03/06/2026
🤖⚖️ 𝐈𝐍𝐓𝐄𝐋𝐋𝐈𝐆𝐄𝐍𝐂𝐄 𝐀𝐑𝐓𝐈𝐅𝐈𝐂𝐈𝐄𝐋𝐋𝐄 𝐒𝐘 𝐀𝐃𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐓𝐑𝐀𝐓𝐈𝐎𝐍 𝐃𝐄𝐒 𝐏𝐑𝐄𝐔𝐕𝐄𝐒 : 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐘 𝐕𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀
Ankehitriny, mety hisy 𝐬𝐚𝐫𝐲, 𝐯𝐢𝐝é𝐨, 𝐚𝐮𝐝𝐢𝐨 na 𝐝𝐨𝐜𝐮𝐦𝐞𝐧𝐭𝐬 vokarin’ny 𝐢𝐧𝐭𝐞𝐥𝐥𝐢𝐠𝐞𝐧𝐜𝐞 𝐚𝐫𝐭𝐢𝐟𝐢𝐜𝐢𝐞𝐥𝐥𝐞 ka atolotry ny mpiady ho 𝐩𝐫𝐞𝐮𝐯𝐞𝐬 ao anatin’ny procès.
Azo sary an-tsaina sahady, indrindra amin’ny fotoam-pifidianana, fa mety hisy kandida hitondra 𝐢𝐦𝐚𝐠𝐞 na 𝐯𝐢𝐝é𝐨 𝐠é𝐧é𝐫é𝐞 𝐩𝐚𝐫 𝐈𝐀 hilazana fa nisy “𝐧𝐚𝐧𝐠𝐚𝐥𝐚-𝐛𝐚𝐭𝐨” na nanao zavatra tsy ara-dalàna ny kandida iray.
Mipetraka àry ny fanontaniana lehibe:
📌 𝘼𝙛𝙖𝙠𝙖 𝙢𝙖𝙢𝙖𝙣𝙩𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙫𝙚 𝙣𝙮 𝙟𝙪𝙧𝙞𝙙𝙞𝙘𝙩𝙞𝙤𝙣 𝙢𝙖𝙡𝙜𝙖𝙘𝙝𝙚 𝙧𝙖𝙝𝙖 𝙩𝙚𝙣𝙖 𝙢𝙖𝙧𝙞𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙥𝙧𝙚𝙪𝙫𝙚 𝙖𝙩𝙤𝙡𝙤𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙖 𝙣𝙤𝙫𝙤𝙠𝙖𝙧𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙄𝘼?
Eo no maha-zava-dehibe ny 𝐚𝐝𝐦𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐞𝐬 𝐩𝐫𝐞𝐮𝐯𝐞𝐬.
Ny Fitsarana dia tsy mijery fotsiny hoe “misy preuve”, fa mandinika koa:
✅ avy aiza ilay preuve
✅ azo itokisana ve izy
✅ mifanaraka amin’ny éléments hafa ve
✅ azo hamarinina ve ny maha-authentique azy
✅ misy contestation avy amin’ny ankolafy hafa ve.
⚠️ Ny IA dia afaka manampy, fa mety hiteraka fanamby lehibe koa: 𝐟𝐚𝐮𝐬𝐬𝐞𝐬 𝐩𝐫𝐞𝐮𝐯𝐞𝐬, 𝐝𝐞𝐞𝐩𝐟𝐚𝐤𝐞, 𝐝𝐨𝐜𝐮𝐦𝐞𝐧𝐭𝐬 𝐠é𝐧é𝐫é𝐬, na 𝐢𝐦𝐚𝐠𝐞𝐬 𝐦𝐨𝐝𝐢𝐟𝐢é𝐞𝐬.
⚖️ 𝐀𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐧𝐢𝐦-𝐩𝐨𝐭𝐨𝐚𝐧𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐢𝐧𝐭𝐞𝐥𝐥𝐢𝐠𝐞𝐧𝐜𝐞 𝐚𝐫𝐭𝐢𝐟𝐢𝐜𝐢𝐞𝐥𝐥𝐞, 𝐦𝐢𝐭𝐨𝐦𝐛𝐨 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐲 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐚𝐝𝐦𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐞𝐬 𝐩𝐫𝐞𝐮𝐯𝐞𝐬:
𝐬𝐚𝐫𝐨𝐭𝐬𝐚𝐫𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐤𝐨𝐤𝐨𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐢𝐧𝐢𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐚𝐡𝐚 𝐚𝐳𝐨 𝐢𝐭𝐨𝐤𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐚𝐮𝐭𝐡𝐞𝐧𝐭𝐢𝐪𝐮𝐞 𝐧𝐲 𝐩𝐫𝐞𝐮𝐯𝐞 𝐧𝐚𝐭𝐨𝐥𝐨𝐭𝐫𝐚.
