DREAH Ihorombe

DREAH Ihorombe

Share

Direction Régionale de l'Eau, de l'Assainissement et de l'Hygiène. Région Ihorombe

Photos from Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana's post 25/03/2026
Photos from DREAH Ihorombe's post 04/03/2026

🌿 Atrikasa Fifampidinihana – Tetikasa PMP VREAU

Faritra Ihorombe
Notanterahina androany ny fanokafana ofisialy ny atrikasa fifampidinihana momba ny Projet de Mobilisation, Protection, Valorisation de la Ressource en Eau et de Renforcement de la Résilience au Changement Climatique (PMP VREAU).

Ity tetikasa ity dia tanterahin’ny Ministère de l'Eau, de l'Assainissement et de l'Hygiène miaraka amin’ny fanohanan’ny Banque Africaine de Développement, ary mikendry ny:

💧 Hanatsara ny fahazoana rano fisotro madio
🌱 Hiaro sy hanome lanja ny loharanon-drano
🌍 Hanamafy ny fahaiza-miatrika ny fiovan’ny toetr’andro

Ny atrikasa dia natao ho sehatra hifanakalozan-kevitra sy hanangonana hevitra avy amin’ireo sampan-draharaha, kaominina, fikambanana ary mpisehatra rehetra voakasika, mba hanamafisana ny fiaraha-miasa sy hanomanana drafitra fandraisan’anjara mahomby.

🤝 Ny fiaraha-miasa sy ny fandraisan’anjara mavitrika avy amin’ny rehetra no antoky ny fahombiazana sy ny faharetan’ny tetikasa.

Photos from DREAH Ihorombe's post 13/02/2026

🌳 Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fambolen-kazo 2026 – Faritra Ihorombe 🌱

Natao androany 13 Febroary 2026 ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2026, izay notanterahina tao Ilempo III, Kaominina Ankily, Distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe.

🎯 Lohahevitra tamin’ity taona ity :
“Izay mamboly hazo, mamelona aina.”

🌍 Nosafidiana manokana ny toerana Ilempo III satria izy anisan’ny loharano manan-danja miantoka ny famatsian-drano fisotro ho an’ny Kaominina Ankily sy ny Kaominina Ambonivohitr’Ihosy.

👉 Zava-bita :
🌱 Zanakazo 2 800 no novolena
🌿 Karazana : kily, kininim-boasary, rotra ary ananambo
📍 Velarantany : 3 ha

👉 Fandraisana anjara :
👥 Olona 800 mahery no nandray anjara (mpiasam-panjakana, fikambanana miankina sy tsy miankina ary antoko politika)

🤝 Ny hetsika dia notarihin’ny DREDD Ihorombe
🎖️ Nosokafan’ny Prefetn’Ihosy tamin’ny fomba ofisialy, niaraka tamin’ny fanatrehan’ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra nisolotena ny Lehiben’ny Faritra ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny

💧 Ny DREAH Ihorombe dia nandray anjara mavitrika tamin’ny fambolen-kazo nandritra ity hetsika ity.

✨ Nizotra am-pilaminana sy nahomby ny lanonana fanokafana, ary antenaina fa hitondra vokatra maharitra ho an’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny loharanon-drano eto amin’ny Faritra Ihorombe.

🌿💧

02/01/2026

🚨 Ho fisorohana amin’ny aretina maro, sasao matetika amin’ny rano sy savony ny tanana!

Photos from Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM's post 09/12/2025
05/12/2025
Want your business to be the top-listed Government Service in Ihosy?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address


Ihosy