22/02/2025
Andron’ny mpamorona ❤️
Arabaina ny skoto rehetra nahatratsa ny andro androany.
Feno ny fo ary manome toky fa ho eo ho anareo ato amin’ny firaisan’ny skotisma eto Madagasikara (FSM) distrika Ambalavao amin’ny maha reny mpiahy ahy.
TANANA HAVIA HO ANTSIKA REHETRA.
01/01/2025
Ho taona zina, feno fahasoavana ary fanambinana anie 2025.
Ho feno hery hatrany, ampy erijika tanteraka hiatrika ny adidy aman'andraikitra isika mianakavy.
Ho fanoitra hanatsara, ampinga hanasoa, fitaovana hampandroso ny tany misy sy ny manodidina hatrany.
NB: Nisantatra ny taona eo ampibanjinana ny zavatsoa eto Iarindrano.
Isika Tsienimparihy ❤️.
31/12/2024
Le goût d’avoir accompli une course marathonienne durant toute l’année…
Hazakazaka hatramin’ny farany no natao.
Izay tsy noheverina ho atao rehetra dia natao avokoa.
Nohamafisina ny finiavana sy ny firosoana amin’ny lalindalina kokoa❤️.
Ho bangoina amin’ny teny tokana ny 2024 sy ny safidy ho raisina ho an’ny 2025:
HATAO TOY!
Ny toky fitaka fa ny atao ro hita hoy agnay hatagny Tsienimparihy izay.
Soavan’ny androany aby isika rehetra. Hamarana ny taona ampitsikiana. Hitsena ny taona 2025 ampahasalamana tanteraka.
Ny Fitarikandro Ambalavao ho eo foana ho an’i Iarindrano.
Fitiavana TSY tontan’ny ela ny antsika ary TSY ho ravan’ny vao.
24/12/2024
Mirary alimpifaliana ho antsika rehetra.
Ho feno tsiky anie ny fiainantsika ary ho henika haravoana tanteraka eo ampitsenana an'ilay Tompo Mpamonjy.
Tratsy ny Noely aby koa oh.❤️
17/12/2024
Misy ireo zoky, ray amandreny apetran’ny fiainana eo amin’ny lalanao amin’ny fotoana tsy ampohizinao.
Raha nisy ny fotoana nianarako ny hatao hoe fitoniana sy fahamatorana dia teo anivon’ny fifaneraserana niaraka tamin’izy roa eo ankavanako ireto❤️.
Misaotra anareo teo…
Misaotra anareo manoro lalana…
Misaotra anareo mananatra sy mampianatra…
Tsy hamela ho raraka antany ny fanotronanareo ahy tamin’ireo fotoana niarahana nibanjina an’Iarindrano.
Baba Razafindroa, Ranadahy Gervais Mahafaly. Feno fankasitrahana 🙏.
12/12/2024
Misaotra Ambohimahamasina, Mankasitraka anareo nametraka fitokisana taminy🙏❤️.
Vox populi, Vox Dei.
Mankasitraka anao Maire Aime Ratsimbazafy❤️. Ndao amin’izay fa lera.
Ambohimahamasina Tsy maintsy mandroso !
11/12/2024
Ambohimandroso, Ambohimandroso ko eh🥰❤️
Misaotra anareo🙏
Sendrisoa oh🙏. Mankasitraka anareo hatrany. Miarahaba manokana Dadatoa Donné🥰❤️. Managna agnay managna anao.
08/12/2024
Misy ny tranga tsy ampohizina mahavaky fo, mahatorovana.
Ankona tanteraka aho naheno ny vaovao. Tsy hita ny atao, tsy hita ny ho tenenina.
Ny hany mba fantako tamin’ny nifanerantserantsika dia ny fitiavanao mafonja an’Anjoma sy ny hetahetanao rehetra ho an’io kaominina iray io.
Mafy aminay izao fahalasanao izao M.Veve Charles😔.
Miondrika ampanajana Tompoko.