💬 𝑹𝒂𝒉𝒂 𝒎𝒊𝒔𝒚 𝒔𝒂𝒓𝒚 𝒏𝒂 𝒗𝒊𝒅é𝒐 𝒂𝒕𝒐𝒍𝒐𝒕𝒓𝒂 𝒉𝒐 𝒑𝒓𝒆𝒖𝒗𝒆, 𝒂𝒉𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒐 𝒕𝒐𝒌𝒐𝒏𝒚 𝒉𝒂𝒕𝒂𝒐𝒏’𝒏𝒚 𝑭𝒊𝒕𝒔𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒗𝒂𝒏𝒊𝒎-𝒑𝒐𝒕𝒐𝒂𝒏𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝑰𝑨?
Tokony hisy ve ny 𝐞𝐱𝐩𝐞𝐫𝐭𝐢𝐬𝐞 𝐭𝐞𝐜𝐡𝐧𝐢𝐪𝐮𝐞 alohan’ny handraisana azy?
Soraty eto ambany ny hevitrao.
31/05/2026
🌸 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐄𝐓𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐑𝐄𝐍𝐘 🌸
Ny Tribunal Administratif d’Antsiranana dia mirary soa ho an’ny 𝗥𝗲𝗻𝘆 rehetra.
Ho feno hafaliana sy fitahiana anie izao andro natokana ho anareo izao. 💐
27/05/2026
𝐒𝐈𝐋𝐄𝐍𝐂𝐄 𝐃𝐄 𝐋’𝐀𝐃𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐓𝐑𝐀𝐓𝐈𝐎𝐍 : 𝐅𝐀𝐍𝐄𝐊𝐄𝐍𝐀 𝐒𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐀𝐕𝐀𝐍𝐀 ?
📌 “𝑪𝒆 𝒒𝒖𝒊 𝒏𝒆 𝒅𝒊𝒕 𝒎𝒐𝒕 𝒄𝒐𝒏𝒔𝒆𝒏𝒕”… tsy voatery ho marina foana izany amin’ny Administration.
Amin’ny fiainana andavanandro, rehefa mangina ny olona iray dia indraindray heverina hoe manaiky izy.
Fa amin’ny raharaha administratifs kosa, misy fitsipika hafa tokony ho fantatra:
⚖️ Raha tsy mamaly mihoatra ny 𝟒 𝐦𝐨𝐢𝐬 ny Administration taorian’ny fangatahana nataonao, dia midika ho 𝐝é𝐜𝐢𝐬𝐢𝐨𝐧 𝐢𝐦𝐩𝐥𝐢𝐜𝐢𝐭𝐞 𝐝𝐞 𝐫𝐞𝐣𝐞𝐭 izany.
Midika izany fa:
❌ 𝐭𝐬𝐲 𝐡𝐨𝐞 𝐧𝐞𝐤𝐞𝐧𝐚 𝐢𝐥𝐚𝐲 𝐝𝐞𝐦𝐚𝐧𝐝𝐞,
✅ 𝐟𝐚 𝐡𝐞𝐯𝐞𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐧𝐨𝐥𝐚𝐯𝐢𝐧𝐚,
⏳ 𝐚𝐫𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐦𝐛𝐨𝐤𝐚 𝐞𝐨 𝐝𝐢𝐚 𝐦𝐢𝐬𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐝é𝐥𝐚𝐢 𝐝𝐞 𝐫𝐞𝐜𝐨𝐮𝐫𝐬 𝐜𝐨𝐧𝐭𝐞𝐧𝐭𝐢𝐞𝐮𝐱.
🎓 𝐋𝐞𝐬𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐢𝐨:
Ny silence de l’Administration dia tsy tokony hojerena ho “fanekena” avy hatrany.
Fa amin’ny ankapobeny, izy io dia rejet implicite.
💬 𝐅𝐚𝐧𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧𝐚𝐨:
Efa nieritreritra ve ianao taloha fa raha tsy mamaly ny Administration dia midika hoe “ekeny” ilay demande?
