31/05/2026
FILAZANA MANJO
Amin’alahelo lehibe no ampandrenesanay antsika rehetra ny fahabangana eo anivon’ny fianakaviambe eto amin’ny DREDD Anôsy.
Nodimandry, ny faha 31 May 2026, teo amin’ny faha-43 taonany ny havantsika malala, FIENGAGNARIVO Damy Renaud Eric, izay niasa tamin-kitsimpo maha "Responsable Logistique" azy teto amin’ny DREDD Anôsy.
Izy dia lehilahy iray feno fanoloran-tena sy fahazotoana, nirotsaka an-tsehatra tamin’ny fiarovana ny tontolo iainana.
Tsy hohadinoina mandrakizay ny ezaka sy ny fitiavan-tanindrazana nasehony teo amin’ny asa sy ny fiaraha-monina.
Amin’izao fotoan-tsarotra izao dia maneho fiaraha-miory feno sy fankaherezana ho an’ny fianakaviany, ny havany ary ireo mpiara-miasa rehetra izahay.
Mandria am-piadanana Damy Renaud Eric
Tsy ho lefy ao am-ponay mandrakariva ny fahatsiarovana anao sy ireo soa navelanao.
27/05/2026
FAMPAHAFANTARANA :
Ny Fitaleavam-paritra ny Tontolo Iainana ny Fampandrosoana Lovainjafy Anôsy dia mampandre ny besinimaro fa misokatra ny Fiantsoana fanehoana fahavononana (Appel à Manifestation d’Intérêts – AMI) ho an’ireo olona, orinasa, fikambanana na mpisehatra mahaliana amin’ny fanatanterahana ny asa na fiaraha-miasa manaraka :
1. Fitantanana toeram-pamokarana zanan-kazo ao Mangaika, Fokontany Mangaika, Kaominina ambanivohitra Ampasy Nahampoana, Distrikan’i Taolagnaro, Faritra Anôsy
2. Fitantanana toeram-pamokarana zanan-kazo ao Morariva, Kaominina ambonivohitra Betroka, Distrikan’i Betroka, Faritra Anôsy
Koa indro alefa manaraka etoana ireo“Torolalana mamaritra ny tanjona, asa, andraikitra ary fomba fanatanterahana”
20/05/2026
🌳☎️𝗔𝗻𝗱𝗮𝗼 𝗵𝗶𝗮𝗿𝗮-𝗵𝗶𝗲𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗵𝗶𝗳𝗮𝗻𝗼𝗺𝗲 𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗶𝘀𝗶𝗸𝗮 hikajy sy hiaro ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary tsy manam-paharoa eto Madagasikara.📱❌️
🏡𝗛𝗮𝗶𝘁𝗼𝗻𝗱𝗿𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝘁𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮, 🐢𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗿𝗮-𝗱𝗮𝗹𝗮̀𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝘃𝗼𝗮𝗷𝗮𝗻𝗮𝗵𝗮𝗿𝘆, 💰𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗸𝗼𝗹𝗶𝗸𝗼𝗹𝘆, 🔥𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗱𝗼𝗿𝗼 𝘁𝗮𝗻𝗲𝘁𝘆 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗱𝗼𝗿𝗼 𝗮𝗹𝗮, 📣𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘀𝗲𝗿𝗮𝘀𝗲𝗿𝗮 𝘀𝘆 𝗳𝗶𝘇𝗮𝗿𝗮𝗺-𝗯𝗮𝗼𝘃𝗮𝗼.
✅️📱Aza misalasala isika miantso ireo 👇👇 laharana findray etsy ambany👇👇 ireo raha manam-baovao na fizarana hahafahanay mandray fepetra haingana.☎️👇👇