Sรฉnat de Madagascar

Sรฉnat de Madagascar

Share

Pejy natao ifaneraseran'ny olom-pirenena vanona amin'ny Antenimierandoholona.

05/04/2026

๐ŸŽ‰๐‘ด๐’Š๐’“๐’‚๐’“๐’š ๐‘ท๐’‚๐’”๐’Œ๐’‚ ๐’”๐’‚๐’Ž๐’ƒ๐’‚๐’•๐’“๐’‚ ๐’‰๐’ ๐’‚๐’๐’•๐’”๐’Š๐’Œ๐’‚ ๐’“๐’†๐’‰๐’†๐’•๐’“๐’‚.

Photos from Sรฉnat de Madagascar's post 31/03/2026

๐—›๐—˜๐—ง๐—ฆ๐—œ๐—ž๐—” ๐—™๐—œ๐—ง๐—œ๐—Ÿ๐—œ๐—”๐—ก๐—” ๐——๐—œ๐—”๐—•๐—˜๐—ง๐—” ๐— ๐—”๐—œ๐— ๐—”๐—œ๐— ๐—ฃ๐—ข๐—”๐—ก๐—” ๐—ง๐—˜๐—ง๐—ข ๐—”๐— ๐—œ๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐—”๐—ก๐—ง๐—˜๐—ก๐—œ๐— ๐—œ๐—˜๐—ฅ๐—”๐—ก๐——๐—ข๐—›๐—ข๐—Ÿ๐—ข๐—ก๐—”
โ€Ž
โ€Ž๐ŸฉบHo fampiroboroboana ny fahasalamana eto aminโ€™ny toeram-piasana sy ho fanaraha-maso ny fahasalamanโ€™ny mpiasa, dia nikarakara hetsika fitiliana maimaimpoana ny aretina diabeta ny Antenimierandoholona ny talata 31 marsa 2026.
โ€Ž
โ€Žโœ…Izany no tontosa dia noho ny fiaraha-miasa taminโ€™ny toeram-pitsaboana ยซ ๐‘ด๐‘ฐ๐‘ช๐‘น๐‘ถ๐‘ณ๐‘จ๐‘ฉ๐‘บ ยป izay nandraisan'i Dr ๐‘น๐‘จ๐‘ฒ๐‘ถ๐‘ป๐‘ถ๐‘ด๐‘จ๐‘ณ๐‘จ๐‘ณ๐‘จ ๐‘บ๐’๐’๐’๐’๐’Š๐’“๐’Š๐’๐’‚ ๐‘ญ๐’Š๐’•๐’Š๐’‚ ๐‘ฝ๐’‚๐’๐’Š๐’”๐’๐’‚ sy i Dr ๐‘ณ๐‘จ๐‘ฏ๐‘ฐ๐‘จ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘จ๐’๐‘จ ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’†๐’“๐’š, anjara, sy ny ๐‘บ๐’‚๐’Ž๐’‘๐’‚๐’๐’…๐’“๐’‚๐’‰๐’‚๐’“๐’‚๐’‰๐’‚ ๐’Ž๐’Š๐’”๐’‚๐’‰๐’‚๐’๐’‚ ๐’๐’š ๐’‡๐’‚๐’‰๐’‚๐’”๐’‚๐’๐’‚๐’Ž๐’‚๐’'๐’๐’š ๐’Ž๐’‘๐’Š๐’‚๐’”๐’‚ eto amin'ny Antenimierandoholona, izay tarihan'i ๐‘ดรฉ๐’…๐’†๐’„๐’Š๐’ ๐‘ช๐’‰๐’†๐’‡, Dr ๐‘น๐‘จ๐‘ฉ๐‘ฌ๐‘ป๐‘จ๐‘ญ๐‘ฐ๐‘ฒ๐‘จ ๐‘ฝ๐’๐’๐’‚.
โ€Ž
โ€Ž๐Ÿ‘‰Ramatoa ๐‘ฏ๐‘จ๐‘ต๐‘ฐ๐‘ป๐‘น๐‘จ๐‘ณ๐‘จ๐‘ณ๐‘จ๐‘ฐ๐‘ต๐‘จ ๐‘ป๐’‰รฉ๐’๐’…๐’๐’“๐’‚ ๐‘ญ๐’๐’๐’“๐’†๐’๐’„๐’†, Tale misahana ny Fitantanan-draharaha sy ny MahaOlona eto amin'ny Antenimierandoholona, no nitarika ny fotoana.
โ€Ž
โ€Ž๐Ÿ–‡๏ธIsanโ€™ny tanjona aminโ€™izao hetsika izao ny hanombohana na koa ny hanohizana ny fitsaboana ho an'ireo izay fantatra fa tratry ny aretina. Eo koa ny fanamafisana ny fisorohana mialoha ho anโ€™ireo izay mbola tsy mararinโ€™ny diabeta, mba ho vatana salama sy tomady no entina miatrika ny asa andavananโ€™andro.

