๐๐ถ๐ฎ๐ฟ๐ฎ-๐ต๐ถ๐ฒ๐ป๐๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ต๐ผ ๐ฎ๐ปโ๐ป๐ ๐ณ๐ฎ๐ต๐ฎ๐ฑ๐ถ๐ผ๐๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ถ๐๐ถ๐ธ๐ฎ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ปโ๐ป๐ ๐ฎ๐ฌ ๐ท๐ผ๐ป๐ฎ ๐ฎ๐ฌ๐ฎ๐ฒ
Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa
๐ ๐๐ฎ๐บ๐ฝ๐ถ๐ผ๐ณ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ธโ๐ฎ๐๐ฎ ho anโny rehetra
๐ก Fampivelarana ny ๐ณ๐ฎ๐ต๐ฎ๐ถ๐๐ฎ-๐บ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ผ
๐ผ ๐๐ฎ๐บ๐ฝ๐ถ๐ฑ๐ถ๐ฟ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐๐ฎ๐ป๐ผ๐ฟ๐ฎ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ปโ๐ป๐ ๐ฎ๐๐ฎ
๐ฒ๐ฌ Minisitera ๐บ๐ฎ๐ป๐ผ๐น๐ผ-๐๐ฒ๐ป๐ฎ ๐ต๐ผ ๐ฎ๐ปโ๐ป๐ ๐ต๐ผ ๐ฎ๐๐
18/06/2026
|18.06.2026|
๐๐๐๐๐ก๐๐ก๐๐ก๐ ๐๐๐๐๐ฅ๐๐ก๐ ๐ง๐๐ข๐ก๐ ๐ฉ๐ข๐๐๐ข๐๐๐ก๐ฌ ๐๐ก๐ฌ ๐๐ก๐๐ฉ๐ข๐กโ๐ก๐ฌ ๐๐๐ฆ๐๐ ๐ง๐๐๐ก๐๐๐ : ๐ก๐ข๐ฆ๐ข๐๐๐๐๐ก๐ ๐ง๐๐ ๐๐กโ๐ก๐ฌ ๐๐ข๐ ๐๐ ๐ข๐๐๐ฆ๐๐๐๐ฌ ๐ก๐ฌ ๐๐๐ก๐๐๐๐ก๐๐ก๐
NosokafanโAndriamatoa Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arakโasa, Dr ANDRIAMAMPANDRY Todisoa, taminโny fomba ofisialy androany ny fifaninanana hidirana taona voalohany eny anivonโireo Lisea Teknika manerana anโi Madagasikara ho anโny taom-piofanana 2026-2027.
Tao aminโny Lycรฉe Technique Professionnel Alarobia no nanatanterahana izany ary nosokafan'Andriamatoa Minisitra manoloana ny mpiadina ny valopy voaaro mirakitra ireo laza adina. Mpifaninana manodidina ny 75 000 no hiatrika ity fifaninanana ity, izay tanterahina aminโireo foibem-panadinana 188 manerana ny Nosy.
Sampam-piofanana roa no atolotry ny Ministeranโny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arakโasa, dia ny Formation Professionnelle Initiale (FPI) sy ny Formation Technologique Gรฉnรฉrale (FTG), ka ahitana sokajinโasa miisa 30 ho anโny FPI ary 03 ho anโny FTG.
ยฉ๏ธ METFP, Jona 2026
18/06/2026
|18.06.2026|
๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐'๐๐ ๐
๐๐
๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐
ยฉ METFP, Jona 2026
17/06/2026
|17.06.2026|
๐
๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐ : ๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐
๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐
๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐
๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐
๐๐๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐๐๐
ยฉ METFP, Jona 2026
|17.06.2026|
๐
๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐ : ๐
๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐'๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐
๐๐๐๐๐๐๐๐๐, ๐๐๐ ๐๐๐๐'๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐
๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐ ๐
๐๐๐๐
๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐โ๐๐๐, ๐๐ซ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐.
ยฉ METFP, Jona 2026
16/06/2026
|16. 06.2026|
๐๐๐๐
๐ โ ๐๐๐ : ๐
๐๐๐๐๐๐
๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐
๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐โ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐โ๐๐ ๐๐๐
Nandray anโAndriamatoa Frederick Muia, Tale sady solon-tena maharitry ny OIT ho anโi Madagasikara, Comores, Maurice ary Seychelles, ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arakโAsa, Dr ANDRIAMAMPANDRY Todisoa Manampy, androany 16 jona 2026.
Nifantoka taminโny anjara birikin'ny OIT aminโny fanohanana ny ezaky ny Governemanta aminโny famoronana asa ho anโny tanora ny dinika ary nanasongadina ny fandaharanโasa ยซ Promesse Emploi ยป sy ny fanetsiketsehana ireo sehatra miankina sy tsy miankina aminโny fanjakana mba hanolorana sehatra fanaovana fiofanana (Stage) sy hanamora ny fidiranโireo tanora nahazo diplaoma eo aminโny tontolonโny asa.
