Centrale de l'Or de Madagascar - COM

Call Directions

Centrale de l'Or de Madagascar - COM Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Centrale de l'Or de Madagascar - COM, Government Organization, Ampanotokana Andraisoro, Antananarivo.

Sous tutelle du Ministère chargé des Mines, la Centrale de l'or de Madagascar est un organisme rattaché , chargé d’administrer, de gérer et de canaliser le secteur de l’or de la République de Madagascar, de l’extraction à l’exportation.

✨ La filière aurifère regroupe plusieurs catégories d’acteurs, chacun exerçant un rôle spécifique : les exploitants arti...
13/10/2026

✨ La filière aurifère regroupe plusieurs catégories d’acteurs, chacun exerçant un rôle spécifique : les exploitants artisanaux et les permissionnaires assurent l’exploitation de l’or, les collecteurs interviennent dans les opérations d’achat et de vente locaux, les comptoirs de l’or agréés assurent notamment l’approvisionnement et, conformément aux dispositions légales et réglementaires en vigueur, l’exportation officielle de l’or et la vente à la Banque Centrale de Madagascar.

👉 La Centrale de l’Or de Madagascar (COM) contribue à la formalisation des acteurs, et à la traçabilité de cette chaîne de valeur, en coordination avec les institutions compétentes.

✨ Une filière aurifère mieux organisée repose avant tout sur une bonne compréhension des rôles et des responsabilités de chaque acteur.

✨ Ny sehatr’asa volamena dia ahitana mpisehatra samihafa ary samy manana ny asany mampiavaka azy ireo: 1. ny mpitrandrak...
13/10/2026

✨ Ny sehatr’asa volamena dia ahitana mpisehatra samihafa ary samy manana ny asany mampiavaka azy ireo:

1. ny mpitrandraka artizanaly ary ireo tompon’ny fahazoan-dàlana hitrandraka volamena no miantoka ny famokarana volamena,
2. ny mpanangona kosa no mividy sy mivarotra ny volamena eto an-toerana ihany,
3. ary farany, ny Comptoirs Volamena vatsian’ireo voalaza teo aloha no mpanondrana ny volamena mifanaraka amin’ny didy sy fitsipika ary koa mivarotra amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara.

👉 Ny Centrale de l’Or de Madagascar (COM) dia isan’ny ivon-toerana misahana ny fampidirana ireo mpisehatra ireo sy ny asa sahaniny ho amin’ny ara-dalàna.

✨Manara-maso ny rindran-damina napetraka mba hisian’ny fitohizan’ny ara-dalàna amin’ny rojom-pihariana rehetra ary koa miara- mahatomombana ny asa amin’ireo tompon’andraikitra isan-tokony. Miankina amin’ny fahafantarana ny andraikitra sy ny fahombiazan’ny tsirairay ny firindran’ny fitantanana ny sehatr’asa volamena.

Hitombo ny vokatra volamena, ho voaaro ny tontolo iainana, horaisina mivantana eny an-toerana ny tamberim-bidin'ny volam...
30/09/2026

Hitombo ny vokatra volamena, ho voaaro ny tontolo iainana, horaisina mivantana eny an-toerana ny tamberim-bidin'ny volamena: fepetra ampy hampandroso ny Faritra be volamena ireo.

🎙️ Nampatsiahy ireo didy sy fitsipika mikasika ny fitrandrahana sy ny fandraharahana volamena ny tompon'andraiki-panjakana ambony eo anivon'ny Minisiteran'ny Harena an-kibon'ny Tany nahitana ny Talen'ny Kabinetra, ny Tale Jeneralin'ny Harena an-kibon'ny Tany , ny Tale Jeneralin'ny Centrale de l'Or de Madagascar (COM) ary ny Talen'ny Police des Mines.

🏛️Taorian'ny nandraisan'ny fanjakana an-tànana ny fandrindrana ny sehatr’asa volamena dia nisy fepetra noraisina mba hampandrosoana ny faritra misy fitrandrahana ka voaresaka ny fakana eny ifotony ny tamberim-bidy tahaka izay efa natao tany Betsiaka sy Maevatanana ary heverina hatao amin'ny faritra be volamena. Tafiditra ao anatin'ny fanatanterahana ny politikam-panjakana hitantanana ny volamena izany.

