Antenimierampirenena

Directions Website Contact the organization

Antenimierampirenena Pejin'ny Antenimierampirenena ahafahana mifanerasera sy mifanakalo hevitra

Lany teto anivon'ny Antenimierampirenena anio talata 2 septambra 2026, nandritra ny Fivoriambe notarihin'ny Filoha lefit...
02/09/2026

Lany teto anivon'ny Antenimierampirenena anio talata 2 septambra 2026, nandritra ny Fivoriambe notarihin'ny Filoha lefitra ho an'ny faritanin'Antananarivo Andriamatoa RALAMBOZAFIMBOLOLONA Razafitsimialona Andriantsivoafetra ny volavolan-dalàna laharana faha-016/2026 manome alalana ny fankatoavana ny fifanarahana momba ny fitantanam-bola sy ny fampiasam-bola eo anivon'ny vondrona SADC.

Nosoniavin’i Madagasikara tamin’ny taona 2006 ny fifanarahana na dia mbola tsy niroso tamin’ny fankatoavana izany hatramin’izao. Na izany aza, efa mampihatra ny ankamaroan'ireo fepetra voalaza ao amin’io fifanarahana io sahady i Madagasikara.

Ny fankatoavana azy io araka izany dia ahafahana mamorona tontolo mahasarika ny mpampiasa vola, miaro ny zon’ny mpampiasa vola, manamafy ny fitsipi-pifehezana ara-toekarena ankapobeny ary manavao ny rafitra ara-bola eto amin’ny firenena hifanaraka amin'ny fenitra isam-paritra sy iraisam-pirenena.

Eo amin’ny sehatry ny hetra, ny fampiharana ity fifanarahana ity dia hampiroborobo ny mangarahara sy ny fifanakalozana traikefa, ary hanohana ny fanavaozana sy ny nomerika eo amin’ny fitantanana ny hetra sy ny fadintseranana, anisan’izany ny ady amin’ny hosoka ara-ketra. Eo amin’ny rafitra fandoavam-bola kosa, dia hanampy amin’ny fanavaozana ny fotodrafitrasa ara-bola sy hanamora ny fandoavam-bola miampita sisintany, ka hahatonga izany ho haingana sy azo antoka kokoa.

Ankoatra izany, manokatra fahafahana bebe kokoa ho an’i Madagasikara hiditra amin’ny tsena isam-paritra eo anivon’ny SADC ny fankatoavana ity fifanarahana ity. Tsena iray ahitana mpanjifa manodidina ny 230 tapitrisa izany, izay tombanana ho mitentina 360 miliara dolara.

02/09/2026

Fandinihana sy fandaniana ny volavolan-dalàan lf"016/2026 tamin'ny 2 jona 2026 anomezan-dàlana ny fankatoavana ny fifanarahana fameno momba ny fitantanam-bola sy ny fampiasam-bola hamokarana eo anivon'ny Vondrona Fampandrosoana ny Atsimon'iAfrika (SADC).

Lany teto anivon’ny Antenimierampirenena nandritra ny fivoriambe notarihin’ny Filoha lefitra ho an’ny Faritanin’Antanana...
31/08/2026

Lany teto anivon’ny Antenimierampirenena nandritra ny fivoriambe notarihin’ny Filoha lefitra ho an’ny Faritanin’Antananarivo, RALAMBOZAFIMBOLOLONA Razafitsimialona Andriantsivoafetra, natao ny alatsinainy 31 aogositra 2026 ny volavolan-dalàna laharana faha 038/2026 tamin’ny 01 jolay 2026 manova sy mameno ny fepetra sasantsasany ao amin’ny Lalàna laharana faha 96-029 tamin’ny 06 desambra 1996 novaina sy nofenoin’ny Lalàna laharana faha 98-030 tamin’ny 20 Janoary 1999 momba ny Sata Ankapobeny mifehy ny Miaramila.

Ity volavolan-dalàna ity dia mampitombo roa taona ny fetran-taona andehanana misotro ronono ho an’ireo sokajin’ny zandary sy miaramila samihafa, na maharitra izy ireo na miasa araka ny fifanekena. Raha ny fanazavana nomen’ny avy eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka dia natao ity noho ny hamehana amin’ny fametrahana ny fandriam-pahalemana. Miisa 800 eo ho eo ny miaramila sy zandary voakasik’ity volavolan-dalàna ity ho amin’ity taona 2026 ity.

