07/04/2025
Filazana manjo 🕊
Misaona ny fianakaviamben'ny Sampandraharahan'ny Fandrefesantany.
Nodimandry anio alatsinainy 7 aprily ny mpiara-miasa
RAKOTOVELO Rolland Stephan, Ingénieur des Services Topographiques, Chef de Service Régional Topographique Bongolava.
Niasa teto amin'ny Direction des Services Topographiques nanomboka ny taona 2009 izy.
Maneho fiaraha-miory amin'ny fianakaviany sy ny mpiara-miasa akaiky azy rehetra amin'izao andro manjombona izao.
Chef Stephan, mandria am-piadanana
29/09/2024
Ensemble on ira plus loin!
22/06/2023
Ho fanampiana ny vahoaka sy ireo mpila raharaha eto anivon'ny sampandraharaha ny fananantany sy fandrefesan-tany Antsiranana II, dia nanatanteraka fidinana sy fampahafantarana ifotony ny ekipa eo anivon'ny DRATSF Diana sy Chef Distrika Antsiranana II . Natao izany téo anivon'ny Kaominina Anivorano -Nord sy Ankarongana ary Antsoha izay tafiditra amin'ny tany Domaine du Rodo.
27/05/2023
Nifarana androany ny hetsika herinandron'ny karatany taty amin'ny faritra DIANA, nandritr' izay dia namporisihana ny olona hisoratra anarana hangataka karatany ka namafisana tsara tamin'izany fa tany mbola tsy vita titra tsy vita kadasitra no afaka misitraka izany.
Tsara hatrany ny manamarika fa ny karatany dia isan'ny porofon'ny fananan-tany toy ny titra sy ny kadasitra.
Misy ny QR CODE izay tsy azo hanaovana hosoka.
KARATANY:
TSOTRA: vetivety dia vita
MORA: amin'ny sarany ambany indrindra noho ny fiaraha miasa amin'ny mpamatsy vola
MANAKAIKY VAHOAKA: tsy mila mandeha lavitra fa eny anivon'ny kaominina dia vita ny karatany.
Ny fitondram-panjakana dia miezaka manantona ny vahoaka ankehitriny amin'ny alalan'ny hetsika karatany faobe "operation Certification Foncière Massive" (OCFM), sy ny titra faobe "Opération Domaniale Concertée" (ODOC), koa entanina arak'izany isika izay manana tany mba hanoratra izany mba ho tena ho tompony ary ihany koa hisorohana ny ady tany.
12/05/2023
Sary fanehoana ny fandalovany Mme SG SENVH teto anivon'ny DRATSF Diana natrehany Mr le Préfet, Mr SG Région , Ekipa DRATSF Diana niaraka t@ ireo mponina rava trano lazaret - nord ka nanaovana ankitsapaka ireo lot tany ho zaraina ho azy ireo.