01/10/2026
🌿🇲🇬 Vaovao mahafaly ho an’i Madagasikara!
I Madagasikara dia anisan’ireo firenena afaka misitraka ny Illegal Wildlife Trade (IWT) Challenge Fund - Cycle 12, izay natomboky ny Governemanta Britanika tamin’ny 30 Septambra 2026.
Ity tahirim-bola ity dia manohana tetikasa vaovao sy manavao mikendry ny ady amin’ny varotra tsy ara-dalàna ny bibidia, ny fiarovana ny harena voajanahary sy ny fahasamihafan’ny zavamananaina, ary ny fampihenana ny fahantrana. Nanomboka tamin’ny taona 2014, maherin’ny 68 tapitrisa livres sterling no natokana ho an’ny tetikasa 187 manerana ny firenena mihoatra ny 69.
Ny Cycle 12 dia manome lanja manokana ireo firenena laharam-pahamehana, isan’izany i Madagasikara, mba hanamafisana maharitra ny ady amin’ny varotra tsy ara-dalàna ny bibidia sy ireo heloka bevava mifandraika amin’ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny.
🔗 Fantaro ireo vaovao farany, ny famatsiam-bola azo isitrahana ary ny fomba fandraisana anjara amin’ny fangatahana:
https://loom.ly/v6Nxu04
--------
🌿🇲🇬 Good news for Madagascar!
Madagascar is eligible for the UK Government's Illegal Wildlife Trade (IWT) Challenge Fund Round 12, launched on 30 September 2026. The Fund supports innovative projects that tackle illegal wildlife trade, protect biodiversity, and help reduce poverty. Since 2014, it has committed over £68 million to 187 projects across more than 69 countries.
Round 12 focuses support on priority countries, including Madagascar, to help build lasting impact in the fight against illegal wildlife trade and wider environmental crime.
🔗 Discover what’s new, explore the funding available, and find out how to apply: https://loom.ly/v6Nxu04
Ministère de l'Environnement et du Développement Durable
Ministère des Affaires Etrangères de Madagascar
Basel Institute on Governance
TRAFFIC