31/08/2026

31/08/2026 - Fandaniana ny volavolan-dalàna laharana faha-038/2026 tamin'ny 1 jolay 2026 enti-manova sy mameno ireo fepetra sasantsasany amin'ny lalàna laharana faha-96-029 tamin'ny 6 desambra 1996, novaina sy nofenoin'ny lalànà laharana faha-98-030 tamin'ny 20 janoary 1999, anaovana Sata ankapoben'ny Miaramila.

Noraisin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena sady Filohan’ny Vondron’ny Judo Afrikana, Andriamatoa Siteny RANDRIANASOLONI...
31/08/2026

Noraisin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena sady Filohan’ny Vondron’ny Judo Afrikana, Andriamatoa Siteny RANDRIANASOLONIAIKO, ny Filohan’ny Federasiona Malagasy momba ny taranja Judo, Andriamatoa Bruno-Éric SAÏD, niaraka tamin’ireo atleta maromaro.

Atleta efatra no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fiofanana mandritra ny telo volana any Kosovo, izay hanomanana azy ireo amin’ny fifaninanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny taona 2027. Hiainga amin’ny volana septambra izao ireo atleta ireo.

Ho fanohanana ny fiomanan’izy ireo sy ho fampiroboroboana ny Judo malagasy, dia nanolotra fanampiana ho azy ireo ny Filohan’ny Antenimierampirenena, mba hahafahan’izy ireo manatanteraka am-pahombiazana izany fiofanana izany.

31/08/2026

Fandaniana ny fanovana ny fandaharam-potoana.

FESTIVAL KOLONTSAINA TSOLABE - ANDIANY FAHA-14Tanterahina eto amin’ny Nosy Sainte-Marie ny Festival Kolontsaina TSOLABE,...
28/08/2026

FESTIVAL KOLONTSAINA TSOLABE - ANDIANY FAHA-14

Tanterahina eto amin’ny Nosy Sainte-Marie ny Festival Kolontsaina TSOLABE, andiany faha-14, ny 27 hatramin’ny 30 aogositra 2026, hetsika lehibe mampivondrona ny mponina sy ireo vahiny maro, ary manome lanja manokana ny kolontsaina, ny fizahan-tany ary ny firaisankina.

Nanome voninahitra ny lanonana tamin’ny fanatrehany ny Filohan’ny Fanavaozana, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël. Nanatrika izany ihany koa ny solontenan’ny Antenimierampirenena, Andriamatoa Siteny RANDRIANASOLONIAIKO sy Andriamatoa RAZARA Pierre Ravolaza Fidèle, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto an-toerana.

Mihoatra noho ny fety ny TSOLABE. Sehatra iray hampahafantarana sy hitahirizana ny kolontsaina sy ny maha-izy azy an’i Sainte-Marie izy, sady fitaovana iray hampiroboroboana ny fizahan-tany, hanohanana ny asa fiveloman’ny mponina ary hampihetsika ny toekarena eny ifotony.
Nampiavaka ity andiany faha-14 ity ny hetsika ara-kolontsaina sy ara-panatanjahantena maro samihafa, ny fampahafantarana ireo fomba amam-panao nentim-paharazana, ary ny fihaonan’ny mponina sy ireo vahiny tonga manerana ny Nosy.
Manohana hatrany ireo hetsika mampiray ny Malagasy sy mampiroborobo ny kolontsaina ary mitondra fampandrosoana mivantana ho an’ny vahoaka ny Antenimierampirenena.
Ny kolontsaina no maha-izy antsika, ny firaisankina no herintsika, ary ny fampandrosoana no tanjona iombonantsika.

𝟐𝟖 𝐀𝐎𝐆𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔 | 𝐒𝐀𝐈𝐍𝐓𝐄-𝐌𝐀𝐑𝐈𝐄FITSIDIHANA SY FIHAONANA AMIN’NY VAHOAKAN’I SAINTE-MARIETonga eto Sainte-Marie androany ...
28/08/2026

𝟐𝟖 𝐀𝐎𝐆𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔 | 𝐒𝐀𝐈𝐍𝐓𝐄-𝐌𝐀𝐑𝐈𝐄

FITSIDIHANA SY FIHAONANA AMIN’NY VAHOAKAN’I SAINTE-MARIE

Tonga eto Sainte-Marie androany ny Filohan’ny Fanavaozana, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony eto amin’ny Firenena.

