Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Analamanga

Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Analamanga

Share

Miasa ho fanatsarana ny fahasalaman'ny vahoaka eto amin'ny faritra Analamanga

Photos from Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Analamanga's post 02/06/2026

🏥 Fanentanana amin'ny ady amin'ny Tazomoka – Fokontany Anosy Avaratra

👉Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka
👉Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Analamanga
👉SDSP Antananarivo Avaradrano

Ny 30 Mai 2026, dia nisy fanentanana mahakasika ny ady amin’ny tazomoka natao tao amin’ny Fokontany Anosy Avaratra.
Nifantoka tamin’ny:
✅ Fampahafantarana ny mponina momba ny tazomoka sy ny fomba fisorohana azy
✅ Fampiasana lay misy ody moka sy fanadiovana ny toerana misy moka
✅ Fitondrana ny marary any amin’ny toeram-pitsaboana raha misy soritr’aretina
✅ Fampitomboana ny fiaraha-miasa eo amin’ny mponina sy ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana
🙏Nofaranana tamin’ny fanadiovana ny lobolobo niaraka tamin’ny mponina ny hetsika, ho fiarovana ny fahasalamam-bahoaka sy ny tontolo iainana.

Photos from Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Analamanga's post 29/05/2026

📝28 Mai 2026
👉Notokanana ny trano fandraisana ireo mpitondra mpiteraka na marary (case d'hébergement pour les accompagnateurs) tao amin'ny CSB ANKAZONDANDY.
Raha ny fomba Malagasy dia miaramiatrika sy mifanotrona ny fianakaviana raha misy olona hiteraka na marary. Koa tena mamaha olana ho an'ny mponina Ankazondandy izao fananganana fotodrafitrasa izao handraisana ireo fianakaviana mpitondra mpiteraka na marary.
Ity fitokanana ity dia notronin'
- Mme CHEF DE REGION ANALAMANGA
- DÉPUTÉ MANJAKANDRIANA
- CHEF DISTRICT MANJAKANDRIANA
- MAIRE ANKAZONDANDY
- DRS ANALAMANGA
- MI MANJAKANDRIANA
sy ny mpiasan'ny fahasalamana

Photos from Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Analamanga's post 22/05/2026

📝 Fitokanana ny CSB II Andranotsimihozo
📍 Kaominina Ankazondandy – Distrikan’i Manjakandriana
👉🏽SDSP Manjakandriana
📅21 Mai 2026

Notanterahina ny fitokanana ny CSB II Andranotsimihozo ao amin’ny Kaominina Ankazondandy, Distrikan’i Manjakandriana.
🎉 Faly sy mankasitraka ny fahazoana ity fotodrafitrasa ara-pahasalamana vaovao ity ny mponina, satria hanamora ny fahazoana tolotra ara-pahasalamana manakaiky azy ireo.
📌 Marihina fa:
- Ity no CSB II faha-4 ao amin’ny Kaominina Ankazondandy;
- Ary CSB II faha-47 ao amin’ny Distrikan’i Manjakandriana.
👥 Mponina avy amin’ny Fokontany miisa 5 no hisitraka mivantana ny tolotra omen’ity tobim-pahasalamana ity.

🎯 Ny tanjon'ny Minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka dia ny hanomezana tolotra ara-pahasalamana manakaiky Vahoaka.

Photos from Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Analamanga's post 19/05/2026

✅ MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
✅ Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Analamanga (DRSP)
✅ SDSP Antananarivo Renivohitra
📝 Fanofanana ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana

Notanterahina ny herinandro teo ny fanofanana ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, mikasika ny PPECMA sy ny ANJE NdF DPE.
🤝 Fiofanana izay niarahana tamin’ny ekipa SNUT, EMAR ary EMAD.
🎯 Tanjona ny:
-Hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpiasan’ny fahasalamana;
-Hanatsarana ny fandraisana an-tanana ara-pahasalamana eny anivon’ny tobim-pahasalamana;
-Hanamafisana ny kalitaon’ny tolotra omena ny reny sy ny zaza.
👉🏽 Mitohy hatrany ny ezaka fanamafisana ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra ara-pahasalamana ho fanatsarana ny fahasalaman’ny vahoaka.
📌 Ny fanamafisana ny fahaiza-manao dia antoky ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana.