👌Ho fanatsarana ny sehatrasa volamena dia nomena fahafahana hampiasa fitaovana mekanika koa ireo mpitrandraka artizanaly mba hampitomboana ny vokatra ary hiarovana ny tontolo iainana ary nentanina hivondrona anaty fikambanana ny mpanivana ireo volamena hahamora ny fampitana ny tokony ho fantatra rehetra momba ny asa volamena ara-dalàna.

👨🏼‍✈️Taorian'ny tsy fanarahan-dalàna nanokafana fitaovana efa noraran'ny fanjakana tao amin'ny Distrikan'i Maevatanana dia nanamafy ny Tale Jeneralin'ny Harena an-kibon'ny tany fa mila mifanaraka amin'ny fahazoan-dàlana azo ny fitaovam-pitrandrahana ampiasaina ka ny fihoaram-pefy dia sazian'ny lalàna. Tompon'andraikitra mampihatra ny lalàna ny Police des Mines.

☀️Efa misokatra malalaka ho an'ireo liana ny fitrandrahana na koa ny fandraharana volamena. Efa nisokatra ity taona ity ny fanomezan-dàlana eny anivon'ny biraon’ny COM misahana izany. Mikasika ny asa fitrandrahana volamena madinika sy artizanaly dia efa misy ny kara-bolamena sy karatry ny mpanangona, fankatoavana na agrément kosa ho an'ireo mpanondrana volamena.

🌍Na izany aza, tsy mijanona hatreo amin'ny fizarana fahazoan-dàlana ny andraikitra sahanin'ny Centrale de l'Or de Madagascar fa manohy ho amin’ny fanaraha-maso hidiran'ny rehetra amin'ny ara-dalàna mba ho fantatra ny lalam-bolamena (traçabilité) sy ny toerana fihavian’ny volamena, manomboka any amin’ny fitrandrahana hatrany amin’ny fanondranana ka tsy hisy vola very intsony izay efa natokana ho an'ny fampandrosoana.

🛜Nivoitra izany nandritra ny fivoriana niarahana tamin'ny mpanao gazety ny 29 septambra 2026 maraina tao amin'ny efitrano Lakroa Ampandrianomby.

21/09/2026
***TSENABEN’NY VOLAMENA – BRIEVILLE***🌱 Namelona indray ny lanjan’ny harena ankibon’ny tany ao amin’ny Kaominina Brievil...
03/09/2026

***TSENABEN’NY VOLAMENA – BRIEVILLE***

🌱 Namelona indray ny lanjan’ny harena ankibon’ny tany ao amin’ny Kaominina Brieville ny Foire Tsenaben’ny Volamena, izay nanomboka ny voalohan’ny volana septambra ary hifarana ny 6 septambra ho avy izao.

🏘️ Tranoheva maro sy hetsika ara-kolontsaina ary ara-panatanjahantena no mandravaka izany, miaraka amin’ny fandraisan’anjaran’ny sehatra samihafa toy ny fifandraisana, ny fitsaboana ary ny fampindramam-bola eny ambanivohitra.

🤝 Ezahin’ny Kaominina, amin’ny alalan’ity hetsika ity, ny hampiroborobo an’i Brieville ho toerana fihaonan’ireo mpisehatra amin’ny volamena, ary hisarika mpandraharaha sy fampiasam-bola eny an-toerana.

👉 Nanatrika izany ny Centrale de l’Or de Madagascar (COM), notarihin’ny Tale Jeneraliny. Tafiditra ao anatin’ny paikady maharitra napetraky ny Fanjakana amin’ny fitantanana ny seha-pihariana volamena ny fampidirana ireo mpisehatra ho ao anatin’ny sehatra ara-dalàna, amin’ny alalan’ny karatra maha mpanivana sy mpanangona volamena, ary koa ny fanomezana fahazoan-dàlana ho an’ireo mpanondrana volamena.

✨ Kendrena amin’izany ny hametrahana rojom-pivarotana volamena ara-dalàna, manomboka amin’ny fitrandrahana ka hatrany amin’ny fanondranana, mba hahafahan’ny Kaominina sy ny faritra misitraka ny tamberim-bidy na “ristourne” sy ireo tombontsoa ara-toekarena mifandraika amin’ny fitrandrahana volamena.

