01/06/2026
๐จ LOZAM-PIFAMOIVOIZANA NAHARATRANA OLONA ๐จ
31 May 2026 - 10 ora sy 25 min alina.
RN 2 - PK 17 + 800
Sahinofy Fkt Mahia Cr Ambohimalaza
๐ฑNisy nampandre ny ny fisian'ny lozam-pifamoivoizana.
๐ต Kodiaran-droa iray, Kymco JR 110 (lazaina fa 49CC) manao taingin-tokana. Tsy misy aroloha.
๐ Kamiao lehibe iray, Foton fourgon.
๐ฅ Vokatry ny fidiran'ilay kodiaran-droa mafy loatra anaty fiolahana dia tsy voafehiny ny familiana.
๐บ Ilay mpamily rahateo dia hita fa anatin'ny gejan'ny alikaola bรฉ ihany.
:
๐จ Nirafitra tamin'ny sisim-batana havia fiarabe ity soavaly vy kely.
โ๏ธ Naratra sady kiaka be ny tongony havia.
โ ๏ธ Tapaka ny taolan-dranjony havanana.
๐ Tsy maintsy nentina haingana namonjy ny CSB II Ambanitsena ilay naratra ary voatery nalefa eny amin'ny Hopitaly HJRA noho ny fahalehibeazan'ny fahavoazany.
๐ต Potika 80 isan-jato ilay kodiaran-droa. Raha kely dia kely ny fahasimban'ny fiara.
๐ฎ๐ผโโ๏ธ Notazomin'ny zandarimaria atao andrimaso ilay mpamily kamiao mba hiarovana ny tenany sy ny fiara ary ny entana nentiny.
โ๏ธ Natolotra manontolo ny fianakavian'ny naratra mafy kosa ny potik'ilay kodiaran-droa.
๐ฎ๐ผโโ๏ธ Ny zandarimaria Ambohimalaza no misahana ny famotorana.
.
๐ฎ๐ผโโ๏ธ๐ฎ๐ผโโ๏ธ๐ฎ๐ผโโ๏ธ๐ฎ๐ผโโ๏ธ๐ฎ๐ผโโ๏ธ๐ฎ๐ผโโ๏ธ๐ฎ๐ผโโ๏ธ๐ฎ๐ผโโ๏ธ๐ฎ๐ผโโ๏ธ๐ฎ๐ผโโ๏ธ๐ฎ๐ผโโ๏ธ๐ฎ๐ผโโ๏ธ
31/05/2026
๐จ LOZAM-PIFAMOIVOIZANA NAMOIZANA AINA ๐จ
31 May 2026 - 10 ora maraina.
RN 65 - PK 01 + 200
Rocade Iarivo - toerana antsoina hoe "Ravitoto" Fkt Amoronankona Cr Ambohimangakely Dist Antana/Avaradrano.
๐ Fiara type 251 genre: TCP, carrosserie : minibus.
๐ Avy Ambohimahitsy hihazo an'Amoron'Ankona.
๐จ Anaty tanร na - lalana fiolahana.
๐ Taorian'ny fandehanana mafy - nandona andrin-jiro ity fiara ity ary nivadika ambony ambany.
โ๏ธ Olona roa no namoy ny ainy.
โ Ny mpamily ny fiara: 48 taona
โ Ny zanany lahy: 17 taona.
Tsy tana ny ain'izy mianaka na dia nentina haingana teny amin'ny (Hopitaly Miaramila Soavinandriana) aza.
๐ Miisa kosa ireo naratra tao anatin'ny fiara.
๐ฎ๐ผโโ๏ธ Ny zandarimaria avy ao amin'ny no. misahana ny vonjy aina sy ny fiarovana ny fananana ary ny famotorana.
๐ฅฒ Ny Zandarimaria dia mirary fiononana feno ho an'ny fianakavian'ny namoy ny ainy Ary mirary fahasalamana ho an'ireo naratra.