Photos from Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Analamanga's post 15/05/2026

✅ MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
✅ Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Analamanga (DRSP)
📝 R***e Régionale de Coordination – Analamanga
📅 11 – 12 – 13 Mey 2026
📍 Ankazobe

Tontosa tao Ankazobe ny R***e Régionale de Coordination Analamanga, notarihin’Andriamatoa Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Analamanga, niaraka tamin’ireo lehiben’ny sampandraharaha manerana ireo SDSP miisa 8, ary ireo ekipa avy amin’ny SR, PEV ary NUT.
🤝 Nanotrona izany ihany koa ireo solontena avy amin’ny DPEV, DESFA, ary ireo mpiara-miombon’antoka.

📌 Nandritra ny fihaonana dia natao ny:
- Tombana ny ezaka sy ny vokatra nandritra ny telovolana voalohany;
- Famakafakana ireo olana sy sakana mbola sedrain’ny mponina amin’ny fahazoana tolotra ara-pahasalamana;
- Fametrahana drafi-piaraha-miasa sy paikady vaovao ho fanatsarana hatrany ny tolotra eny anivon’ny tobim-pahasalamana.
👉🏽 Tsara ny vokatra azo, saingy mbola misy ireo fanamby mila atrehina mba hahafahan’ny vahoaka misitraka tolotra ara-pahasalamana sy manakaiky azy.
👏🏽 Nankasitrahana sy nankaherezina ireo mpisehatra rehetra noho ny ezaka sy ny fiaraha-mientana ho fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka.

🙏🏽 Fisaorana manokana ho an’ny UNICEF tamin’ny fanohanana sy ny fiaraha-miasa tamin’ny fanatanterahana ny hetsika.

📌 Mitohy ny ezaka ho fanomezana tolotra ara-pahasalamana mahomby sy manakaiky ny vahoaka.

Photos from Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Analamanga's post 13/05/2026

✅ MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
✅ Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Analamanga (DRSP)
✅ SDSP Antananarivo Avaradrano
✅ CSB II Ambohimanga Rova & Manankasina
📝 Fanentanana momba ny tazomoka

Notanterahina ny fanentanana momba ny fisorohana ny tazomoka sy ireo fepetra tokony horaisina raha misy tazo, ho fiarovana ny fahasalaman’ny mponina.
📌 Nisy ihany koa ny:
Fampahafantarana ny fomba fisorohana ny tazomoka;
Fanentanana hanatona tobim-pahasalamana raha misy soritr’aretina;
Fizarana lay misy ody moka ho an’ireo vehivavy bevohoka.

👉🏽 Mitohy hatrany ny ezaka fanentanana sy fisorohana ny aretina eny anivon’ny fiarahamonina.
📌 Ny fampiasana lay misy ody moka dia anisan’ny fomba mahomby hiarovana amin’ny tazomoka.

Photos from Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Analamanga's post 08/05/2026

✅ MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
✅ Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Analamanga (DRSP)
✅ SDSP Ambohidratrimo
📌 Vaksiny mpox
📍 Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Ivato

Nidina ifotony teny amin’ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Ivato ny ekipa avy ao amin’ny SDSP Ambohidratrimo, niaraka tamin’Andriamatoa Talem-paritry ny Fahasalamana eto Analamanga, nanatanteraka fanentanana sy fanaovam-baksiny miady amin’ny mpox ho an’ireo mpandeha mpitsoa-ponenana.
🎯 Tanjona ny hisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina sy hanamafisana ny fiarovana ara-pahasalamana eny amin’ireo toerana fandalovan’olona maro.

👉🏽 Mitohy hatrany ny ezaka fanentanana sy fanaovam-baksiny ho fiarovana ny vahoaka.
📌 Andraikitra iombonana ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka.

04/05/2026

'𝒏𝒅𝒂𝒐 𝒉𝒊𝒇𝒆𝒕𝒚 𝒆

infoline: 034 47 972 74 / 034 38 488 64

Photos from Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka's post 30/04/2026
Photos from Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Analamanga's post 29/04/2026

✅ MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
✅ Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Analamanga (DRSP)
✅ SDSP Manjakandriana

📝 Fanentanana sy fanaovam-baksiny miady amin’ny mpox
📍 Lycée Manjakandriana

Mitohy hatrany ny fanentanana sy fanaovam-baksiny miaro amin’ny mpox ho an’ireo mpianatra ao amin’ny Lycée Manjakandriana.
🎯 Tanjona ny:
Hampahafantarana ny tanora momba ny fisorohana ny aretina;
Hamporisihana azy ireo hanao vaksiny ho fiarovana ny tenany sy ny hafa.
👉🏽 Mitohy ny ezaka fanakaikezana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny tanora.
📌 Fiarovana sy fanentanana hanao vaksiny dia antoka ho an’ny fahasalamana.

Want your business to be the top-listed Government Service in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Telephone

Address


Nanisana
Antananarivo
TANA101