ยฉ๏ธ METFP, Jona 2026
16/06/2026
|16.06.2026|
๐๐๐๐ ๐๐๐๐ : ๐
๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐โ๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐
๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐
Miray hina sy miara-mientana aminโny fanatanterahana ny fanadinana CEPE 2026 ireo Minisitera telo misahana ny fampianarana, dia ny Minisiteranโny Fanabeazam-pirenena (MEN), ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa (MESUPRES) ary ny Minisiteranโny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arakโAsa (METFP).
Ho fanohanana sy ho fanehoam-piraisankina aminโireo mpiadina, dia tonga nirary soa sy nitsodrano azy ireo tao aminโny EPP Andoharanofotsy ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arakโAsa, Dr ANDRIAMAMPANDRY Todisoa Manampy, niaraka taminโny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa.
Ministรจre de l'Education Nationale de Madagascar
Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa
ยฉ๏ธ METFP, Jona 2026
15/06/2026
|15.06.2026|
๐๐๐ก๐ข๐๐ข๐ฅ๐๐ก๐ ๐๐๐ง๐๐ข๐ฉ๐๐ก๐ ๐๐ข ๐๐กโ๐ก๐ฌ ๐๐ฌ๐๐ฬ๐ ๐ง๐๐๐๐ก๐๐ค๐จ๐ ๐๐ ๐ฃ๐๐๐๐๐ข๐๐
Notanterahina androany 15 Jona 2026 ny fanolorana taminโny fomba ofisialy ireo fitaovana ho anโny Lycรฉe Technique Ampefiloha, izay novatsian'ny UNESCO taminโny alalanโny tetikasa BEAR III.
Hanamafisana ny fampiharana ny fandaharam-piofanana vaovao Baccalaurรฉat Professionnel eo aminโny sehatry ny Textile - Habillement - Accessoires (THA), sampam-piofanana ยซ Coupe et Couture ยป, ao aminโity ivon-toeram-panofanana ity ary hanampy aminโny fanatsarana ny kalitaonโny fampianarana sy ny fanofanana omena ireo mpiofana eo anivonโny LTA no tanjona amin'izao famatsiana ara-pitaovana izao.
Tonga nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arakโAsa, Dr ANDRIAMAMPANDRY Todisoa Manampy, sy ny Lehibenโny sampanโasanโny UNESCO eto Madagasikara, Ramatoa RAKOTOSON Julie.
ยฉ METFP, Jona 2026
14/06/2026
|14. 06. 2026|
๐
๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐: ๐
๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐
๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐
Notokanana ny 13 Jona 2026 ny CFP ao Ranopiso, izay fiaraha miasa taminโny KOIKA nomen'ny tetikasa BIOCOM/UNESCO. Tonga nitokana izany taminโny fomba ofisialy ny Praiminisitra lehiben'ny Governemanta sy ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa, Andriamatoa Dr. ANDRIAMAMPANDRY Todisoa Manampy.
Ivon-toeram-panofanana momba ny "Maรงonnerie polyvalente" sy "Photovoltaรฏque" aminโny alalanโny FPQ sy ny AMB ity fotodrafitrasa vaovao ity ary misy toeram-ponenan'ny mpianatra ihany koa.
Tanjona aminโizany ny hanamafisana ny fahaiza-manaonโny tanora sy hanamorร na ny fidirany aminโny sehatry ny asa ary handraisany anjara aminโny fampandrosoana eny ifotony sy ny fiarovana ny tontolo iainana.
ยฉ๏ธ METFP, Jona 2026
13/06/2026
|13.06.2026|
๐
๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐: ๐
๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐
๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ (๐๐๐๐), ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐
Notokanan' Andriamatoa Filohanโny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Kolonely RANDRIANIRINA Mickael taminโny fomba ofisialy ny Lycรฉe Technique et Professionnel Agricole (LTPA) ao Ampasy Nahampoana, izay notronin'ny Mpanolotsaina avo eo anivonโny Fiadidianโny Fanavaozana, ny Praiminisitra lehibenโny Governemanta sy Andriamatoa Dr. ANDRIAMAMPANDRY Todisoa Manampy, Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa ary ireo olo manan-kaja sivily sy miramila.
Anisanโny zava-bita ny fanarenana ireo fotodrafitrasa efa nisy sy ny fananganana vaovao izay ahitana :
- efitrano fianarana miisa efatra (4)
- biraonโny Talen-tsekoly
- toeram-piompiana
- toby famatsian-drano ho an'ity toerana ity
ary notsinjaraina ho anโny mpiofana ihany koa ireo fitaovana sy kojakoja enti-manatanteraka ny fiofanana, izay fiaraha miasa niaraka taminโny QIT Madagascar Minerals (QMM).
Tanora miisa 140 no hisitraka mivantana ireo fotodrafitrasa sy fitaovana maoderina ireo, izay hanamafy ny kalitaonโny fampiofanana eo aminโny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, ary handray anjara aminโny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy maharitra ao aminโny Faritra Anosy.
ยฉ๏ธ METFP, Jona 2026
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Category
Website
Address
Complexe Scolaire Ampefiloha, Antananarivo/
Antananarivo
101
