20/04/2026
🟣FANAMBARANA SECES SAMPANA ANTANANARIVO
TSIKOMBAKOMBA MALAGASY
Dia fomban-drazana miorina amin'ny soatoavina sy ny fifanomezan-tanana eo amin'ny fiarahamonina.
Zavatra lehibe ao amin'ny kolontsaina Malagasy satria maneho ny firaisankina sy ny fanajana ifampizarana eo amin'ny samy Malagasy.
20/04/2026
🟣FANAMBARANA SECES SAMPANA ANTANANARIVO
13/02/2026
12/02/2026
🔵SERANAM-PIARAMANIDINA AMBALAMANASA :
🔵MIVERINA AMIN'NY LAONINY , MIASA MANOMBOKA ANIO ZOTRA IREO FIARAMANIDINA
✍🏻 Andry Rakotonirainy
Journaliste – Reporter d’image
▶️ Toamasina, 12 Febroary 2026
✅ Niverina tsikelikely amin’ny asany ny seranam-piaramanidina Ambalamanasa taorian’ny fahasimban’ny fotodrafitrasa nateraky ny fandalovan’ny rivo-doza GEZANI.
✅Na dia voadona mafy aza ny toeram-piasana , tombanana ho nahatratra 60%-n’ny rafitra no simba dia efa azo ampiasaina indray ny lalan’ny sidina manomboka anio tolakandro.
Araka ny nambaran’ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro, Juste Créscent Raharisone, izay tonga nijery ifotony ny zava-misy, napetraka ho laharam-pahamehana ny fanokafana haingana ny seranam-piaramanidina satria izy no lalam-pifandraisana haingana indrindra amin’ny toe-javatra maika.
✅Nohamafisiny fa efa voadio tanteraka ny piste ary hiainga anio ny sidina sivily voalohany hatramin’ny nandalovan’ny rivo-doza.
🔵FOTODRAFITRASA STRATEJIKA HO AN’NY FANAVOTANA
✅Niara-nihetsika avy hatrany ny Ministera sy ny ekipan’ny ADEMA, niaraka tamin’ireo teknisianina sy tompon’andraikitra eny an-toerana,izay nametraka vahaolana maika hamerenana ny fifamoivoizana an’habakabaka.
▶️Ny tanjona dia ny hahafahana mampiditra fanampiana ara-pahasalamana, fitaovana fanarenana ary mpamonjy voina haingana araka izay tratra.
▶️Vokatry ny ezaka dia hisokatra indray ny terminal mpandeha ao Toamasina handray sidina anatiny sy isam-paritra, manamora ny fivezivezen’ny olona sy ny entana ilaina amin’ny famerenana ny fiainana andavanandro.
🔵MITOHY NY FANAMBOARANA
▶️Na efa tafaverina aza ny sidina, mbola mitohy ny asa fanarenana ireo ampahany simba amin’ny fotodrafitrasa. Nomarihin’ny Minisitra fa hajaina tanteraka ny fepetra fiarovana ho an’ny mpandeha sy ny mpiasa mandritra ny fampiasana ny seranam-piaramanidina.
▶️Hivoaka tsikelikely ny fanambarana fanampiny arakaraka ny fandroson’ny asa, saingy efa manamarika dingana lehibe amin’ny fan
🔵AMBALAMANASA MISOKATRA INDRAY AORIAN’NY RIVO-DOZA
✍🏻Andry Rakotonirainy
Journaliste Reporter d'image
Toamasina, 12 Febroary 2026
▶️Niverina miasa indray manomboka anio tolakandro ny seranam-piaramanidina Ambalamanasa, taorian’ny fahasimbana nateraky ny rivo-doza GEZANI izay nandrava hatramin’ny 60%-n’ny fotodrafitrasa.
▶️Araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro, Juste Créscent Raharisone, efa voadio ny piste ary hiainga ny sidina sivily voalohany. Laharam-pahamehana ny fanokafana mba hahafahana mampiditra fanampiana sy manamora ny fivezivezen’ny olona.
▶️Mitohy kosa ny asa fanarenana ireo ampahany mbola simba ao amin’ny seranam-piaramanidina.