👉 Nifanindran-dalana tamin’ny Tsenabe ny fihaonana tamin’ireo Ben’ny Tanàna eto amin’ny Distrikan’i Tsaratanàna. Nivoitra tamin’izany fa isan’ireo toerana mamokatra volamena betsaka i Brieville, izay ahitana mpanivana tombanana ho an’arivony sy mpanangona volamena maro.

📋 Nohazavain’ireo tompon’andraikitra teknika eo anivon’ny COM tamin’ireo Ben’ny Tanàna ny fombafomba momba ny karatra, ny fitsinjarana azy, ny faritra ahafahana miasa ary ny fe-potoana manan-kery amin’izany.

👉 Ny tanjona dia ny hanatsarana ny seha-pihariana volamena eny ifotony sy hampiroborobo ny famatsiana ara-dalàna, ka antenaina fa handray anjara lehibe amin’ny famatsiana ireo mpanondrana volamena ara-dalàna ny vokatra avy eto Brieville.

🤝 Nanotrona ny fanokafana ireo Ben’ny Tanàna avy amin’ny Kaominina manodidina, ny Lefitry ny Lehiben’ny Distrikan’i Tsaratanàna, ireo manam-pahefana misahana ny fandriampahalemana ary ny Ben’ny Tanànan’i Brieville.

✨ Ny Tale Jeneralin’ny COM no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny Foire Volamena andiany voalohany teto Brieville.

*** Nanamafy ny fampahafantarana ny lalàna mikasika ny fitrandrahana artizanaly sy fanangonana volamena ny Minisiteran’n...
18/08/2026

*** Nanamafy ny fampahafantarana ny lalàna mikasika ny fitrandrahana artizanaly sy fanangonana volamena ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny Tany niaraka tamin’ny Centrale de l’or de Madagascar ny 17 aogositra 2026 ***

💼 Ho fanatanterahana ny politika fanatonana ny vahoaka eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, dia nanohy ny fidinana ifotony teto amin’ny Kaominina ambanivohitra Antanimbary, Faritra Betsiboka, ireo tompon’andraikitra avy amin’ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Centrale de l’Or de Madagascar (COM). Nanampy sy niara-niasa tamin’izy ireo teny an-toerana ny Talem-paritry ny Harena an-kibon’ny Tany eto Betsiboka.

👉 Tanjona tamin’izany ny hampita amin’ireo mpitrandraka volamena artizanaly sy mpanangona volamena ireo fanazavana fanampiny mikasika ny lalàna sy ny fombafomba tokony harahina, mba hahafahan’izy ireo misitraka ny zony sy manatanteraka ny adidiny mifanaraka amin’ny asa ataony eo amin’ny sehatry ny volamena.

👉 Nohazavaina ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fanarahana fivezivezen’ny volamena (traçabilité), izay isan’ny andraikitry ny COM.

🤝 Taorian’ny nivoahan’ny fankatoavana ireo Comptoirs de l’or, izay afaka manangona volamena manerana an’i Madagasikara, manondrana izany ary mamatsy ny Banky Foiben’i Madagasikara, dia nampahatsiahy ireo tompon’andraikitry ny COM fa ilaina ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ireo mpanangona volamena sy ireo Comptoirs de l’or. Izany dia natao hanamorana ny fivarotana sy ny fivezivezen’ny volamena ao anatin’ny rafitra ara-dalàna, ary hanamafisana ny fiaraha-miasa ho tombontsoan’ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny sehatry ny volamena.

📋 Ahitana tompon’ny fahazoan-dalana momba ny harena an-kibon’ny tany ihany koa eto Antanimbary. Misy amin’ireo mpitrandraka artizanaly no mampiasa dr**ue amin’ny fitrandrahana volamena. Notsindriana nandritra ny fihaonana fa tsy maintsy manaraka ireo fepetra sy fitsipika efa voafaritra momba ny fampiasana dr**ue ny mpampiasa izany.

👉 Nohazavaina nandritra ny fotoana ihany koa ny mikasika ny fandoavana ny haba sy ny hetra manokana amin’ny vokatra harena an-kibon’ny tany, ary koa ny laissez-passer, izay antontan-taratasy miantoka ny fivezivezen’ny volamena ara-dalàna ho an’ireo mpanangona volamena.