Photos from Sรฉnat de Madagascar's post 29/03/2026

๐—™๐—”๐—›๐—”๐—ง๐—ฆ๐—œ๐—”๐—ฅ๐—ข๐—ฉ๐—”๐—ก๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐—›๐—” ๐Ÿณ๐Ÿต ๐—ง๐—”๐—ข๐—ก๐—”๐—ก'๐—ก๐—ฌ ๐—ง๐—ข๐—Ÿ๐—ข๐— -๐—ฃ๐—”๐—›๐—”๐—™๐—”๐—›๐—”๐—ก๐—”
โ€Ž
โ€Ž๐Ÿ—“๏ธ29 ๐’Ž๐’‚๐’“๐’”๐’‚ 1947 - 29 ๐’Ž๐’‚๐’“๐’”๐’‚ 2026 : 79 taona ny tolom-panafahana nataon'ireo Maherifon'ny Firenena ho an'ny fahaleovantenan'i Madagasikara.
โ€Ž
โ€Ž๐Ÿ–‡๏ธToy ny fanao isan-taona dia tamin'ny alalan'ny fametrahana fehezam-boninkazo sy fanomezam-boninahitra ireo Martiora nitolona ho an'ny fahaleovantenan'i Madagasikara teny amin'ny fasan'ny Maherifo eny Avaratr'Ambohitsaina no nanamarihana ny hetsika fahatsiarovana ny andron'ny 29 marsa.
โ€Ž
โ€Žโœ’๏ธAndriamatoa kolonely notronon'ireo ๐‘น๐‘จ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘ฐ๐‘จ๐‘ต๐‘ฐ๐‘น๐‘ฐ๐‘ต๐‘จ ๐‘ด๐’Š๐’„๐’Œ๐’‚รซ๐’, Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, no nitarika ny lanonam-pahatsiarovana, notronon'ireo Mpanolotsaina avon'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara.
โ€Ž
โ€Žโžก๏ธManamboninahitra sivily sy miaramila isan'ambaratongany maro no tonga nanome voninahitra ny fotoana, ka isan'izany Andriamatoa ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘ฌ๐‘ด๐‘จ๐‘ต๐‘ฑ๐‘จ๐‘น๐’€ ๐‘ฑ๐’†๐’‚๐’ ๐‘จ๐’๐’…๐’“รฉ, Filohan'ny Antenimierandoholona mpisolo toerana.
โ€Ž
โ€Žโœ…Nitohy teny amin'ny Tsangambaton'ny Maherifo eny Ambohijatovo, toerana mana-tantara, ny hetsika fahatsiarovana ho an'ny teto Antananarivo Renivohitra, ka isan'ny tonga nametraka fehezam-boninkazo fahatsiarovana teny an-toerana Andriamatoa Filohan'ny Antenimierandoholona mpisolo toerana.
โ€Ž
โ€Ž๐Ÿ“Tsiahivina fa "๐‘ป๐’๐’๐’๐’Ž-๐’‘๐’‚๐’‰๐’‚๐’‡๐’‚๐’‰๐’‚๐’๐’‚, ๐‘ญ๐’‚๐’๐’‚๐’—๐’‚๐’๐’›๐’‚๐’๐’‚ ๐’๐’š ๐’‡๐’Š๐’•๐’Š๐’‚๐’—๐’‚๐’-๐’•๐’‚๐’๐’Š๐’๐’…๐’“๐’‚๐’›๐’‚๐’๐’‚" no tarakevitra nentina nanatanterahana ny hetsika rehetra taminโ€™ity taona ity.

Photos from Sรฉnat de Madagascar's post 09/03/2026

๐—™๐—”๐—ก๐—”๐— ๐—”๐—ฅ๐—œ๐—›๐—”๐—ก๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—ข ๐—œ๐—ฅ๐—”๐—œ๐—ฆ๐—”๐— -๐—ฃ๐—œ๐—ฅ๐—˜๐—ก๐—˜๐—ก๐—” ๐—›๐—ข ๐—”๐—ก'๐—ก๐—ฌ ๐—ญ๐—ข๐—ก'๐—ก๐—ฌ ๐—ฉ๐—˜๐—›๐—œ๐—ฉ๐—”๐—ฉ๐—ฌ - ๐—ง๐—”๐—ข๐—ก๐—” ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐Ÿฒ : ๐—ก๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—”๐—ฌ ๐—”๐—ก๐—๐—”๐—ฅ๐—” ๐—™๐—˜๐—ก๐—ข ๐—œ๐—ฅ๐—˜๐—ข ๐— ๐—ฃ๐—œ๐—”๐—ฅ๐—”-๐— ๐—œ๐—”๐—ฆ๐—” ๐—ฉ๐—˜๐—›๐—œ๐—ฉ๐—”๐—ฉ๐—ฌ ๐—˜๐—ง๐—ข ๐—”๐— ๐—œ๐—ก'๐—ก๐—ฌ ๐—”๐—ก๐—ง๐—˜๐—ก๐—œ๐— ๐—œ๐—˜๐—ฅ๐—”๐—ก๐——๐—ข๐—›๐—ข๐—Ÿ๐—ข๐—ก๐—”

๐Ÿ—“๏ธTafiditra tao anatin'ireo hetsika fanamarihana ny "๐‘จ๐’๐’…๐’“๐’ ๐’Š๐’“๐’‚๐’Š๐’”๐’‚๐’Ž-๐’‘๐’Š๐’“๐’†๐’๐’†๐’๐’‚ ๐’‰๐’ ๐’‚๐’'๐’๐’š ๐’›๐’๐’'๐’๐’š ๐‘ฝ๐’†๐’‰๐’Š๐’—๐’‚๐’—๐’š" izay ankalazaina isaky ny faha-valon'ny volana marsa, ireo Tompon'andraikitra ambony vehivavy sy ny solontenan'ireo mpiara-miasa vehivavy eto anivon'ny Antenimierandoholona, notarihan-dRamatoa ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘ฌ๐‘ด๐‘จ๐‘ต๐‘ฑ๐‘จ๐‘น๐’€ ๐‘ฑ๐‘ผ๐‘ณ๐‘ฌ๐‘บ ๐‘น๐’๐’”๐’†๐’๐’Š๐’๐’†, vadin'Andriamatoa ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘ฌ๐‘ด๐‘จ๐‘ต๐‘ฑ๐‘จ๐‘น๐’€ ๐‘ฑ๐’†๐’‚๐’ ๐‘จ๐’๐’…๐’“รฉ, Filohan'ny Antenimierandoholona mpisolo toerana, dia nandray anjara tamin'ny :

๐ŸŒณ๐’‡๐’‚๐’Ž๐’ƒ๐’๐’๐’†๐’-๐’Œ๐’‚๐’›๐’ natao ny zoma faha 6 marsa 2026 teny amin'ny ๐’Œ๐’‚๐’๐’Ž๐’Š๐’๐’Š๐’๐’‚ ๐’‚๐’Ž๐’ƒ๐’‚๐’๐’Š๐’—๐’๐’‰๐’Š๐’•๐’“'๐’Š ๐‘ป๐’‚๐’๐’‚๐’•๐’‚ ๐‘ฝ๐’๐’๐’๐’๐’๐’๐’…๐’“๐’š, Distrikan'Antananarivo Avaradrano ;

sy tamin'ny :