๐ฎ๐ผโโ๏ธ๐ฎ๐ผโโ๏ธ๐ฎ๐ผโโ๏ธ๐ฎ๐ผโโ๏ธ๐ฎ๐ผโโ๏ธ๐ฎ๐ผโโ๏ธ๐ฎ๐ผโโ๏ธ๐ฎ๐ผโโ๏ธ๐ฎ๐ผโโ๏ธ๐ฎ๐ผโโ๏ธ๐ฎ๐ผโโ๏ธ๐ฎ๐ผโโ๏ธ
31/05/2026
KITRA: HANARAKA NY DIAN'NY GNBC IHANY KOA ITY GNFC ITY
Mitaiza vatana amin'ny alalan'ny fanatanjahan-tena ny zandarimaria
31/05/2026
๐๐ท MIARAHABA NY RENY REHETRA ๐ท๐
โค๏ธ Neny, Mama, Mamie ,....
๐ Tsaroanay manokana ianareo androany.
๐ Miarahaba am-panajana ireo reny rehetra tsy ho tanisaina isaky ny ambaratonga rehetra.
๐ Singanina manokana ireo reny isan'ambaratongam-pahefan'ny repoblikan'i Madagasikara, ara-pitondrana sy ara-pibaikoana ny Zandarimaria rehetra.
๐ฎโโ๏ธ Miarahaba ny Vehivavy Reny rehetra .
๐ฅฐ Hafatra kely:
๐ Aza Mbola midongy ho arahabaina aloha ry sipakely mbola mianatra sy mbola tsy niteraka an.
๐ค Mahandrasa tantana.
โ๏ธ Sao manantena hoe "future maman an'ny zanak'ialahy anie zah e !!" Omeo cadeaux.
Andraso kely aloha.
๐๏ธ Asaivo ataony fombam-panambadiana aloha dia dia misy zaza ara-dalร na. Izay isika vao maman.
๐คฐ Miarahaba manokana ireo miady samirery miahy ny zanany.
๐ Mahereza rahavavy. Andriamanitra anie homba anao mandrakariva.
๐
๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ
30/05/2026
๐จ DAHALO NANDROBA VOLA 12 TAPITRISA ARIARY: LAVON'NY ZANDARY NANDRITRY NY FIFANDONANA ๐จ
30 mai 2026 - 8 ora maraina.
Andakana Fkt Aminaviavy Cr Analavory Dist Miarinarivo.
โ ๏ธ Mpanangom-bokatra iray no notafihin'ny jiolahy roa mirongo basy.
๐ฐ Lasan'izy ireo ny volabe ariary.
๐ฑ Nampandre ny Zandarimaria haingana ireo niharan'ny fanafihana.
๐ฎโโ๏ธ Nihetsika daholo ireo zandary Tรฉo ambany fibaikoan'ny .
๐๏ธ Nampiasaina ny fitaovana ananan'ny tsirairay mba hahatongavana haingana indrindra.
๐จ Teo an-tampon'i Sarobaratra/Ambohibalala. Nifanehatra ny Dahalo sy ny Zandary.
๐ฅ Nikasa hanohitra ireo olon-dratsy. Namaly bontana ireo zandary ka dangy niampatra terรฟ ireo mpanao fanafihana.
๐จ Basy vita tanana iray ny bala maromaro no tavela teo an-tany niadiana.
๐ฐ Hita teo ihany koa ireo vola nangalarina izay naverina tamin'ny tompony avokoa.
๐ Velom-pisaorana ny Zandarimaria ireo mpanangom-bokatra sy ny vahoaka satria haingam-piasa sy ahitam-bokany ny asa iarahana amin'izy ireo.
๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ
30/05/2026
โฝ FINALE LIGUE DES CHAMPIONS โฝ
๐ Aiza 'tsika no hijery ?
โ Ao am-bovo miaraka am'rafotsy sy ny boay kely ? Avec gold blanche - Gold Master - Jus, tsaky akoho sy lasary.
