Distim Tana III Ofisialy

Distim Tana III Ofisialy

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Distim Tana III Ofisialy, Political organisation, Antananarivo.

22/04/2026

Andriamatoa RAMBOARIVELO Andrianantenaina Jocelyn W***y no Solombavambahoaka ny Boriborintany fahatelo, rehefa voatendry handray ny andraikitra PDS Antananarivo renivohitra ’Andriamatoa toa Feno Ralambomanana

Mirary soa sy fahombiazana ho anao Andrimatoa solombavambahoaka amin'ny adidy sy andraikitra vaovao izay raisinao.

Photos from Distim Tana III Ofisialy's post 17/04/2026

PDS ANTANANARIVO - NIDINA TENY BEHORIRIKA.

Nidina nifandamina tamin'ireo mpivarotra teny behoririka ny PDS Antananarivo Ralambomanana Feno.

Nilamina ny olana taorian'ny fifampiresahana tamin'ny solontenan'ny mpivarotra.
Mbola tsy nahatanteraka ny fifamindram-pahefana ity PDS ka voafetra ihany ny andraikitra afaka noraisiny.

Photos from Distim Tana III Ofisialy's post 15/04/2026

Arahabaina amim-panajana ho an’Atoa Feno Ralambomanana amin’ny fanendrena azy ho PDS an’Antananarivo Renivohitra.

Adidy lehibe sy sarobidy no miandry, ka mirary fahombiazana feno sy fahendrena amin’ny fitantanana. Ny vahoaka miandry vokatra mazava sy fanovana tena izy. Mahereza tompoko

Photos from Distim Tana III Ofisialy's post 11/04/2026

Ny Filoha Marc Ravalomanana miaraka amin’ireo tompon’andraikitra sy ireo mpikatroka ao amin’ny Antoko Tiako i Madagasikara ao Antsiranana.

09/04/2026

FANASANA HO AN'NY FARITANIN'ANTSIRANANA

Sabotsy 11 Aprily 2026 no fotoantsika.
Fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2026 iarahana amin'ny Filoha Marc RAVALOMANANA sy ny Antoko TIAKO I MADAGASIKARA.

Ao anatin'ny fandaminana ny amin'ny toerana sy ny ora ny Antoko amin'izao fotoana izao.

31/03/2026

Antsoina hanatrika fihaonana ao amin'ny QG Bel'Air Ampandrana ny Birao Politika, ny Solombavambahoaka, ary ny Tompon’andraikitra isan-tsokajiny (DisTIM, ComTIM, FokoTIM).

Amin’ny 11 ora no fotoanantsika, hisy fivoriana iarahana amin’ny Filoha Marc Ravalomanana.

19/03/2026

🇲🇬 Arahaba nahatratra ny Asaramanitra 🇲🇬
Ho taona Zina ho antsika rehetra ity taona ity

17/03/2026

FANASANA HO AN'NY FARITANIN'I MAHAJANGA.
Fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2026 iarahana amin'ny Filoha Marc RAVALOMANANA sy ny Antoko TIAKO I MADAGASIKARA.

Sabotsy 21 Martsa 2026 no fotoantsika, amin'ny 04 ora ariva ao amin'ny Ziona Vaovao Mahajanga.

Photos from Distim Tana III Ofisialy's post 12/03/2026

Boriborintana fahatelo.

Nanatanteraka fizarana ny tolotanana nokarakarain’ny Vehivavy TIM teto amin’ny Tana III ho an’ireo traboina ao amin’ny Fokontany Ankorondrano Andranomahery, Ankazomanga ary Tsaramasay.
Isaorana sy ankasitrahana manokana ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanampiana sy ny fanomezana am-pitiavana, indrindra:

Ny Solombavambahoaka Feno Ralambomanana
Ireo Mpanolotsaina
Ny DISTIM
Ny Vehivavy TIM
Ny Tanora TIM
Ny Fokotim
Ary ireo mpikambana sy olon-tsotra rehetra

Photos from Distim Tana III Ofisialy's post 09/03/2026

DIDIM-PITSARANA : DISQUALIFIÉ I HARILALA RAMANANTSOA, AVERINA NY FIFIDIANANA ETO ANTANANARIVO RENIVOHITRA.

IO NY VALIN'NY CONSEIL D'ÉTAT ETY ANOSY IZAO , NY KANDIDA TOJO RAVALOMANANA NO NAMPIAKATRA NY RAHARAHA.
AONA ILAY VOKATRA 42%?

09/03/2026

Antsoina isika rehetra ho Eny amin'ny conseil d'état Anosy amin'ny 9:30 fa hiakatra Conseil d'Etat androany amin'ny 10h ny raharaha mikasika ny Ben'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra.

Want your business to be the top-listed Government Service in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address


Antananarivo
101