MPOX: VAKSINY no Fiarovana
Direction du Programme Elargi de Vaccination Msanp-Madagascar.
Fitaleavana Misahana ny Fandaharan'asa momba ny Vaksiny eto Madagasikara.
28/05/2026
📱🎥 “Mega kely, fahalalana lehibe : Fantaro ny MPOX sy ny fisorohana azy.”
Anio 29/05/2026
𝒓𝒆𝒉𝒆𝒇𝒂 𝒕𝒊𝒂....𝒅𝒊𝒂 𝒎𝒊𝒂𝒓𝒐
25/05/2026
Anio 26 May 2026
23/05/2026
22/05/2026
22/05/2026
📌🗓 🇲🇬Daty lehibe teo amin’ny tantaran’ny Vaksiny teto Madagasikara.
• 1898 : Niorina ny "Institut Vaccinogène" sy "Antirabique" teto Antananarivo.
• 1917 : Voafehy tanteraka teto Madagasikara ny nendra noho ny vaksiny novokarina teto an-toerana.
• 1976 : Natomboka ny Programa Elargi de Vaccination (PEV).
• 2021 : Nampidirina ny vaksiny COVID-19 tamin’ny alalan’ny COVAX.
• 2025 : Nampidirina tamin’ny fomba ofisialy ny vaksiny anti-HPV hiarovana amin’ny homamiadan’ny vozon-tranonjaza.
20/05/2026
✨️Ny vaksiny dia fiarovana sarobidy ho an’ny zanan-tsika.
✨️Rehefa manao vaksiny ara-potoana ny zanan-tsika dia miaro azy amin’ny aretina mety hampidi-doza isika.
ℹ️Aza miandry aretina vao hikaroka vahaolana, fa aleo misoroka toy izay mitsabo.
🗓Araho mandrakariva ny tetiandrom-baksiny ny zanan-tsika, satria ny zaza vita Vaksiny dia zaza voaaro amin'ny valan'aretina.
19/05/2026
💉 𝔸ℝ𝔼𝕋𝕀ℕ𝔸 𝔸ℤ𝕆 𝕊𝕆ℝ𝕆ℍ𝔸ℕ𝔸 𝔸𝕄𝕀ℕ’ℕ𝕐 𝕍𝔸𝕂𝕊𝕀ℕ𝕐
ℹ️Ny vaksiny dia miaro amin’ireo aretina mampidi-doza.
✅ Ny fanaovana vaksiny ara-potoana dia miaro ny zaza sy ny fiarahamonina manontolo.
👨👩👧👦 Vaksiny anio, fiainana salama rahampitso.
✨️Tsy Resaka vintana akory ny Fahasalamana.
18/05/2026
💉 Ny vaksiny dia manamafy ny hery fiarovan’ny vatana hiady amin’ny aretina.
✨️Miaro ny tsirairay amin’ny aretina izy ary manampy hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina eo amin’ny fiarahamonina.
ℹ️Noho ny vaksiny dia nihena be, ary misy aza foana tanteraka, ireo aretina nahafaty olona maro taloha.
15/05/2026
🏆 Noho ny asa iombonantsika rehetra sy ny asa natao tamim-pitiavana ho an’ny fahasalaman’ny vahoaka, nahazo fankasitrahana avy amin'ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ary ny mpiaramiombonantoka Unicef ny Tale misahana ny Fandaharan'asa Momban'ny Vaksiny eto Madagasikara.
✨Mirehareha isika amin’ny ezaka ho fampiroboroboana ny Vaksiny eto Madagasikara, mba hananana taranaka tomady sy vahoaka salama, afaka handray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny firenena.” 💉🇲🇬
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Category
Website
Address
Mamory
Ivato
Opening Hours
| Monday | 08:00 - 16:00 |
| Tuesday | 08:00 - 16:00 |
| Wednesday | 08:00 - 16:00 |
| Thursday | 08:00 - 16:00 |
| Friday | 08:00 - 16:00 |
