05/04/2026
๐ต๐ ๐ณ๐๐๐๐๐๐'๐๐ ๐ญ๐๐๐๐๐๐ ๐จ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐ด๐๐๐๐๐ ๐ป๐ถ๐ซ๐ ๐จ๐๐๐๐๐
๐
๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐'๐๐ ๐ท๐๐๐๐ ๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐จ๐๐๐๐๐๐๐๐๐'๐๐ ๐ท๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐-๐
๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐
๐๐๐๐๐.
30/03/2026
MITSIDIKA AN' I SAINTE MARIE NY LEHIBEN'NY FARITRA ANALANJIROFO
Raha avy nitsidika ny Distrikan'ny Mananara avaratra ny Lehiben'ny Faritra Analanjirofo dia mitsidika an'i Sainte Marie indray androany alatsinainy faha 30 martsa 2026.
Ny maraina teo moa no nigadona teto Sainte Marie ny Lehiben'ny Faritra Analanjirofo sy ireo Delegasionina miaraka aminy notronin'ireo Talem-paritra maromaro.
Haharitra telo andro eo ny fitsidihana ataony eto Sainte Marie miaraka mijery ireo fotodrafitrasa hamboarina na koa izay hatsaraina .
Ny androany moa dia niatrika ny lanonana fametrahana vonjimaika ny Faritra arovana Sรดrokay eto Sainte Marie ao amin'ny Fokontany Agnafiafy izay Tantan'ny GRET amin'ny alalan'ny tetikasa TSARAKOBABY.
Nisy moa ny fitokanana ny tsangambato fahatsiarovana izany tao amin'ny Ilo madame.
Fitsidihana ara-pomba ofisialy voalohany nataon'ny Lehiben'ny Faritra Analanjirofo Maรฎtre TODY Arnaud an'i Sainte Marie moa izao .
Amin'ny maham-pitarika voalohany ny fandrosoana ny tenany moa dia hijery ireo marary an'i Sainte Marie izy mandritra n'y telo andro izany.
Ho tanterina amintsika eo hatrany n'y vaovao mikasika ity fandalovany eto Sainte Marie ity.
29/03/2026
FENO 10 TAONA NY CSMA SAHAVรLA FรNรRIVE-EST
โOLONA MIISA 100 MAHERY NO NISITRAKA FIZAHAM-PAHASALAMANA MAIMAIMPOANA ANDROANY.
Nankalaza ny faha-10 taonany omaly asabotsy faha 28 martsa 2026 ny Centre de santรฉ Mitsinjo ao Sahavola Fรฉnรฉrive-Est..
Taminโny alalanโny asa sรดsialy no noentina nankalazana izany.
Fantatra fa Olona miisa 100 no nisitraka fizaham-pahasalamana sy fanafody maimaimpoana nandritra ity hetsika ity,
Tonga tao an-toerna moa ireo manam-pahefana nanome voninahitra izany lanonana izany .
Nahitana ny Solombavambahoakan'ny Madagascar voafidy teto Fรฉnรฉrive-Est,ny Solotenanโny Kaominina, ary ny Solontenanโny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka (DRSP) Analanjirofo, PAMF, Tangalamena an-tanร na.
โAnkoatra ny fizahana aretina amin'ny ankapobeany, dia nisy ihany koa ny fandraisana an-tanana manokana ho anโireo reny bevohoka sy ny fanaovana vaksiny ny zaza latsaky ny 5 taona.
Docteur RAHOLIARIMANGA Lovasoa, izay Tale Jeneraly ny CSMA, dia nanambara fa tanjona fototra ny hanakaiky hatrany ny vahoaka, si'ganina manokana ireo zokiolona sy ny ankizy.
โEFa fanindroany moa izao hetsika ara-tsosialy izao .
29/03/2026
29 mars 1947 - 29 mars 2026
FANAMARIHANA FAHATSIAROVANA NY TOLOM-PANAFAHANA
Tsy diso anjara tamin'ny fanamarihana ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana 29 mars 1947 ny teto Fรฉnรฉrive-Est Renivohitry ny Faritra Analanjirofo.
Fametrahana fehezam-bonikazo teo Ambaton'i Tรดtohely fenerivo doany sy tao amin'ny fiasan'ny maherifo eo Ambataria Fenoarivo Atsinanana izay notarihin'ny Lehiben'ny Fileovana Fenoarivo Atsinanana .
Tonga nanotrona azy moa ireo olomanankaja Sivily sy Miaramila.
Feno 79 taona androany tokoa ity daty manana ny tantarany eo amin'ny firenena Malagasy ity.
28/03/2026
NIFARANA ANDROANY NY FIHAONAMBEM-BIAVY ANALANJIROFO SY AMBATOSOA TETO MANANARA AVARATRA.
Nifamotoana teto Mananara avaratra ireo fikambanana viavy 8 mars maro ato amin'ny Faritra Analanjirofo sy Ambatosoa nanomboka tamin'ny alakamisy faha 26 martsa ka nifanarana androany asabotsy faha 28 martsa 2026.
Nisy ireo fifaninanana ara-panatanjahantena ,tao ny fifaninanana vakodrazana maro Samy hafa.
Ankoatra izay ireo fifam-pizarana traikefa teo amin'ny samy vehivavy.
Fantatra ihany koa fa i Distrikan'ny Sainte Marie no handray ny fihaonambem-biavy amin'ny taona hoavy 2027 ka natolotra azy ireo androany Ilay fanalahidy lehibe.
Henikaja tokoa ity fankalazana ity satria tonga niatrika sy nanome voninahitra izany teto an-toerana moa ireo Solontenam-jakana ambony aty Analanjirofo.
Nahitana ny Lehiben'ny Faritra Analanjirofo,ny Solombavambahoaka voafidy teto Mananara avaratra,ny Lehiben'ny Distrikan'ny Mananara avaratra ireo manam-boninahtra sivily sy miaramila Ary ireo Delegasionina mafonja avy amin'ny Faritra Analanjirofo.
2026
avaratra