โ Sa hiaraka am'bandy akama ?
- Hiรดgaรดga isaky ny baolina maty
- Miaraka am'rhum arrangรฉ - sy ny tsinain'akoho ?
โ Sa ho eny am' Analakely eny amin'ny ?
- Gratuit ny eny an : natolotry ny Filoham-panjakana PRRM - ny Federasiona Kitra sy ny CUA - Commune Urbaine d'Antananarivo
- Manomboka amin'ny 5 ora hariva.
๐ฎโโ๏ธ Ny ekipan'ny , ny sy ny koa efa vonona amin'ny fampandriana fahalemana.
โ ๏ธ Sao misy tsy mahazaka resy eo ! Na tampoka fa naharesy dia hanimba zavatra sy higafy ny filaminan'ny hafa.
โ๏ธ Attention an ! Mahazo mifaly fa tsy mahazo migaringana โ ๏ธ
Omeo hoe ?
๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ
30/05/2026
๐ฒ๐ฌ ZA' MALAGASY: ATSANGAKO NY SAINAM-PIRENENA MALAGASY ๐ฒ๐ฌ
๐ฒ๐ฌ 26 Jona 2026.
๐ Mandritry ny volana Jona dia hihofahofa isaky ny tokantranon'ny Malagasy rehetra ny .
๐ฒ๐ฌ Ny Alatsinainy 01 Jona 2026 amin'ny 9 ora maraina no fanombohana amin'ny fomba ofisialy.
๐ Ny Tobin'ny Zandarimaria rehetra manerana ny nosy dia hanatanteraka izany amin'io andro io.
โ Aorian'ny ho fanajana ny fampiakarana avo ny mariky ny fiandrianam-pirenena.
โ Hatao maredona ny amin'ny hiram-pirenena.
๐ฒ๐ฌ Efa nomena baiko ny komandy sy mpifehy rehetra handravaka loko ny Toby tsirairay misy azy.
๐คโค๏ธ๐ Ny ankohonana ihany koa dia hanangana izany saina izany isan-tokan-tranony. Na ny an-dakazera, na ireo miray monina anaty tananan'ny fiarahamonina.
โ๏ธ Ianao koa, isika rehetra, izay manana ny hambom-po sy fitiavan-tanindrazana:
๐ฒ๐ฌ Andao hanangana saina miloko telo: โฌ Fotsy ๐ฅ Mena ๐ฉ Maitso.
๐ฒ๐ฌMahitsizoro telo mirarefy: ny lavany dia indroan'ny sakany.
โฌ Fotsy mitsangana sisiny havia
๐ฅ Mena mitsivalana ambony havanana.
๐ฉ Maitso mitsivalana ambany havanana.
๐ Ka amin'ny ary ny fotoana e: samy hihofahofa eny amin'ny rindrina, lavarangana, tafon-tranon-tsika. tsirairay avy ny .
๐ Aza adino ny mihira ny andininy telo rehefa manangan-tsaina amin'io. andro io an ! Atao mafy tsara !
โ Esorina ny satroka (ho an'izay tsy miaramila/zandary/polisy/administratera sivily.
โ Pihana ny elo.
โ Mitraka tsara.
๐คโค๏ธ๐
๐ Tara_kevitra:
>
๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ
29/05/2026
๐จ BASY VITA TANANA NATERIN'NY TOMPONY TAO AMIN'NY ZANDARIMARIA ๐จ
๐ Basy miisa enina no naterin'ny tompony avy an-tsitrapo tao amin'ny biraon'ny zandarimaria.
.
๐ฎโโ๏ธ Vokatry ny fanentanana nampanaovin'ny tamin'ny alalan'ny Kapiteny Komandin'ny Vondron-tobim-paritry ny zandarimaria teo anivon'ireo Toby iadidiany dia nahomby izany ka nahatonga ireto olona ireto ho tapakevitra hanatitra an-tsitrapo ireo basy ireo.