๐Ÿ‘ฏโ€โ™€๏ธ๐’…๐’Š๐’‚๐’ƒ๐’†๐’'๐’๐’š ๐’‡๐’‚๐’๐’…๐’“๐’†๐’”๐’†๐’๐’‚ manodidina ny farihin'Anosy natao ny alahady faha 8 marsa 2026, ivon'ny fankalazana ;

๐ŸซถIreo hetsika rehetra dia teo ambany fitarihan-dRamatoa ๐‘น๐‘จ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘ฐ๐‘จ๐‘ต๐‘ฐ๐‘น๐‘ฐ๐‘ต๐‘จ ๐‘ฌ๐’๐’Š๐’”๐’‚, vadin'Andriamatoa Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny kolonely ๐‘น๐‘จ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘ฐ๐‘จ๐‘ต๐‘ฐ๐‘น๐‘ฐ๐‘ต๐‘จ ๐‘ด๐’Š๐’„๐’‰๐’‚รซ๐’, ary nandraisan'ireo vehivavy avy amin'ny Andrimpanjakana, Minisitera, Sampandraharaham-panjakana isan-tsokajiny, ny solontenan'ireo Vehivavy avy amin'ny Faritra 24 manerana ny Nosy, ary ireo fikambanam-behivavy samihafa anjara.

"๐™ฝ๐šข ๐š…๐šŽ๐š‘๐š’๐šŸ๐šŠ๐šŸ๐šข ๐š–๐šŠ๐š•๐šŠ๐š๐šŠ๐šœ๐šข, ๐š‘๐šŽ๐š›๐šข ๐š’๐š›๐šŠ๐šข ๐š‘๐š˜ ๐šŠ๐š—'๐š—๐šข ๐™ต๐šŠ๐š—๐šŠ๐šŸ๐šŠ๐š˜๐šฃ๐šŠ๐š—๐šŠ ๐š—๐šข ๐™ต๐š’๐š›๐šŽ๐š—๐šŽ๐š—๐šŠ".

Photos from Sรฉnat de Madagascar's post 12/02/2026

๐๐€๐๐Ž๐‹๐Ž๐“๐‘๐€ ๐‹๐„๐‹๐€๐•๐Ž๐‹๐€ ๐Œ๐ˆ๐“๐„๐๐“๐ˆ๐๐€ ๐Ÿ๐ŸŽ ๐ŸŽ๐ŸŽ๐ŸŽ ๐ŸŽ๐ŸŽ๐ŸŽ ๐€๐‘๐ˆ๐€๐‘๐˜ ๐‡๐Ž ๐€๐'๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐“๐‘๐€๐๐Ž๐ˆ๐๐€ ๐•๐Ž๐Š๐€๐“๐‘๐˜ ๐๐˜ ๐…๐€๐๐ƒ๐€๐‹๐Ž๐•๐€๐'๐๐˜ ๐‘๐ˆ๐•๐Ž๐ƒ๐Ž๐™๐€ ๐†๐„๐™๐€๐๐ˆ ๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐€๐Œ๐€๐“๐Ž๐€ ๐…๐ˆ๐‹๐Ž๐‡๐€๐'๐๐˜ ๐€๐๐“๐„๐๐ˆ๐Œ๐ˆ๐„๐‘๐€๐๐ƒ๐Ž๐‡๐Ž๐‹๐Ž๐๐€ ๐Œ๐๐ˆ๐’๐Ž๐‹๐Ž ๐“๐Ž๐„๐‘๐€๐๐€ ๐Œ๐ˆ๐€๐๐€๐Š๐€๐•๐˜
โ€Ž
โ€Ž๐Ÿ™Ho famaliana ny antso avo nataon'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Andriamatoa kolonely ๐‘น๐‘จ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘ฐ๐‘จ๐‘ต๐‘ฐ๐‘น๐‘ฐ๐‘ต๐‘จ ๐‘ด๐’Š๐’„๐’‰๐’‚รซ๐’, ny amin'ny tokony hifanomezana tร nana ho fanohanana an'ireo mpiray Tanindrazana any amin'ny Faritanin'i Toamasina, traboina vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza ๐‘ฎ๐’†๐’›๐’‚๐’๐’Š, dia tonga nanolotra fanampiana teny amin'ny ๐‘ฉ๐‘ต๐‘ฎ๐‘น๐‘ช Antanimora, Andriamatoa ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘ฌ๐‘ด๐‘จ๐‘ต๐‘ฑ๐‘จ๐‘น๐’€ ๐‘ฑ๐’†๐’‚๐’ ๐‘จ๐’๐’…๐’“รฉ, Filohan'ny Antenimierandoholona mpisolo toerana sy Ramatoa Vadiny, ny alakamisy 12 febroary 2026.
โ€Ž
โ€Žโœ‰๏ธLelavola mitentina 10 000 000 Ariary no natolotr'izy ireo tamin'izany, tamin'ny anaran'ny fianakaviana ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘ฌ๐‘ด๐‘จ๐‘ต๐‘ฑ๐‘จ๐‘น๐’€ ๐‘ฑ๐’†๐’‚๐’ ๐‘จ๐’๐’…๐’“รฉ.
โ€Ž
โ€Ž๐ŸซถAraka ny Tenin'ny Soratra Masina ao amin'ny I Korintiana 13 : 13 manao hoe: "๐‘จ๐’“๐’š ๐’‚๐’๐’Œ๐’†๐’‰๐’Š๐’•๐’“๐’Š๐’๐’š ๐’…๐’Š๐’‚ ๐’Š๐’“๐’†๐’•๐’ ๐’•๐’†๐’๐’ ๐’Š๐’“๐’†๐’•๐’ ๐’๐’ ๐’Ž๐’Š๐’•๐’๐’†๐’•๐’“๐’‚: ๐’๐’š ๐’‡๐’Š๐’๐’๐’‚๐’๐’‚, ๐’๐’š ๐’‡๐’‚๐’๐’‚๐’๐’•๐’†๐’๐’‚๐’๐’‚, ๐’๐’š ๐’‡๐’Š๐’•๐’Š๐’‚๐’—๐’‚๐’๐’‚: ๐’‡๐’‚ ๐’๐’š ๐’‡๐’Š๐’•๐’Š๐’‚๐’—๐’‚๐’๐’‚ ๐’๐’ ๐’๐’†๐’‰๐’Š๐’ƒ๐’† ๐’‚๐’Ž๐’Š๐’'๐’Š๐’“๐’†๐’." hoy Andriamatoa Filohan'ny Antenimierandoholona mpisolo toerana, dia natao izao vonjy ranovaky izao ho fanehoana fitiavana sy firaisam-po eo amin'ny samy mpiray Tanindrazana.
โ€Ž
โ€Ž๐Ÿ“ŒMarihana fa efa nanolotra fanampiana ho an'ireo mponina any amin'ny Faritanin'i Mahajanga, traboina vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza ๐‘ญ๐’š๐’•๐’Š๐’‚ ihany koa ny fianakaviamben'ny Antenimierandoholona ny herinandro lasa teo.