Nandray anjara tamin’ity fitsidihana ity ihany koa ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Andriamatoa RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry, ho mariky ny fiaraha-mientan’ireo Andrimpanjakana amin’ny fikatsahana vahaolana mivaingana amin’ireo filàn’ny mponina sy ny fampandrosoana ny faritra.

Ny fampandrosoana an’i Sainte-Marie sy ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina no ivon’ny dinika.

Nodinihina manokana nandritra izany ireo laharam-pahamehana maro, anisan’izany ny fanarenana ny lalana sy ny seranam-piaramanidina, ny fanatsarana ny foto-drafitrasa ara-pahasalamana sy ara-panabeazana, ary ny fanohanana ireo tetikasa fampandrosoana eny ifotony.

Nohamafisina ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fampandrosoana ny fiaraha-miasa amin’ireo Nosy rahavavy ao amin’ny Ranomasimbe Indianina, indrindra eo amin’ny sehatra ara-toekarena sy sosialy, mba hahafahan’i Sainte-Marie misitraka bebe kokoa ireo tombontsoa ateraky ny toerana stratejika misy azy.

Famatsiam-bola mitentina 200 tapitrisa Ariary no natokana ho fanohanana ireo tetikasa fampandrosoana ao an-toerana.

Nambara nandritra ny fitsidihana ihany koa fa Sainte-Marie no handray ny Festival Tsôlabe, hetsika iray antenaina hanome tosika vaovao ny fizahan-tany, ny kolontsaina, ny asa fivelomana ary ny toe-karena eo an-toerana.

Ho an’ny Antenimierampirenena, zava-dehibe ny fihainoana mivantana ny hetahetan’ny vahoaka sy ny fijerena eny ifotony ny zava-misy, satria ny fampandrosoana marina dia tsy maintsy miainga amin’ny filàn’ny vahoaka ary miverina ho tombontsoan’ny vahoaka.

Sainte-Marie mandroso, Madagasikara mandroso.

MANAKARA | FANATANJAHANTENA – FIRAISANKINA – FIFANAKALOZANANotanterahina teto Manakara ny fitokanana fotodrafitrasa ara-...
27/08/2026

MANAKARA | FANATANJAHANTENA – FIRAISANKINA – FIFANAKALOZANA

Notanterahina teto Manakara ny fitokanana fotodrafitrasa ara-panatanjahantena, niaraka tamin’ny lalao sy hetsika ara-panatanjahantena nandraisan’ireo mpiasam-panjakana anjara.

Tsy fifaninanana fotsiny ny fanatanjahantena. Sehatra iray lehibe ihany koa izy hanamafisana ny firaisankina, ny fihavanana ary ny fifanakalozana eo amin’ireo samy mpiasam-panjakana, izay samy manana andraikitra amin’ny fanompoana ny Vahoaka sy ny Firenena.

Nandritra ny hetsika dia hita taratra ny hafanam-po sy ny firaisankina, na teny an-kianja na teny amin’ny mpijery. Fotoana iray nahafahan’ny rehetra nihaona, nifampiresaka ary nanamafy ny fifandraisana ivelan’ny sehatry ny asa andavanandro.

Ny fananganana sy fanatsarana fotodrafitrasa ara-panatanjahantena tahaka izao dia fampiasam-bola ho an’ny olona: ho an’ny fahasalamana, ho an’ny tanora, ho an’ny fiaraha-monina ary ho an’ny firaisankinam-pirenena.

Saina salama ao anaty vatana salama.

Amporisihina hatrany ny fanatanjahantena sy ny fifanakalozana eo amin’ny samy mpiasam-panjakana, satria rehefa mifankahalala sy miray hina ireo mpanompon’ny Fanjakana, dia vao mainka afaka miara-miasa tsara kokoa ho tombontsoan’ny Vahoaka Malagasy.

Ny fanatanjahantena mampiray. Ny fihavanana mampatanjaka. Ny firaisankina mampandroso ny Firenena.

Address

Palais De Tsimbazaza
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Antenimierampirenena posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Antenimierampirenena:

Shortcuts

Share