๐ท
Myelo Haingo Herivahy Tantely
29/05/2026
๐จ TY FANARIA FAKO ANDALA ๐จ
๐ Hetรฉ ! Inay lahy.๐
โ Hejy ty Mera mba Toliara ao ty mandoto tanร ao !
โ ๏ธ Sinazy drala (50.000 ar) vo hilia antrano maรฌky koa ty olo tratsy manary fako andala tsy ajia amy ty pilasy toko hisy azy.
๐จ Le minanaky soa rozy any fa halio soa ty tanร -ndrozy.
๐ Ty amintsika etoa manao akory ? Hilร fofoky kibay miaraky tipaky am-pory marere koa va vo hahatsapa tena ?
๐ฎโโ๏ธ Tananarivontsika any toy gea !
(Traduction Merina: voir 1 er commentaire)
๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ
29/05/2026
๐จ IREO FEPETRA HILAZANA FAHAVEREZANA OLONA (ZAZA/LEHIBE) ๐จ
โ ๏ธ Marobe ianareo no mangataka aminay ny hamoahana na zaza na olon-dehibe.
๐จ Azo atao ny mamoaka filazana anaty pejy, na pejy ofisialy, na pejy filazam-baovao' samihafa na kaonty manokana.
๐ค Fa rehefa ahoana no tokony hanao filazana fahaverezana ?
โ ๏ธ Raha vao tsikaritra ny olona iray. Na ora vitsy mihoatry ny tokony hahitana azy ara-dalร na aza.
:
โ Zaza nirava nianatra. Nirava tamin'ny 5 hariva. Tsy Tonga amin'ny 7 na 8 ora alina.
โ Livreur nirahina, tsy niverina afaka ora vitsy.
โ Vady nandeha niasa, tsy Tonga amin'ny ora mahazatra.
๐จ Dia manao ny fikarohana ny akaiky azy.
โ Miantso an-telefaonina.
โ Mitety havana, namana, mpiara-pianatra, mpiara-miasa, bars mahazatra azy, any amin'ny sipany na ny vadikeliny, sns...
โ Rehefa tsy any amin'ny iray amin'ireo dia Mbola azo andrasana ora vitsy na andro vitsy sao diso lalana. Na nanao fanahy iniana tsy hiverina.
๐ฎโโ๏ธ Eo anefa dia efa mampandre ny mpitondra fanjakana eo an-toerana: , , , , .
๐จ Miaraka mikaroka tsy mijanona:
โ Manao savahao: mitety trano, mitety ny lalana tokony halehany, mijery ny moron-drano, ny lavaka sy tevana, anaty lava-drano, lava-pako, anaty dobo, sns...
๐ Dify ny ora na andro vitsy ka Mbola tsy hita dia manao filazana ofisialy an-taratasy ny tsy fahitana azy.
๐ Manao peta-drindrina, manatรฒna haino vaky jery.
๐ฎโโ๏ธ Ny zandarimaria na ny polisimpirenena nandray ny filazana fahaverezana no mamoaka izany an-tambazotra.
๐ Rehefa nipetraka ny taratasy dia azon'ny fianakaviana atao ny mamoaka izany filazana izany amin'ny kaontiny manokana. Manome ireo karazana pejy malaza.
๐ฎโโ๏ธ Ho an'ny pejy CIRGN Antananarivo dia ireo Toby ambany fiadidianay no mandefa izany aty aminay.
๐ PS: Rehefa hita ilay nania, niverina eo anivon'ny fianakaviany dia manao fampandrenesana filazana fahitana azy.
๐ Matetika mantsy dia ireo ditra isan-karazany no tsy hahitana ireo havan-tsika: , , , , , , sns....
๐ Ka mahamenatra. Dia tsy miverina manao filazana fahitana azy indray.
โ ๏ธ : Tsy azo tsinotsinoavina ny tsy fahitana olona mampiahiahy.
๐จ Aleo toy izay
๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ๐ฎโโ๏ธ