Photos from Sรฉnat de Madagascar's post 09/02/2026

๐—™๐—”๐—ก๐—”๐—ก๐—š๐—”๐—ก๐—”๐—ก-๐—ง๐—ฆ๐—”๐—œ๐—ก๐—” ๐—ง๐—˜๐—ง๐—ข ๐—”๐— ๐—œ๐—ก'๐—ก๐—ฌ ๐—”๐—ก๐—ง๐—˜๐—ก๐—œ๐— ๐—œ๐—˜๐—ฅ๐—”๐—ก๐——๐—ข๐—›๐—ข๐—Ÿ๐—ข๐—ก๐—”.
โ€Ž
๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌNanatanteraka fananganan-tsaina teo ambany fitarihan'Andriamatoa Sekretera Jeneraly, ๐‘น๐‘จ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘ฐ๐‘จ๐‘ต๐‘ป๐‘ฐ๐‘จ๐‘ต๐‘จ ๐‘ฑ๐’†๐’‚๐’ ๐‘ช๐’‰๐’‚๐’“๐’๐’Š๐’, ny mpiara-miasa eto anivon'ny Antenimierandoholona ny alatsinainy 09 febroary 2026.
โ€Ž
๐Ÿ“Œโ€ŽTeboka roa lehibe no nisongadina nandritra ny fandraisam-pitenenan'Andriamatoa Sekretera Jeneraly:
โ€Ž1๏ธโƒฃfamelabelarana ny maha zava-dehibe ny fisian'ny Antenimierandoholona eto Madagasikara. Isan'ny andraikitra mampiavaka ny Antenimierandoholona hoy izy ny fisoloan-tena ny Vondrom-bahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana sy ny Vondron-draharaha ara-tsosialy sy ara-toekarena. Araka izany dia miara-miasa akaiky amin'ireo Tompon'andraikitra eny ifotony izay antoka mampisy ny fampandrosoana ity Andrimpanjakana ity.
โ€Ž
โ€Ž2๏ธโƒฃfamelabelarana ireo lamina vaovao ho apetraka ho fanatsarana sy fandrindrana ny fomba fiasa eto anivon'ny Antenimierandoholona.
โ€Ž
๐Ÿ‘‰โ€ŽMarihana fa ireo mpiara-miasa dia manatanteraka hatrany ny asa fanao andavanandro.

Photos from Sรฉnat de Madagascar's post 09/02/2026

๐—™๐—œ๐—ž๐—”๐—ข๐—ก๐—”๐—ก๐——๐—ข๐—›๐—”๐—ก'๐—ก๐—ฌ ๐—ญ๐—”๐—ก๐——๐—”๐—ฅ๐—œ๐— ๐—”๐—ฅ๐—œ๐—”๐— -๐—ฃ๐—œ๐—ฅ๐—˜๐—ก๐—˜๐—ก๐—”
โ€Ž
โ€Ž๐Ÿ–‡๏ธTonga nanome voninahitra ny lanonam-panokafana tamin'ny fomba ofisialy ny "๐‘ญ๐’Š๐’Œ๐’‚๐’๐’๐’‚๐’๐’…๐’๐’‰๐’‚๐’Ž-๐’‘๐’Š๐’“๐’†๐’๐’†๐’๐’‚ ๐’‰๐’ ๐’‡๐’‚๐’๐’‚๐’—๐’‚๐’๐’›๐’‚๐’๐’‚ ๐’๐’š ๐’๐’‚๐’๐’…๐’‚๐’“๐’Š๐’Ž๐’‚๐’“๐’Š๐’‚๐’Ž-๐’‘๐’Š๐’“๐’†๐’๐’†๐’๐’‚" na ny "๐‘จ๐’”๐’”๐’Š๐’”๐’†๐’” ๐’‘๐’๐’–๐’“ ๐’๐’‚ ๐’“๐’†๐’‡๐’๐’๐’…๐’‚๐’•๐’Š๐’๐’ ๐’…๐’† ๐’๐’‚ ๐‘ฎ๐’†๐’๐’…๐’‚๐’“๐’Ž๐’†๐’“๐’Š๐’† ๐‘ต๐’‚๐’•๐’Š๐’๐’๐’‚๐’๐’†" Andriamatoa ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘ฌ๐‘ด๐‘จ๐‘ต๐‘ฑ๐‘จ๐‘น๐’€ ๐‘ฑ๐’†๐’‚๐’ ๐‘จ๐’๐’…๐’“รฉ, Filohan'ny Antenimierandoholona mpisolo toerana.
โ€Ž
โ€Ž๐Ÿ‘‰Teny amin'ny ๐‘ช๐‘ช๐‘ฐ ๐‘ฐ๐’—๐’‚๐’•๐’ no nanatanterahana izany ny alatsinainy 09 febroary 2026, teo ambany fiahian'Andriamatoa kolonely ๐‘น๐‘จ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘ฐ๐‘จ๐‘ต๐‘ฐ๐‘น๐‘ฐ๐‘ต๐‘จ ๐‘ด๐’Š๐’„๐’Œ๐’‚รซ๐’, Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara.
โ€Ž
โ€Ž๐Ÿ“ŒAtao izao fikaonandoha izao ho fakan-kevitra amin'ny fanavaozana sy fanatsarana hatrany ny fomba fiasa eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena, hamerenana indray ny fitokisanโ€™ny vahoaka, ary hametrahana fandriam-pahalemana maharitra mba hanompoana ny Firenena.
โ€Ž
โ€Ž

