03/04/2026
🎯 Tontosa ny 31 martsa hatramin’ny 02 aprily ny atrikasa niarahana tamin’ny Equipe Managériale de District (EMAD) ao amin’ny SDSP Antananarivo Avaradrano ho fanamafisana sy fanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana eny anivon’ny Distrika.
✅ Tanjona ny hampitombo fahalalana ny EMAD mahakasika ny haitarika, fahaiza-mitantana sy mitondra (Leadership, Management, Gouvernance) eny anivon’ny Bureau de Santé du District (BSD).
✅ Nametraka vina sy fanamby iombonana ny EMAD ao amin’ny SDSP Antananarivo Avaradrano na eo aza ny sakana sy ny olana mety misy amin'ny fanatanterahana ny asa izay voarakitra anaty drafitr’asa sy drafitra fanaraha-maso anaty fotoana voafaritra.
26/03/2026
Tanterahina eto Antsirabe ny 23 ka hatramin’ny 27 Marsa ny Atelier de concertation Multi-sectorielle en Santé Communautaire na Atrik’asa fifampidinihana hiarahan’ny sehatra marolafy momba ny fahasalAmana eny ifotony.
Tanjona :
-Hanamboarana ny satan’ireo Mpanentana ara-pahasalamana na Agent Communautaire
-Ny fandraisan’andraikitrin’ny fiarahamonina hoan’ny fahasalamana eny ifotony
-Fandinihina ny rafitra mpandrindra ny fahsalamana eny ifotony iarahan’ny sehatra maro lafy
-Fijerena vahaolana manokana mahakasika ny dotation CSB sy ny tambikarama hoan’ireo gardien sy Dispensateur ary ny satan’ny FANOME sy ny PHAGECOM
Nanome voninahitra ny Atrik’asa ny Lehiben’ny Faritra eto Vakinankaratra sy ny solombavambahoaka voafidy tao Moramanga , ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Ministeran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana ary ny Tale Jeneraly ny fisorohana ara-pahasalamana sy ny Tale Jeneraly ny tolotra ara-pahasalamana eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamana, ny Talem-paritry n'y fahasalamana vakinankaratra.
09/03/2026
Fambolenkazo ho fiarovana ny tontolo iainana
Nandray anjara tamin’ny hetsika fambolenkazo notanterahin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny ekipan'ny DSSB ny zoma 06 mars 2026, tao amin’ny kaominina Bongatsara, Atsimondrano.
Fandraisan’andraikitra ho fiarovana ny tontolo iainana, mifandraika amin’ny fahasalaman’ny mponina izany.
" Izay mamboly hazo, manome aina"
19/01/2026
Atelier de consultation des acteurs centraux sur les problématiques et les pistes d’actions pour la redéfinition du système des soins de santé de base
Notanterahina ny 14 et 15 Janoary 2026 tao amin’ny Hôtel Colbert, niarahana t@ireo mpisehatra sy sampan-draharaha eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ary ireo mpiara miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola.
Tanjona :
➡️ Hamantarana ireo olana lehibe sedraina amin’ny ambaratonga rehetra eo amin’ny rafi- pahasalamana,
➡️ hamakafakana ny antony fototra mahatonga izany,
➡️ hamolavolana vahaolana mivaingana, azo tanterahina ary voarindra, arahina tetiandro mazava ho an’ny fampiharana azy ao anatin’ny fotoana fohy, antonony, ary maharitra
Vokatra :
➡️ Hitondra soso-kevitra mahomby, mba hanamafy ny fananana kalitao tsara hoan’ny fahasalamana fototra ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy
🙏 Mankasitraka ireo nandray anjara rehetra sy naneho fahafoizan-tena hoan’ny fahombiazana
07/01/2026
Nanatanteraka fananganan-tsaina tety amin'ny DSSB androhibe ny ekipa DSSB rehetra niaraka tamin'Andriamatoa Jean Raymond Rakotoniasy, Tale vaovao ny alatsinainy faha 05 Janoary 2026, taorianan'izany dia niroso tamin'ny fiarahabana ny Tale ny ekipa rehetra nohon'ny nahatrarana ny taona vaovao 2026.