Soraty eto ambany: 𝐄𝐧𝐲 sa 𝐓𝐬𝐢𝐚 👇
20/05/2026
⚖️ 𝐅𝐈𝐋𝐀𝐍𝐊𝐄𝐕𝐈-𝐏𝐀𝐍𝐉𝐀𝐊𝐀𝐍𝐀 (𝐂𝐎𝐍𝐒𝐄𝐈𝐋 𝐃’𝐄𝐓𝐀𝐓) : 𝐅𝐀𝐌𝐄𝐓𝐑𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐎𝐅𝐈𝐒𝐈𝐀𝐋𝐘 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐋𝐄𝐇𝐈𝐁𝐄 𝐕𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎
Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy eo amin’ny andraikiny:
🔹 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦𝐚𝐭𝐨𝐚 𝐑𝐀𝐁𝐀𝐑𝐈𝐒𝐎𝐀 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐧𝐚𝐢𝐧𝐚, 𝐅𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐚𝐧𝐤𝐞𝐯𝐢-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 (𝐏𝐫𝐞𝐬𝐢𝐝𝐞𝐧𝐭 𝐝𝐮 𝐂𝐨𝐧𝐬𝐞𝐢𝐥 𝐝’𝐄𝐭𝐚𝐭) , izay nanao fianianana sy napetraka tamin’ny toerany nandritra ny 𝐟𝐨𝐭𝐨𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐞𝐭𝐫𝐢𝐤𝐞𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐲 03 𝐀𝐩𝐫𝐢𝐥𝐲 2026.
🔹 𝐑𝐚𝐦𝐚𝐭𝐨𝐚 𝐑𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀𝐒𝐎𝐋𝐎 𝐉𝐨𝐡𝐚𝐧𝐧𝐚 𝐇𝐚𝐫𝐢𝐧𝐢𝐨, 𝐊𝐚𝐨𝐦𝐢𝐬𝐞𝐫𝐚 𝐉𝐞𝐧𝐞𝐫𝐚𝐥𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐋𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 (𝐂𝐨𝐦𝐦𝐢𝐬𝐬𝐚𝐢𝐫𝐞 𝐆𝐞𝐧𝐞𝐫𝐚𝐥𝐞 𝐝𝐞 𝐥𝐚 𝐋𝐨𝐢), izay nanao fianianana sy napetraka tamin’ny toerany tamin’ny 11 𝐌𝐚𝐲 2026, 𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐓𝐚𝐦𝐩𝐨𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐨𝐬𝐲, nandritra ny fotoam-pitsarana manetriketrika.
Nandritra ny fandraisam-pitenenana dia nasongadin’izy ireo ny maha-zava-dehibe ny 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐝𝐢𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐫𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚𝐧’𝐚𝐬𝐚 𝐢𝐧𝐟𝐨𝐫𝐦𝐚𝐭𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐚𝐬𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚, ny 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐤𝐚𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐫𝐚𝐟𝐢-𝐩𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐚𝐡𝐢𝐧𝐲, ary ny 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐩𝐚𝐫𝐢𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐝𝐢𝐝𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐚𝐥𝐚𝐥𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐞𝐤𝐧𝐨𝐥𝐨𝐣𝐢𝐚 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨, ho fanatsarana ny fahombiazana sy ny mangarahara. 💻⚖️
Mirary soa azy ireo isika amin’izao 𝐚𝐝𝐢𝐝𝐲 𝐥𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞 iantsorohan’izy ireo izao.
Haleo mahalasa amin’ny fanompoana ny tanindrazana, ny lalàna, ny rariny ary ny 𝐄𝐭𝐚𝐭 𝐝𝐞 𝐝𝐫𝐨𝐢𝐭. 🇲🇬
💬 𝐀𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚𝐨, 𝐢𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐟𝐚𝐤𝐚 𝐞𝐧𝐭𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐞𝐤𝐧𝐨𝐥𝐨𝐣𝐢𝐚 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐬𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚?
✅ Fahazoana vaovao haingana kokoa
✅ Fanapariahana didy amin’ny fomba mangarahara kokoa
✅ Fanamorana ny fifandraisana amin’ny fitsarana
✅ Hevitra hafa….
✍️ 𝐒𝐨𝐫𝐚𝐭𝐲 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐲 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐡𝐞𝐯𝐞𝐫𝐢𝐧𝐚𝐨 𝐟𝐚 𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐢𝐥𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐭𝐨𝐤𝐨𝐚.
ANJA Madagascar
Andry Rabarisoa
13/05/2026
⚖️ 𝐀𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐡𝐢𝐭𝐨𝐧𝐝𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐝𝐞𝐦𝐚𝐧𝐝𝐞 𝐝’𝐚𝐧𝐧𝐮𝐥𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐞𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐓𝐫𝐢𝐛𝐮𝐧𝐚𝐥 𝐀𝐝𝐦𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐫𝐚𝐭𝐢𝐟, 𝐚𝐳𝐨 𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐥𝐨𝐡𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐭𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐀𝐝𝐦𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧.