✨ Nandritra ny fifanakalozana tamin’ireo mpitrandraka sy mpanangona volamena dia afaka nampita ny zava-misy sy ireo olana sedrain’izy ireo eny an-toerana mikasika ny sehatry ny volamena ihany koa izy ireo.

🗓️ Efa voafaritra ho amin’ny herinandro manaraka ny fotoana hanombohana ny fampidirana ireo mpanangona volamena ao anatin’ny rafitra ara-dalàna. Ny Talem-paritry ny Harena an-kibon’ny Tany eto amin’ny Faritra Betsiboka, miaraka amin’ny solontenan’ny COM eto Maevatanana, no hiandraikitra izany.

👉 Aorian’izany dia kasaina hapetraka ihany koa ny fomba fandraisana ny haba sy ny hetra manokana amin’ny vokatra harena an-kibon’ny tany eny ifotony (perception à la source). Izany dia natao hanamorana ny fandoavana ireo adidy ara-bola, hanamafisana ny fanarahana ny fivezivezen’ny volamena ary hampidirana bebe kokoa ny varotra volamena ao anatin’ny rafitra ara-dalàna.

🤝 Nanatrika ary nandray anjara mavitrika an’ity fotoana ity ihany koa ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina ambanivohitra Antanimbary.

*** Fampahafantarana ny lalàna mikasika ny asa volamena , ho an'ny mpitrandraka artizanaly sy mpanangona,  fanomanana ny...
12/08/2026

*** Fampahafantarana ny lalàna mikasika ny asa volamena , ho an'ny mpitrandraka artizanaly sy mpanangona, fanomanana ny Guichet Unique ao amin'ny District Vavatenina, Faritra Analanjirofo ny 7 Aogositra 2026 ***

✨ Notanterahina tao @ Distrika Vavatenina, Faritra Analanjirofo ny fanentanana ireo mpisehatra volamena isan-tsokajiny ny 7 aogositra 2026, nahitana ny tompon’andraiki-panjakana sy mpiasa volamena any an-toerana , ny Talem-paritry ny Harena an-kibon’ny Tany, ny Centrale de l’Or de Madagascar, ny solontenan’ny mpitandro filaminana, ny solontena avy amin’ny ivon-ketra, ny Sendikan’ny Harena an-kibon’ny Tany , ireo Ben’ny tanàna ary ny mpitrandraka sy mpanangona volamena any an-toerana.

🤝 Nampahafantarina nandritra ny fihaonana ireo fombafomba ahafahana manamora ny fampidirana amin’ny sehatr’asa ara-dalàna ireo mpitrandraka sy mpanangona volamena, mba hanomanana ny rehetra ihany koa ho amin’ny fanatanterahana ny Guichet Unique tsy ho ela.

👉 Ny Guichet Unique dia fomba hampivondronana amin’ny toerana sy fotoana iray ireo fepetra ahafahan’ny mpiasa volamena miasa haingana amin’ny alalan’ny fahazoana karatra andro iray ihany.

📋Efa nahazo ny kara-bolamena sahaza azy ny mpitrandraka ao amin’ny kaominina : Ambatoharanana I, Tanamarina,Vavatenina, Miarinarivo, Andasibe ary Ambodimangavalo.

✨ Nohararaotina io fivoriana isam-bolana eo anivon’ny Distrika io mba hanatsarana ny asa volamena ao anatin’ny Distrika.

FIARAHA-MIENTANA : NANADIO  TANANA ,  KAOMININA AMPITATAFIKA ny COM   notarihin’Andriamatoa Minisitra Carl ANDRIAMPARANY...
22/06/2026

FIARAHA-MIENTANA : NANADIO TANANA , KAOMININA AMPITATAFIKA ny COM notarihin’Andriamatoa Minisitra Carl ANDRIAMPARANY

👉Ny Kaominina Ampitatafika no nofidian’ny fitondram-panjakana hanatanterahan’ny Departemanta misahana ny Harena an-kibon’ny Tany sy ireo ratsamangaikany, tarihin’Andriamatoa Minisitra Carl ANDRIAMPARANY tamin’ny faha 20 jiona 2026 hanatanteranana ny fanadiovana faobe.

