao - SP Antananarivo Antsinana, no nanatanterahana ny fankalazana an'Andriamanitra noho izany fotoan-dehibe izany, ny Asabotsy 19 oktobra 2024.
Tonga niara-niombom-bavaka tamin'izy ireo sy ny mpino ihany koa ny teto anivon'ny Fitaleavana misahana ny Fifandraisana ara-pinoana sy ara-piarahamonina-Fiadidiana ny Repoblika.π²π¬
13/10/2024
Alahady 13 oktobra 2024, Centre Victoire Rasoamanarivo:
π«Eokaristia Masina nanamasinana sy nametrahana an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina - Evekan'ny Diosezin'Ambatondrazaka.
Tonga niara niombom-bavaka tamin'ireo vahoakan'Andriamanitra teo Ambotondrazaka, ho fisaorana sy fankalazana Azy, ny teo anivon'ny Fitaleavana misahana ny Fifandraisana ara-pinoana sy ara-piarahamonina- Fiadidiana ny Repoblika, niaraka tamin'ireo solontenam-panjakana isan-tokony.π²π¬
Teny nosafidiana iainana ary teny faneva amin'izao Eokaristia masina izao moa ny hoe "Mba ho iray ihany anie izy rehetra '' (Joany 17,21).
Tao aorianan'izao fotoan-dehibe izao dia nisy ny nofon-kena mitam-pihavanana niaraha-nihinana. Ankasitrahana feno an' Andriamatoa Filohan'ny Repoblika, tamin'ny tolo-tanana izay nataony.