08/10/2026
🟥🟦 ANDRAHIBO NOSY BE 🟥🟦
👉 Nahazo jiro manazava ny tanàna mandeha amin'ny herin'ny masoandro sy poto drapeau ary ciment dimy (05) avy tamin'ny Ben'ny tanàna Aly Aboudou teto Andrahibo, izay entina hanatsarana sekoly eto an-toerana.
➡️ Teto ihany koa no fanoloran-tenan'ny Ben'ny tanàna baolina hoan'ny Tanora, nambarany ihany koa mbola maro ireo asa fampandrosoana izay hatao eto an-toerana ary tsy hisy fokontany atao hadino amin'ny sehatra fampandrosoana.
🎤 Nangataka mba ahazo jiro mandeha amin'ny herin'ny masoandro tahak'izao ireo secteur rehetra ato amin'ny fokontany Andrahibo: Ankalampo, Amparihy Maiky, Mont Passot, Andavakabe, Madiro, Andriribe ary jiro fanampiany eto Andrahibo, ny lefitry sefom-pokontany.
Teo ihany koa ny fanamboarana biraon'ny fokontany, tobim-pahasalamana, fanatsarana lalana, fampidirana rano sns