🎙️Tafiditra ao anatin’ny fanokafana ofisialy iandraiketan’ny Governemanta miaraka amin'ireo Ben’ny tanàna sy ny mponina izany ho fiaraha-mientana amin’ny tanàna.
🎁Tsy nanadio tanàna fotsiny fa nahatsiaro ny ankizy amin’iny fiomanana amin’ny fankalazana ny faha 66 taona nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovan-tena ny Minisitra ka nanolotra fanomezana hanaovana arendrina am-pifaliana.

🟧Toerana manan-tantara ny Kaominina Ampitatafika, lalovan’ny làlam-pirenena RN1 ary mirakitra kolo-tsaina mampiavaka azy. Izany indrindra no namohazan’ireo tanora ny kabary , kolo-tsaina mirakitra ny soatoavina malagasy nentin’izy ireo niarahabana an’Andriamatoa Minisitra sy ireo mpira-miasa nanara-dia azy.

🏛️Ratsamangaika eo anivon’ny Minisiteran’ny Harena ankibon’ny Tany ny Centrale de l’Or de Madagascar ka nanefa ny adidy ho fiaraha-misalahy sy ho fiaraha-mientana manadio tanàna tamin’ireo vahoakan’Ampitatafika.

***FANENTANANA IREO MPISEHATRA VOLAMENA TAO AMIN'NY FARITRA MENABE***⚜️Fitrandrahana volamena madio sy tompon’andraikitr...
19/06/2026

***FANENTANANA IREO MPISEHATRA VOLAMENA TAO AMIN'NY FARITRA MENABE***

⚜️Fitrandrahana volamena madio sy tompon’andraikitra ary maharitra, fampitomboana ny vola miditra amin’ny kitapombolam-panjakana avy amin’ny asa fitrandrahana sy fivarotana volamena, fanajana sy fanarenana ny tontolo iainana.
🔰 Ireo no nifantohan’ny fihaonana mikasika ny fampidirana amin’ny ara-dalàna ny sehatrasa volamena, tao amin’ny Kaominina Dabolava ny 13 jiona 2026.
🤝Nihaona tamin’izany ny Lehiben’ny Faritra Menabe, ny Préfet-ny Morondava , ny Lehiben’ny Distrika Morondava, ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Kaominina Dabolava,ny solo-tenan’ny Centrale de l’Or de Madagascar, ny Talen’ny foibem-pitantanana Harena an-kibon’ny Tany ao amin’ny Faritra Menabe ary ny OMC any an-toerana.
🎤Notsiahivin’ny solon-tenan’ny Centrale de l’Or de Madagascar nandritra ny fihaonana ny fehezan-dalàna samihafa na koa ny nasiam-panitsiana momba ny fitrandrahana sy ny fivarotana volamena araka ny làlana mifehy voarakitra ao amin’ny « Code Minier » mba hifanitsy amin’izany ny asa fitrandrahana sy fivarotana.
🔥Nofanina manokana ireo mpanivana volamena sy mpanangona volamena mba hiditra ao amin’ny sehatra ara-dalàna ka nentanina hanatona ny Kaominina sy haka ny karatra ahafahana manao ny asa ary koa hitsinjo ny tontolo iainana.
👌Nandritra ny dinika no nahitana fa ilaina ny fanamorana ny fomba hidiran’ireo mpanangona volamena ho ara-dalàna ka niheverana ny hanaovana « Guichet Unique » ho fampitambarana ny fombafomba rehetra (procédure) amin’ny fotoana sy toerana iray ihany .
🍇Hetaheta avy amin’ny Lehiben’ny Faritra Menabe ny mba hanatanterahana ny fakana eny ifotony ny haba sy tamberim-bidin’ny asa fitrandrahana sy fivarotana volamena mba hahafaingana ny fampiasam-bola ho amin’ny fampandrosoana ny Faritra.

Address

Ampanotokana Andraisoro
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:30 - 16:30
Tuesday 08:30 - 16:30
Wednesday 08:30 - 16:30
Thursday 08:30 - 16:30
Friday 08:30 - 16:30

Telephone

+261320321415

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Centrale de l'Or de Madagascar - COM posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share