29/10/2024
Nahazo fanampim-pahallalana ny Mpamonjy voina Fianarantsoa
Niala sasatra teto andrenivohitr'i Fianarantsoa no nampita fahalalana mahakasika ny famonjena voina sy fampiasana ny fitaovana, ny fikambanana mpamonjy voina avy any Vendée France
28/09/2024
Code municipal d'hygiène
Aseho an-tsary ny ampahany voalaza ny arrêté 90 CU/F/CAB.20
19/09/2024
Ny BAH, midina ifotony manara-maso ny fampiharana ny didim-pitondrana faha-90 CU/F/CAB.20, mifehy ny resaka fanadiovana sy fidiovana.
Miara-dalana ny sampan'asa miandraikitra ny Rano sy ny Fidiovana ary ny Fikojakojana ny fotodrafitrasa, ny CAH, ny Lehiben'ny Boriboritany
BAH : Brigade d'assainissement et de l'hygiène
CAH : Comité de l'assainissement et de l'hygiène
12/06/2024
ATRIKASA MAHAKASIKA NY HETRA
Najoro tamin'ny alalan'ny didim-pitondrana ny "commission de l'évaluation de l'impôt" eto anivon'ny Kaominina Ambonivohitra Fianarantsoa. Didim-pitondrana laharana faha-117 CU/F/CAB 24
Mandrafitra izany ny :
- solontena 1 avy amin'ny sampan'asa ny Voaria
- solontena 2 avy amin'ny centre fiscal
- solontena 1 avy amin'ny sampandraharaha-paritry ny Asa vaventy
- solontena 5 avy amin'ny delege-panjakana misolontena ny vahoaka tendren'ny Prefe
- solontena 5 avy amin'ny Lehiben'ny Fokontany notendren'ny Ben'ny Tanàna misolontena ny mponina
Vaomiera hanampy ny sampan'asa miandraikitra ny Hetra trano sy tany eto amin'ny Kaominina, hanao fanombanana, sy famaritana ary hanampy amin'ny "barème" fikajiana ny sara hampiharina amin'ny hetra trano sy tany fa hitodika amin'ny trano tsisy mpanofa, manaraka ny tondrozotra voalaza ao amin'ny fehezan-dalana mikasika ny Hetra ary hamafisin'ny circulaire 002 MEF/SG/DGI/DITEC
Hatolotra eo anivon'ny Filankevitry ny Tanàna ny "barème" tapaky ny "commission" hahazo fankatoavana.
Nitarika ny atrik'asa ny Filohan'ny Filankevitry ny Tanàna RANDRIAMIHAFARA Denis Hector sy ny Ben'ny Tanàna lefitra faharoa, nohotronin'ny Lehiben'ny sampan'asa miandraikitra ny Hetra trano sy tany
03/06/2024
Trano fidiovana 4 vaovao ho azo ampiasain'ny vahoaka tsy ho ela :
🔺 Ankidona - apitan'ny station essence TOTAL
🔺Tsena Antanifotsy Talatamaty
🔺Tanambao - EPP
🔺Tanambao - tsena
02/05/2024
FISORATAM-PANMBADIANA FAOBE
Mpivady 4, Kristianina avy amin'ny EKAR TANAMBAO niroso tamin'ny fisoratam-panambadiana.
Nanatanteraka izany ny lefitra faharoan'ny Ben'ny Tanàna RAZAFIMAHATRATRA Réné Joseph
16/04/2024
Notre armoirie officielle
02/02/2024
FAGNOMBA
Fandaharana vokarin''ny Kaominina Ambonivohitra Fianarantsoa, tontosain'ny ekipan'ny Sampan'asa Serasera, iarahana miasa amin'ireo Radio maromaro eto an-tanana.
ZOMA
Radio MAHATSIATRA Fm 101.2
👉 @ 11 ora
Radio SAVA Fm 93
👉 @ 11 ora sy sasany
Radio MAMPITA Fm 94
👉 @ 1 ora tolakandro
Radio Fanambarana FM 98.4
👉 @ 2 ora tolakandro
Radio RFONE Fm 90.8
👉 @ 3 ora tolakandro
Radio FIHAVANANA Fm 101.5
👉 @ 4 ora tolakandro
Radio MBS Fm 95.4
👉 @ 5 ora hariva
ALAHADY
Radio Soleil Fm 98
👉 @ 7 ora maraina
Fandaharana ifampizarana lohahevitra iray miova isam-bolana. Ho an'ity volana Febroary ity : fitaterana sy fifamoivoizana.
Manasa anao hanaraka izany amin'ireo Radio ireo, tsy ho ela ihany koa eto amin'ny tambazotra serasera.
Ny Fiadidiana ny Tanànan'i Fianarantsoa dia mankasitraka hatrany ny fiaraha-miasa amin'ny Haino aman-jery.
16/01/2024
FOTODRAFITR'ASA FIDIOVANA
Toerana 4 izay voasafidy hanorenana trano fidiovana, nanaovana fidinana teny ifotony :
✔️Ankidona, Fokontany Ankazobe
✔️EPP Tanambao
✔️Tsena Tanambao
✔️Tsena Antanifotsy, Fokontany Talatamaty
Tetikasa tanterahana ao anatin'ilay Fandaharanasa Eaurizon 2025, vatsian'ny Grand Lyon vola.
Nijery izany niaraka ny avy amin'ny 👍Kaominina Fianarantsoa, nahitana ny : Tale Tekinika ny Kaominina, ny Tale ny fanjohina arak'asa sy tomban'ezaka, ny lehiben'ny sampan'asa ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny fikojakojana ny Fotodrafitr'asa, ny sampan'asa serasera
👍Fitaleavam-paritry ny Rano Fidiovana sy Fanadiovana
👍ONG Practica: Mpandrindra ny tetikasa Fanatsarana ny Fanadiovana ny Tanànan'i Fianarantsoa sy ny mpiara-miasa aminy
👍 ireo orin'asa hifaninana
11/01/2024
FANADIOVANA
VOKATRY NY ROTSAK'ORANA
Ny Tale Teknika ANDRIAMAMPIONONA Dida nidina ifotony nijery sy nanadihady ny zava-nitranga teny anivon'ny Boriboritany Mahasoakely, Fokontany Sahalava niaraka tamin'ny solombavambahoakan'i Madagasikara RAJOELINA Seth, ny Tale-paritry ny Fanajariana ny tany MAHAZOSOA Tokiarimamy, nantsoina nanatrika ny Sefo Fokontany sy ireo lehiben'ny Boriboritany ary ny fokonolona
Miha tsentsina ny lakan-drano, mampidi-drano an-trano. Maika ny asa mila fifarimbonana, tsy hiandry ela, apitso no apitso dia hatao ny asa hampirindra ny fiaraha-monina.
Hanao ny asa tandrifiny ny ekipa avy amin'ny Kaominina, hanome tanana ireo fokonolona voakasika izay eo ambany fitarihan''ny Lehiben'ny Fokontany.