Izany no atao hoe 𝐫𝐞𝐜𝐨𝐮𝐫𝐬 𝐚𝐝𝐦𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐫𝐚𝐭𝐢𝐟.
Azo atao:
✅ 𝐫𝐞𝐜𝐨𝐮𝐫𝐬 𝐠𝐫𝐚𝐜𝐢𝐞𝐮𝐱
✅ 𝐫𝐞𝐜𝐨𝐮𝐫𝐬 𝐡𝐢𝐞𝐫𝐚𝐫𝐜𝐡𝐢𝐪𝐮𝐞
⚠️ 𝐅𝐚 𝐭𝐚𝐧𝐝𝐫𝐞𝐦𝐨: aza variana miandry valiny na fampanantenana poak’aty, satria mety ho harirariran’ny administration ianao mandeha ihany anefa ny 𝐝𝐞𝐥𝐚𝐢 𝐝𝐞 𝐫𝐞𝐜𝐨𝐮𝐫𝐬 𝐜𝐨𝐧𝐭𝐞𝐧𝐭𝐢𝐞𝐮𝐱.
📌 Amin’ny recours en annulation, amin’ny ankapobeny dia 3 𝐦𝐨𝐢𝐬 ny délai.
💬 Raha ianao no nahazo décision administrative tsy nahafa-po anao, inona no hataonao voalohany?
1️⃣ Manatona ny Administration
2️⃣ Manao recours gracieux
3️⃣ Manao recours hiérarchique
4️⃣ Miomana hametraka requête eny amin’ny Tribunal
✍️ 𝐒𝐨𝐫𝐚𝐭𝐲 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐲 𝐧𝐲 1, 2, 3 𝐧𝐚 4.
06/05/2026
⚖️ 𝐓𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐑𝐀𝐓𝐀𝐒𝐘 𝐑𝐄𝐇𝐄𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐃𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐓𝐑𝐀𝐓𝐈𝐎𝐍 𝐀𝐊𝐎𝐑𝐘 𝐍𝐎 𝐀𝐙𝐎 𝐓𝐎𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐄𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐓𝐑𝐈𝐁𝐔𝐍𝐀𝐋 𝐀𝐃𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐓𝐑𝐀𝐓𝐈𝐅 !
Matetika isika no mieritreritra fa raha vao misy fitomboka menamena (cachet rouge) ny taratasy iray, dia azo angatahana annulation (recours pour excès de pouvoir) avy hatrany raha tsy mety amintsika.
Diso anefa izany! 🛑
Mba hahafahana manao izany, ilay taratasy na fanapahan-kevitra dia tsy maintsy faritana ho "Acte Administratif".
👉 Inona marina anefa izany acte administratif izany?
👉 Ary inona avy ireo taratasy tsy azo angatahana annulation eny anivon'ny Tribunal Administratif fa mety ho an'ny Tribunal Judiciaire?
Jereo ireo sary 6 eto ambany mba hahazoanao fanazavana feno sy tsotra.
𝐒𝐰𝐢𝐩𝐞-𝐨 𝐧𝐚 𝐭𝐬𝐢𝐧𝐝𝐫𝐢𝐨 ny sary tsirairay! 📱
💬 𝐀𝐧𝐝𝐞𝐡𝐚 𝐡𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐬𝐨𝐭𝐫𝐚:
Aminao, iza amin’ireto no mety ho 𝐚𝐜𝐭𝐞 𝐚𝐝𝐦𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐫𝐚𝐭𝐢𝐟 azo anaovana 𝐫𝐞𝐜𝐨𝐮𝐫𝐬 𝐞𝐧 𝐚𝐧𝐧𝐮𝐥𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧?
1️⃣ 𝐀𝐫𝐫𝐞𝐭𝐞 𝐧𝐚𝐯𝐨𝐚𝐤𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐌𝐚𝐢𝐫𝐞
2️⃣ 𝐓𝐚𝐫𝐚𝐭𝐚𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐚𝐟𝐚𝐧𝐭𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐬𝐨𝐭𝐫𝐚
3️⃣ 𝐑𝐞𝐟𝐮𝐬 𝐞𝐜𝐫𝐢𝐭 𝐚𝐯𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐀𝐝𝐦𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧
4️⃣ 𝐀𝐜𝐭𝐞 𝐝𝐞 𝐧𝐚𝐢𝐬𝐬𝐚𝐧𝐜𝐞
✍️ Soraty eto ambany ny valinteninao: 1, 2, 3 na 4
Ary hazavainay tsikelikely ao amin’ny commentaire ny maha samy hafa azy.