Photos from Sรฉnat de Madagascar's post 06/02/2026

๐—ก๐—”๐—ก๐—ข๐—Ÿ๐—ข๐—ง๐—ฅ๐—” ๐—™๐—”๐—ก๐—”๐— ๐—ฃ๐—œ๐—”๐—ก๐—” ๐—›๐—ข ๐—”๐—ก'๐—œ๐—ฅ๐—˜๐—ข ๐—ง๐—ฅ๐—”๐—•๐—ข๐—œ๐—ก๐—” ๐—ฉ๐—ข๐—ž๐—”๐—ง๐—ฅ๐—ฌ ๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐—ก๐——๐—”๐—Ÿ๐—ข๐—ฉ๐—”๐—ก'๐—ก๐—ฌ ๐—ฅ๐—œ๐—ฉ๐—ข๐——๐—ข๐—ญ๐—” ๐—™๐—ฌ๐—ง๐—œ๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—ง๐—˜๐—ง๐—ข ๐—”๐—ก๐—œ๐—ฉ๐—ข๐—ก'๐—ก๐—ฌ ๐—”๐—ก๐—ง๐—˜๐—ก๐—œ๐— ๐—œ๐—˜๐—ฅ๐—”๐—ก๐——๐—ข๐—›๐—ข๐—Ÿ๐—ข๐—ก๐—”
โ€Ž
โ€Ž๐ŸซถHo fanehoana firaisan-kina amin'ireo mpiray Tanindrazana any amin'ny Faritanin'i Mahajanga, traboina vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza Fytia, dia niara-nientana ny fianakaviamben'ny Antenimierandoholona nanangona izay voatsirambin'ny tanana, ary nanolotra izany teny amin'ny ๐‘ฉ๐‘ต๐‘ฎ๐‘น๐‘ช Antanimora androany zoma 06 febroary 2026.
โ€Ž
โ€Ž๐Ÿ‘‰Andriamatoa ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘ฌ๐‘ด๐‘จ๐‘ต๐‘ฑ๐‘จ๐‘น๐’€ ๐‘ฑ๐’†๐’‚๐’ ๐‘จ๐’๐’…๐’“รฉ, Filohan'ny Antenimierandoholona mpisolo toerana, niaraka tamin'ireo Tompon'andraikitra ambony eto anivon'ny Antenimierandoholona no tonga teny an-toerana nisolo tena ny mpiara-miasa rehetra nanolotra ny fanampiana, izay nahitana vary 10 gony.
โ€Ž
โ€Ž๐ŸŽค"๐‘บ๐’๐’‚๐’•๐’๐’‚๐’—๐’Š๐’๐’‚ ๐’Ž๐’‚๐’๐’‚๐’ˆ๐’‚๐’”๐’š ๐’๐’š ๐’Ž๐’Š๐’‡๐’‚๐’๐’‚๐’Ž๐’‘๐’š ๐’”๐’š ๐’Ž๐’Š๐’“๐’‚๐’š ๐’‰๐’Š๐’๐’‚ ๐’‚๐’“๐’š ๐’Ž๐’Š๐’‡๐’‚๐’๐’๐’Ž๐’† ๐’•๐’‚๐’๐’‚๐’๐’‚ ๐’‚๐’๐’‚๐’•๐’Š๐’'๐’๐’š ๐’‡๐’๐’•๐’๐’‚๐’-๐’•๐’”๐’‚๐’“๐’๐’•๐’“๐’‚" hoy Andriamatoa Filohan'ny Antenimierandoholona mpisolo toerana, antony indrindra nanaovana izao vonjy ranovaky izao.
โ€Ž
โ€Ž๐Ÿ™Andriamatoa jeneraly ๐‘น๐‘จ๐‘ด๐‘จ๐‘ต๐‘จ๐‘ต๐‘ป๐‘บ๐‘ถ๐‘จ ๐‘ฎ๐’‚๐’ƒ๐’“๐’Š๐’†๐’, Tale Jeneralin'ny ๐‘ฉ๐‘ต๐‘ฎ๐‘น๐‘ช no nandray ny fanampiana sy nitondra ny teny fisaorana sy fankasitrahana. Nampanantena moa izy fa ho mangarahara tanteraka ny fitsinjarana ireo fanampiana, ary hisy ny tatitra ho atao amin'ny Antenimierandoholona ho fampahafantarana an'ireo nisitraka izany.

