MMM Andranonahoatra

MMM Andranonahoatra

Share

Malagasy Miara-Miainga izay manoro lalana mahitsy mamindra aina

Malagasy Miara Miainga : « La Refondation n’est pas un slogan, c’est un processus politique exigeant » 04/12/2025

Namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety tao amin’ny Midi Madagasikara ny Antoko MMM, ka nanasongadina indray ny laharam-pahamehana entiny ao anatin’izao Fanavaozana izao . Anisan’izany ny ady amin’ny fahantrana sy ny kolikoly, ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefana tena izy, ny fametrahana ny mangarahara eo amin’ny fitantanana, ary ny fihainoana ny hetahetan’ny vahoaka, indrindra fa ny tanora.

Nampiseho ihany koa ny Antoko MMM ny fahavononany handray anjara mavitrika amin’ny fikaonandoham-pirenena, ka hitondra anjara biriky mazava amin’ny famolavolana tondrozotra iraisana, eken’ny rehetra, izay hahafahan’i Madagasikara miroso amin’ny fanovana.

Rohy :

Malagasy Miara Miainga : « La Refondation n’est pas un slogan, c’est un processus politique exigeant » Le MMM reste optimiste quant à la refondation du régime, visant une gouvernance améliorée et une décentralisation effective...

03/08/2023
Photos from Hajo Andrianainarivelo's post 03/08/2023
Photos from Malagasy Miara Miainga  Ankadinandriana's post 03/08/2023
03/08/2023

31 Jolay 2023 - Fanambarana amin'ny fomba ofisialy fa kandida ho filoham-pirenena atolotry ny antoko Malagasy Miara Miainga Andriamatoa Hajo Herivelona Andrianainarivelo, Filoha Nasionalin'ny Antoko.

"Sahy isika, maika hanorina ny ampitso"

Photos from MMM Andranonahoatra's post 26/02/2022

Toy ny fanao isan-taona dia notanterahina anio sabotsy 26 febroary 2022 ny fambolen-kazon’ny antoko Malagasy Miara Miainga. Teto amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambohijanaka, Distrika Antananarivo Atsimondrano no nanatanterahina izany.

Nandray anjara mavitrika tamin'izany ireo mpikambana Malagasy Miara Miainga avy ety amin'ny faritra itaosy : Bemasoandro, Andranonahoatra, Itaosy, Ambavahaditokana.

Antoko matanjaka sy manana ny maha izy azy ny Malagasy Miara Miainga araka ny hafatra nomen'ny filoha nasionaly Hajo ANDRIANAINARIVELO, ka aoka isika ho sahy hijoro amin’izany maha MMM antsika izany ary ho modely amin’ny asa atao sy ny fihetsika eo amin’ny fiaraha-monina.

Izay manoro làlana mahitsy, mamindra aina.

Want your business to be the top-listed Government Service in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Website

Address


Antananarivo