12/10/2025
đź”´ Tsy handray anjara amin'ny Governemanta izahay
📌Notsoahana ny ministra (Malagasy) fa ny tale jeneraly (vahiny) be karama lavitra tazonina.
📌Ny zanakareo alefanareo any an-dafy ary aderadera mihitsy dia ny zanakay eto Madagasiara tifirinareo.
📌Midika izany fa tsy mahatoky MALAGASY mihitsy ianareo. Heverinareo fa ratsy avokoa (na mpitantana na mpianatra na mpitsabo…) raha vao Malagasy, nefa mpanazatra Malagasy ihany no lasa famaranana tamin’ny baolina kitra.
📌TSIA, tsy toe-tsaina mifanaraka amin’ny antoko izay tarihiko izany ka TSY AFAKA ny handray anjara amin’ny governemanta izay ho antsangana izahay avy amin’ny antoko TIA TANINDRAZANA.
📌Atsaharo ny famonoana feno habibiana ireo menaky ny ainay fa ny hery tsy ahaleo ny fanahy. Ny vahiny indray no mitaintaina ho an’ny zanakay fa ianareo manohy fampijaliana foana.
📌Dia faly ve izao ianareo herim-pamoretana rehefa tonga any antrano hoe nandratra sy nahafaty zaza firy aho androany?
12/10/2025
🔺📢Maro ianareo no manontany ny hevitro momba ny ho avy. Amiko dia ireto no mety hiseho (70% de chance)
1- Tsy tokony hisy fampiasan-kery intsony andio noho ireo fampitandremana maro voarain’ny fanjakana momba ny fanajà na ny zo fototra amin’ny fanehoan kevitra.
Sady izy ihany koa no nilaza omaly alina fa HIOVA FAMINDRA ka asa raha tadidiny sy ho hajainy ny teniny momba ny kianjan'ny demokrasia. Manantena izany isika fa tsy hisetrasetra be tahaka ny manenjika dahalo intsony ireo zandary mandeha pick up ireny fa ny MPIANATRA tompoko tsy DAHALO.
2- FANDRIKA lehibe izany hoe hiditra anaty governemanta izany satria tsy ho afaka hanova na kely akory ary raha mbola mivangongo amin’ny olom-bitsy ny fahefà na. Ary rehefa vita ny fotoana hilany (MASCOTTE) anareo tanora dia azony atao ny manala anareo, ka sady ho halam-bahoaka ianareo no halan’ny fanjakana.
3- Aza adino fa mila miova daholo ny HCC, Ceni, lalam-pifidianana mba hisorohana ny doublons sy ny hala-bato maro izay miteraka lonilony eto amin’ny firenena.
4- Tokony avoaka tsy misy hatak'andro ireo gadra politika ary ajanona ny fanenjehana sy fitoriana ireo izay tsy mitovy hevitra ka afaka hody an-tanindrazana malalaka daholo ny Malagasy.
🔺Vinavina ihany ireo ho fanampiana ara-kevitra anareo tanora. Ny tenako dia tsy mila seza na koa hoe hitarika anareo fa tohizo ny lalanareo fa efa nahavita fanovà na lehibe ianareo.
10/04/2024
Aïd Moubarak mes amis, que ce Aïd soit votre joie, que la foi soit votre voie, que votre chemin soit droit qu’Allah entende votre voix et vous réserve le paradis de son choix.
26/09/2023
Efa ela izahay mirahalahy no nifankafantatra ka mifampizara fomba fijery betsaka mitovy...
Misaotra an'i Rija Ramanantoanina sahy mijoro