Photos from Sรฉnat de Madagascar's post 02/02/2026

๐—™๐—”๐—ก๐—”๐—ก๐—š๐—”๐—ก๐—”๐—ก-๐—ง๐—ฆ๐—”๐—œ๐—ก๐—” ๐—ง๐—˜๐—ง๐—ข ๐—”๐— ๐—œ๐—ก'๐—ก๐—ฌ ๐—”๐—ก๐—ง๐—˜๐—ก๐—œ๐— ๐—œ๐—˜๐—ฅ๐—”๐—ก๐——๐—ข๐—›๐—ข๐—Ÿ๐—ข๐—ก๐—”
โ€Ž
โ€Ž๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌFananganan-tsaina voalohany ho an'ny taona vaovao 2026 niarahan'ireo mpiara-miasa rehetra eto amin'ny Antenimierandoholona tamin'Andriamatoa ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘ฌ๐‘ด๐‘จ๐‘ต๐‘ฑ๐‘จ๐‘น๐’€ ๐‘ฑ๐’†๐’‚๐’ ๐‘จ๐’๐’…๐’“รฉ, Filohan'ny Antenimierandoholona mpisolo toerana, no notanterahana teto amin'ny Lapan'Anosikely androany alatsinainy 02 febroary 2026.
โ€Ž
โ€Ž๐Ÿ“ŒTeboka telo no nisongadina nandritra ny fandraisam-pitenenan'Andriamatoa Filohan'ny Antenimierandoholona mpisolo toerana :
โ€Ž
โ€Ž1๏ธโƒฃtatitry ny fihaonany tamin'ireo delegasionina avy amin'ny ๐‘บ๐‘จ๐‘ซ๐‘ช sy avy amin'ny ๐‘ฝ๐’๐’๐’…๐’“๐’๐’๐’‚ ๐‘จ๐’‡๐’“๐’Š๐’Œ๐’‚๐’๐’Š๐’๐’‚ izay samy nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana teto amin'ny Lapan'Anosikely ny herinandro lasa teo ;
โ€Ž
โ€Ž2๏ธโƒฃfanaovana tolo-tanana ho fanampiana ireo traboina vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza ๐‘ญ๐’š๐’•๐’Š๐’‚. Atao izany hoy izy ho fanehoana fa " ๐’๐’š ๐‘ด๐’‚๐’๐’‚๐’ˆ๐’‚๐’”๐’š ๐’…๐’Š๐’‚ ๐’Ž๐’Š๐’“๐’‚๐’š ๐’‰๐’Š๐’๐’‚ ๐’”๐’š ๐’Ž๐’Š๐’‡๐’‚๐’๐’๐’‰๐’‚๐’๐’‚ ๐’‰๐’‚๐’•๐’“๐’‚๐’๐’š, ๐’Š๐’๐’…๐’“๐’Š๐’๐’…๐’“๐’‚ ๐’‚๐’๐’‚๐’•๐’š ๐’‚๐’…๐’š ๐’”๐’‚๐’“๐’๐’•๐’“๐’‚" ;
โ€Ž
โ€Ž3๏ธโƒฃfanentanana ny mpiara-miasa rehetra hifankatia sy hiara-hientana hatrany amin'ny fanantanterahana ny asa aman'andraikitra manandrify ny tsirairay.

Photos from Sรฉnat de Madagascar's post 30/01/2026

๐—™๐—น๐—ง๐—ฆ๐—œ๐——๐—œ๐—›๐—”๐—ก๐—” ๐—”๐—ฅ๐—”-๐—ฃ๐—ข๐— ๐—•๐—” ๐—™๐—”๐—ก๐—”๐—๐—”๐—ก๐—” ๐—ก๐—”๐—ง๐—”๐—ข๐—ก'๐—ก๐—ฌ ๐——๐—˜๐—Ÿ๐—˜๐—š๐—”๐—ฆ๐—œ๐—ข๐—ก๐—œ๐—ก๐—” ๐—”๐—ฉ๐—ฌ ๐—”๐— ๐—œ๐—ก'๐—ก๐—ฌ ๐—ฉ๐—ข๐—ก๐——๐—ฅ๐—ข๐—ก๐—” ๐—”๐—™๐—ฅ๐—œ๐—ž๐—”๐—ก๐—œ๐—ก๐—” ๐—ง๐—˜๐—ง๐—ข ๐—”๐— ๐—œ๐—ก'๐—ก๐—ฌ ๐—”๐—ก๐—ง๐—˜๐—ก๐—œ๐— ๐—œ๐—˜๐—ฅ๐—”๐—ก๐——๐—ข๐—›๐—ข๐—Ÿ๐—ข๐—ก๐—”
โ€Ž
๐Ÿ“†โ€ŽNoraisin'Andriamatoa ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘ฌ๐‘ด๐‘จ๐‘ต๐‘ฑ๐‘จ๐‘น๐’€ ๐‘ฑ๐’†๐’‚๐’ ๐‘จ๐’๐’…๐’“รฉ, Filohan'ny Antenimierandoholona mpisolo toerana, teto amin'ny Lapan'Anosikely ny zoma faha 30 janoary 2026, ny delegasionina avy amin'ny Vondrona Afrikana izay notarihan'Andriamatoa ๐‘ด๐’๐’‰๐’‚๐’Ž๐’†๐’… ๐‘ฐ๐’…๐’“๐’Š๐’”๐’” ๐‘ญ๐’‚๐’“๐’‚๐’‰, iraka manokan'ny Filohan'ny Vaomieran'ny Vondrona Afrikana.
โ€Ž
๐Ÿ“Œโ€ŽIsan'ny antondian'izy ireo ny hijery ny fivoaran'ny toe-draharaha eto Madagasikara, izay sokajian'izy ireo sahady ho "๐’Ž๐’Š๐’—๐’๐’‚๐’•๐’“๐’‚ ๐’‚๐’“๐’š ๐’Ž๐’Š๐’›๐’๐’•๐’“๐’‚ ๐’‚๐’“๐’‚๐’Œ๐’‚ ๐’๐’š ๐’•๐’๐’Œ๐’๐’๐’š ๐’‰๐’ ๐’Š๐’›๐’š", araka ny nambaran'Andriamatoa Mohamed Idriss Farah.

๐Ÿ–‡๏ธNanamafy izany ihany koa Andriamatoa Filohan'ny Antenimierandoholona mpisolo toerana tetsy ankilany. Manaporofo izany hoy izy ny fisian'ny fikaonandoham-pirenena ho fakan-kevitra amin'ny vahoaka malagasy, mba hahafahana mamoaka fehin-kevitra matanjaka sy mafonja mialohan'ny fanovan-drafitra sy ny fanovana Lalam-panorenana. Nohamafisiny fa ny tanjona dia ny hahafahana manatanteraka "๐’‡๐’Š๐’‡๐’Š๐’…๐’Š๐’‚๐’๐’‚๐’๐’‚ ๐’Ž๐’‚๐’…๐’Š๐’, ๐’Ž๐’‚๐’๐’ˆ๐’‚๐’‰๐’‚๐’“๐’‚๐’‰๐’‚๐’“๐’‚ ๐’‚๐’“๐’š ๐’†๐’Œ๐’†๐’'๐’๐’š ๐’“๐’†๐’‰๐’†๐’•๐’“๐’‚", ka voalohany amin'izany ny fifidianana Filoham-pirenena.

