DREN Atsimo Atsinanana

Directions Contact the organization

DREN Atsimo Atsinanana Fitaleavam-paritry ny Fanabeazam-pirenena Atsimo Atsinanana

31/10/2026

✳️✳️Fampahafantarana mikasika ny "caisse école" (RPI, FCE), ho an’ny EPP sy CEG.

UCOM MEN / Oktobra 2026

31/10/2026
‎✳️Natao tao amin'ny trano fivorian'ny Sr Cenacle Impitiny Farafangana ny 28 oktobra 2026 ny " atelier d'information sur...
30/10/2026

‎✳️Natao tao amin'ny trano fivorian'ny Sr Cenacle Impitiny Farafangana ny 28 oktobra 2026 ny " atelier d'information sur le projet d'appui à la filière centella asiatica avec la société Bionexx" izay tetikasa fanohanana ny sehatry ny silabola miaraka amin'ny orinasa Bionexx ; niarahan'ny fanabeazam-pirenena Atsimo Atsinanana sy ny CISCO Farafangana sy Vangaindrano ary ireo mpiaramiombon'antoka Bionexx izay vatsin'ny UEBT.
Izay manana Paikady vaovao hanafoanana ny fampiasana Zaza ao anatin'ny seha- pihariana silabola ( talapetreka).
Ary manana tanjona tokana dia ny tsy hisy Zaza hiasa intsony ao anatin'ny seha- pihariana silabola.
Ny tetikasa dia ho hita ao anatin'ny CISCO roa Farafangana sy Vangaindrano
Isan'ny nanatrika izany atrikasa izany ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Atsimo Atsinanana sy ny lehiben'ny fari-piadidiam-pampianarana Farafangana.
-atsimoatsinanana
/MEN oktobra 2026

30/10/2026
28/10/2026
✳️Isan'ireo nandray anjara tamin'ny atrikasa "Co-création des orientations d'une éventuelle prochaine phase de FIANTSO",...
23/10/2026

✳️Isan'ireo nandray anjara tamin'ny atrikasa "Co-création des orientations d'une éventuelle prochaine phase de FIANTSO", natao tao amin'ny Ivon-toerana Lovasoa Antsirabe ny alatsinainy 19 sy ny talata 20 oktobra 2026, ny ekipa avy ao amin'ny DREN Atsimo Atsinanana.
▶️Nandritra izany no nampahafantaran'ny tetikasa "FIANTSO" ireo asa vitany tao amin'ny DREN Atsimo Atsinanana sy nanazavana ireo fanatsarana kasaina hatao amin’ny fidirana ho amin'ny taona faharoa (2027) hanohizana ny tetikasa.
▶️Teboka telo lehibe dia ny fampandrosoana ho amin'ny maha-matihanina ireo mpampianatra sy mpanome tantsoroka, ny fomba fitantanana eny anivon’ny sekoly sy ny FEFFI ary ny fitarihana sy fandrindrana ary angon-kevitra, no niarahana ireo mpandray anjara nidinika tamin'ny alalan'ny fitsinjaran'asa isa-tarika, izay niarahana tamin'ireo tekinisiana avy amin'ireo Foibem-pitondrana isan-tsokajiny eo anivon’ny minisitera foibe.
UCOM MEN/Oktobra 2026

23/10/2026

✳️✳️Fampahafantarana momba ny fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra ENF ambaratonga fototra (Primaire) ao anatin'ny tetikasa TALIM.

UCOM MEN/ Oktobra 2026

Address

Amboanio
Farafangana
309

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DREN Atsimo Atsinanana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to DREN Atsimo Atsinanana:

Shortcuts

Share