22/04/2026
📸⚖️ 𝐅𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐉𝐀𝐊𝐀𝐍𝐀, 𝐇𝐎𝐄?!
Indraindray, rehefa resy ny olon-tsotra, dia misy miteny hoe:
« 𝐄𝐟𝐚 𝐓𝐫𝐢𝐛𝐮𝐧𝐚𝐥 𝐀𝐝𝐦𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐫𝐚𝐭𝐢𝐟 𝐦𝐨𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐲, 𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐀𝐝𝐦𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐟𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐲. »
Indraindray koa, rehefa resy ny 𝐀𝐝𝐦𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧, dia misy miteny hoe:
« 𝐄𝐟𝐚 𝐅𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐡𝐢𝐭𝐬𝐲 𝐢𝐨, 𝐚𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐲. »
Misy aza sahy milaza fa 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐯𝐚𝐥𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐬𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐓.𝐀.
Ny marina anefa dia izao:👇
Ny Tribunal Administratif dia 𝐅𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐒𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐉𝐀𝐊𝐀𝐍𝐀 no tena anarany fa tsy Fitsarana miady amin’ny Fanjakana.
Tsy 𝐚𝐯𝐨𝐜𝐚𝐭-𝐧’𝐧𝐲 𝐀𝐝𝐦𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 izy, nefa koa 𝐭𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐯𝐚𝐥𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐀𝐝𝐦𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧.
Raha mbola tsy vaky ny ady, dia « 𝐦𝐩𝐢𝐧𝐚𝐦𝐚𝐧𝐚 » ny Tribunal Administratif sy ny Administration.
Porofon’izany ireto sary vitsivitsy nalaina nandritra ny 𝐀𝐓𝐄𝐋𝐈𝐄𝐑 𝐃𝐄 𝐑𝐄𝐍𝐅𝐎𝐑𝐂𝐄𝐌𝐄𝐍𝐓 𝐃𝐄 𝐂𝐀𝐏𝐀𝐂𝐈𝐓𝐄́ 𝐃𝐄𝐒 𝐌𝐀𝐈𝐑𝐄𝐒, 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝟏𝟔 𝐚𝐯𝐫𝐢𝐥, tao amin’ny 𝐂𝐞𝐧𝐭𝐫𝐞 𝐋𝐮𝐜𝐢𝐞𝐧 𝐁𝐎𝐓𝐎𝐕𝐀𝐒𝐎𝐀 𝐀𝐧𝐭𝐬𝐢𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚, ka nisy fifampizarana nataon’ny 𝐌𝐩𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚, 𝐞𝐤𝐢𝐩𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐓.𝐀. 𝐀𝐧𝐭𝐬𝐢𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 niaraka tamin’ireo 𝐌𝐚𝐢𝐫𝐞𝐬 ao anatin’ny 𝐂𝐨𝐦𝐦𝐮𝐧𝐞𝐬 𝐑𝐮𝐫𝐚𝐥𝐞𝐬 mandrafitra 𝐧𝐲 𝐑𝐞́𝐠𝐢𝐨𝐧 𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀. 📸
Maro ny fanontaniana napetraka, ary maro ihany koa ny valiny azo.
Misokatra hatrany ny T.A. handray ny 𝐝𝐞𝐦𝐚𝐧𝐝𝐞 𝐝’𝐚𝐯𝐢𝐬, 𝐢𝐧𝐭𝐞𝐫𝐩𝐫𝐞́𝐭𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐞𝐬 𝐭𝐞𝐱𝐭𝐞𝐬…..raha mbola tsy misy ny ady ary mbola tsy mananontanona ny fitoriana.
💬 𝙄𝙖𝙣𝙖𝙤 𝙠𝙤𝙖 𝙫𝙚 𝙚𝙛𝙖 𝙣𝙖𝙝𝙚𝙣𝙤 𝙤𝙡𝙤𝙣𝙖 𝙣𝙖𝙣𝙙𝙞𝙨𝙤 𝙣𝙮 𝙖𝙣𝙖𝙧𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙏𝙧𝙞𝙗𝙪𝙣𝙖𝙡 𝘼𝙙𝙢𝙞𝙣𝙞𝙨𝙩𝙧𝙖𝙩𝙞𝙛?
𝙎𝙖 𝙞𝙖𝙣𝙖𝙤 𝙢𝙞𝙝𝙞𝙩𝙨𝙮 𝙣𝙤 𝙚𝙛𝙖 𝙣𝙖𝙣𝙙𝙞𝙨𝙤 𝙖𝙯𝙮? 😁😁