๐Ÿ”—Ankoatra izay dia nambaran'Andriamatoa Filohan'ny Antenimierandoholona fa "๐’๐’š ๐’‡๐’Š๐’‚๐’๐’‚๐’Œ๐’‚๐’—๐’Š๐’‚๐’Ž๐’ƒ๐’†๐’'๐’๐’š ๐‘จ๐’๐’•๐’†๐’๐’Š๐’Ž๐’Š๐’†๐’“๐’‚๐’๐’…๐’๐’‰๐’๐’๐’๐’๐’‚ ๐’…๐’Š๐’‚ ๐’Š๐’”๐’‚๐’'๐’๐’š ๐’Ž๐’‚๐’๐’…๐’“๐’‚๐’š ๐’‚๐’๐’‹๐’‚๐’“๐’‚ ๐’‡๐’†๐’๐’ ๐’‚๐’Ž๐’Š๐’'๐’๐’š ๐’‡๐’Š๐’Œ๐’‚๐’๐’๐’‚๐’๐’…๐’๐’‰๐’‚๐’Ž-๐’‘๐’Š๐’“๐’†๐’๐’†๐’๐’‚ ๐’‰๐’ ๐’‡๐’‚๐’๐’…๐’“๐’‚๐’Š๐’”๐’‚๐’๐’‚ ๐’‚๐’๐’‹๐’‚๐’“๐’‚ ๐’‚๐’Ž๐’Š๐’'๐’๐’š ๐’‡๐’‚๐’Ž๐’‘๐’‚๐’๐’…๐’“๐’๐’”๐’๐’‚๐’๐’‚ ๐’‚๐’'๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’…๐’‚๐’ˆ๐’‚๐’”๐’Š๐’Œ๐’‚๐’“๐’‚".

๐Ÿ™Nilaza moa ny delegasionina fa zava-dehibe tamin'izy ireo ny fihaonana tamin'Andriamatoa Filohan'ny Antenimierandoholona mpisolo toerana, ankoatran'ny fihaonana amin'ireo Tompon'andraikitra ambony sy ankolafinkery samihafa. Hisy araka izany ny tatitra ho ataon'izy ireo amin'ireo Filoham-panjakana anatin'ny Vondrona Afrikanina mandritra ny "๐‘บ๐’๐’Ž๐’Ž๐’†๐’• ๐’…๐’† ๐’'๐‘ผ๐’๐’Š๐’๐’ ๐‘จ๐’‡๐’“๐’Š๐’„๐’‚๐’Š๐’๐’†" izay hotanterahana ny herinandro ho avy izao.
โ€Ž
โญ๏ธMarihana fa efa nisy ny fihaonana teo amin'Andriamatoa Filohan'ny Antenimierandoholona mpisolo toerana sy ny delegasionina avy amin'ny Vondrona Afrikanina ny 11 novambra 2025 lasa teo.

29/01/2026

๐—™๐—œ๐—›๐—”๐—ข๐—ก๐—”๐—ก๐—” ๐—ง๐—˜๐—ข ๐—”๐— ๐—œ๐—ก'๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—œ๐—”๐— ๐—”๐—ง๐—ข๐—” ๐—™๐—œ๐—Ÿ๐—ข๐—›๐—”๐—ก'๐—ก๐—ฌ ๐—”๐—ก๐—ง๐—˜๐—ก๐—œ๐— ๐—œ๐—˜๐—ฅ๐—”๐—ก๐——๐—ข๐—›๐—ข๐—Ÿ๐—ข๐—ก๐—” ๐— ๐—ฃ๐—œ๐—ฆ๐—ข๐—Ÿ๐—ข ๐—ง๐—ข๐—˜๐—ฅ๐—”๐—ก๐—” ๐—ฆ๐—ฌ ๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—œ๐—”๐— ๐—”๐—ง๐—ข๐—” ๐—ฃ๐—ฅ๐—”๐—œ๐— ๐—œ๐—ก๐—œ๐—ฆ๐—ง๐—ฅ๐—” ๐—Ÿ๐—˜๐—›๐—œ๐—•๐—˜๐—ก'๐—ก๐—ฌ ๐—š๐—ข๐—ฉ๐—˜๐—ฅ๐—ก๐—˜๐— ๐—”๐—ก๐—ง๐—”
โ€Ž
โ€Ž๐Ÿ“†Ny asabotsy 24 janoary 2026 dia nisy ny fihaonana narahana dinik'asa teo amin'Andriamatoa ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘ฌ๐‘ด๐‘จ๐‘ต๐‘ฑ๐‘จ๐‘น๐’€ ๐‘ฑ๐’†๐’‚๐’ ๐‘จ๐’๐’…๐’“รฉ, Filohan'ny Antenimierandoholona mpisolo toerana, sy Andriamatoa ๐‘น๐‘จ๐‘ฑ๐‘จ๐‘ถ๐‘ต๐‘จ๐‘น๐‘ฐ๐‘ฝ๐‘ฌ๐‘ณ๐‘ถ ๐‘ฏ๐’†๐’“๐’Š๐’๐’•๐’”๐’‚๐’๐’‚๐’Ž๐’‚, Praiminisitra Lehibenโ€™ny Governemanta.
โ€Ž
โ€Ž๐Ÿ–‡๏ธFotoana iray izay nahafahana niresaka ireo paikady entina manatsara ny fitantanan-draharaha ankapobeny eto amin'ny Antenimierandoholona.
โ€Ž

Photos from Sรฉnat de Madagascar's post 28/01/2026

๐—™๐—œ๐—›๐—”๐—ข๐—ก๐—”๐—ก๐—” ๐—ง๐—˜๐—ข ๐—”๐— ๐—œ๐—ก'๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—œ๐—”๐— ๐—”๐—ง๐—ข๐—” ๐—™๐—œ๐—Ÿ๐—ข๐—›๐—”๐—ก'๐—ก๐—ฌ ๐—”๐—ก๐—ง๐—˜๐—ก๐—œ๐— ๐—œ๐—˜๐—ฅ๐—”๐—ก๐——๐—ข๐—›๐—ข๐—Ÿ๐—ข๐—ก๐—” ๐— ๐—ฃ๐—œ๐—ฆ๐—ข๐—Ÿ๐—ข ๐—ง๐—ข๐—˜๐—ฅ๐—”๐—ก๐—” ๐—ฆ๐—ฌ ๐—ก๐—ฌ ๐——๐—˜๐—Ÿ๐—˜๐—š๐—”๐—ฆ๐—œ๐—ข๐—ก๐—œ๐—ก๐—” ๐—”๐—ฉ๐—ฌ ๐—”๐— ๐—œ๐—ก'๐—ก๐—ฌ ๐—ฆ๐—”๐——๐—– ๐—œ๐—ญ๐—”๐—ฌ ๐— ๐—”๐— ๐—œ๐—ง๐—” ๐—œ๐—ฅ๐—”๐—ž๐—” ๐—ข๐—™๐—œ๐—ฆ๐—œ๐—”๐—Ÿ๐—ฌ ๐—˜๐—ง๐—ข ๐— ๐—”๐——๐—”๐—š๐—”๐—ฆ๐—œ๐—ž๐—”๐—ฅ๐—”
โ€Ž
โ€Ž๐Ÿ“†Noraisin'Andriamatoa ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘ฌ๐‘ด๐‘จ๐‘ต๐‘ฑ๐‘จ๐‘น๐’€ ๐‘ฑ๐’†๐’‚๐’ ๐‘จ๐’๐’…๐’“รฉ, Filohan'ny Antenimierandoholona mpisolo toerana, teto amin'ny Lapan'Anosikely ny alarobia faha 28 janoary 2026, ny delegasionina avy amin'ny ๐‘บ๐‘จ๐‘ซ๐‘ช izay mamita iraka ofisialy eto Madagasikara amin'izao fotoana izao.
โ€Ž
โ€Ž๐Ÿ‘‰๐‘ซ๐’“ ๐‘ฑ๐’๐’š๐’„๐’† ๐‘ฉ๐‘จ๐‘ต๐‘ซ๐‘จ, Filohan'ny Repoblikan'i Malawi teo aloha, no nitarika ny delegasiona izay nahitana mpikambana miisa roa ao amin'ny Vondrona mpanoro hevitra ho anโ€™ny fanelanelanana (๐‘ฎ๐’“๐’๐’–๐’‘๐’† ๐’…๐’† ๐’“รฉ๐’‡รฉ๐’“๐’†๐’๐’„๐’† ๐’‘๐’๐’–๐’“ ๐’๐’‚ ๐’Žรฉ๐’…๐’Š๐’‚๐’•๐’Š๐’๐’), ny Talen'ny Vondron'ny fiaraha-miasa misahana ny lafiny politika sy fiarovana ary fandriam-pahalemana, ary mpikambana vitsivitsy eo anivon'ny Sekretarian'ny ๐‘บ๐‘จ๐‘ซ๐‘ช.
โ€Ž
โ€Ž๐Ÿ“ŒTonga eto Madagasikara ny ยซ ๐‘ช๐’๐’Ž๐’Š๐’•รฉ ๐’…๐’†๐’” ๐‘บ๐’‚๐’ˆ๐’†๐’” ยป anatinโ€™ny ๐‘บ๐‘จ๐‘ซ๐‘ช, araka ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana niarahanโ€™ireo Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana anatinโ€™ny Vondrona ๐‘บ๐‘จ๐‘ซ๐‘ช natao ny 17 desambra 2025, mba hanao fakan-kevitra sy fiaraha-midinika aminโ€™ireo Tomponโ€™andraikitra ambony sy ireo ankolafinkery samihafa, ka isan'izany Andriamatoa Filohan'ny Antenimierandoholona mpisolo toerana.
โ€Ž
โ€Ž๐Ÿ™Nankasitraka tamin'ny fahatongavan'ny delegasionina avy amin'ny ๐‘บ๐‘จ๐‘ซ๐‘ช teto amin'ny Lapan'Anosikely Andriamatoa Filohan'ny Antenimierandoholona mpisolo toerana. Efa miroso sy mizotra mankany amin'ny fanomanana ny tanjona iraisana, dia ny fanatanterahana ny fifidianana Filoham-pirenena ny eto Madagasikara amin'izao fotoana izao hoy izy. "๐‘ญ๐’Š๐’‡๐’Š๐’…๐’Š๐’‚๐’๐’‚๐’๐’‚ ๐’Ž๐’‚๐’๐’‚๐’๐’‚๐’Œ๐’‚, ๐’Ž๐’‚๐’๐’ˆ๐’‚๐’“๐’‚๐’‰๐’‚๐’“๐’‚, ๐’‚๐’“๐’š ๐’†๐’Œ๐’†๐’'๐’๐’š ๐’“๐’†๐’‰๐’†๐’•๐’“๐’‚" no tanjona. Araka izany dia tsy tokony tanterahana anaty amehana izany, indrindra ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, ny fanovan-drafitra ary ny fanovana Lalam-panorenana, hoy hatrany izy. Nantitranteriny hatrany fa tsy nisy fanonganam-panjakana teto Madagasikara, fa fitakiana zo fototra no nataon'ireo tanora nidina an-dalambe, ka nahatonga ireo Miaramila nandray fanapahan-kevitra tamin'ny famahana ny olana.
โ€Ž
โ€Ž๐Ÿ–‡๏ธAnkoatra izay dia notsindriany manokana ireo andraikitra mampiavaka ny Antenimierandoholona ankoatra ny maha Andrimpanjakana mpanao Lalร na azy, sy ny antony lehibe tokony hisian'ity Andrimpanjakana ity eto amin'ny firenena.
โ€Ž
โ€Ž๐Ÿ”—Ny delegasionina avy amin'ny ๐‘บ๐‘จ๐‘ซ๐‘ช kosa tetsy ankilany dia nanamafy ny fahavononanโ€™ny vondrona ๐‘บ๐‘จ๐‘ซ๐‘ช hanohana sy hanampy ho anโ€™i Madagasikara aminโ€™ireo dingana ho fanavaozana ny rafitra misy eto amin'ny firenena. Tsy tonga hanapa-kevitra izy ireo araka ny nambaran'ny mpitarika ny delegasionina, fa kosa tonga hihaino, ary mbola hisy ny fotoana hiverenan'izy ireo eto Madagasikara hanolorana fehin-kevitra.

Want your business to be the top-listed Government Service in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Address


Anosy
Antananarivo
101